- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksika: Hetsika Rodobe Am-bisikilety Nifandona Tamin'ny Governemanta Tao an-toerana

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka

Ny 28 Aprily 2012, andiany iray mpitaingina bisikilety, ka tao anatin'izy ireny dia nahitàna fikambanana sivily iray antsoina hoe  Bicitekas [1] [es], no nikarakara rodobe iray izay niainga teo amin'ilay ‘Anjelin'ny Fahaleovantena’ mampiavaka ny fon'ny tanànan'i Mexico, nitodi-doha nankany amin'ilay antsoina hoe ‘Supervía Poniente [2]‘ (Làla-migodanan'i Poniente) [es] ho fanoherana ny fanamboarana ito farany. Teny an-tenantenan-dàlana teny dia mpitaingina bisikilety enina no nosamborin'ny polisy teny an-toerana, araka ny voalazan'i Mónica Tapia A. [3] [es] (@monicatapiaa):

¿Están siguiendo #fleshandconcrete [4] ? Detuvieron y golpearon a 6 ciclistas @BernardoPadron [5]@Karkarkarrr [6] por subir a #2dopiso [7]#supervia [8]

Manaraka ny #fleshandconcrete [4] ve ianareo? /Mpitaingina bisikilety enina  @BernardoPadron [5]@Karkarkarrr [6] no voatàna sy voadaroka noho ny nandehanany tamin'ny rihana faharoan'ilay làlam-be migodana #2dopiso [7]#supervia [8]

Ny ‘Supervía Poniente’ dia tetikasa iray an'ny governemanta avy amin'ny elatra havia tarihan'i Marcelo Ebrard [9] [es], filohan'ny Governemantan'ny Distrika Federaly. Ny tanjona amin'ilay làlana dia  ny hampitohy ny ilany atsimon'ny tanàna amin'ny faritra fifaneraseran'ny eraky ny firenena any andrefan'ny tanàna, ao amin'ny distrika iray fantatra amin'ny hoe Santa Fé.

[10]

Sarin'ny fifanolanana tamin'ny polisy tao an-toerana. Nopihan'i @alconsumidor

Nahita ny fihazakazaky ny fitomboan'ireo mponina mifamoivoy ao aminy i Santa Fé,  ary noho io antony io indrindra indrindra no mahatonga azy ho lalan-tsarotra ho an'ireo izay mpiasa mamily fiara mamonjy fiasàna isan'andro ao vokatry ny vesatry ny fifamoivoizana. Nokendrena ho vahaolana amin'io olana io ny  ‘Supervía Poniente’, saingy niteraka fanakianana avy amin'ireo mafàna fo izay milaza fa hisy fiantraikany goavana eo amin'ny tontolo iainana ireo asa atao ao. Ilay rodobe am-bisikilety natao ny Sabotsy 28 Aprily teo dia iray ihany amin'ireo hetsi-panoherana natao hanoherana ny asa fanamboarana ilay làlana.

Kanefa, araka ny fanambaràna avy amin'ireo nanatri-maso izay nakarina ao amin'ny Twitter, hita nifandona tamin'ireo mpitaingina bisikilety ry zareo polisy. Nitatitra i Jorge A. G. Matalí [11] [es] (@elMatali) hoe:

Se tratan de llevar a uno para intimidarnos a todos#fleshandconcrete [12]http://instagr.am/p/J-u0DrPz5I/ [13]

Manandrana misambotra mpitaingina bisikilety iray ry zareo mba ho fandemena anay rehetra #fleshandconcrete [12]http://instagr.am/p/J-u0DrPz5I/ [13]

Nanoratra ny mpikarakara Bicitekas [14] [es] (@Bicitekas) hoe:

Nuestra rodada es pacífica, ejercemos nuestro derecho a circular. #FleshAndConcrete [15]#CarneyConcreto [16]#Bici [17]

Am-pilaminana ny rodobe am-bisikiletinay, mampihatra ny zonay ho afaka hivezivezy ato anatin'ny tanàna izahay. #FleshAndConcrete [15]#CarneyConcreto [16]#Bici [17]

Araka ny ambaran'i Daniel Gershenson [18] [es] (@alconsumidor) dia nandrahona ny polisy :

Después de la melée (donde un policía incluso amenazó con “llamar a granaderos”), prosigue Rodada #FleshandConcrete [19] hacia L Cabrera [Avenida al sur de la ciudad de México]

Taorian'ny fifanosehana (ka tao anatin'izany no nisy polisy iray nandrahona fa “hiantso polisy mpandrava korontana”), nitohy ny rodobe am-bisikilety #FleshandConcrete [19] nankany L Cabrera [Làlambe any atsimon'ny tananan'i Mexico]

Jordy M.Y [20]. [es](@jordy_my) nitatitra fa hoe nentina tany amin'ny biraon'ny Ministeram-bahoaka :

Después de un altercado que terminó en agresión de la policía de tránsito, estamos en la agencia 45 de Álvaro Obregón. #fleshandconcrete [12]

Taorian'ny fifamaliana niafara tamin'ny fampiasan-kery nataon'ny polisy mpandamina fifamoivoizana, dia aty amin'ny birao faha 45 aty Álvaro Obregón izahay. #fleshandconcrete [12]…..
[21]

Sarin'ny asa fanamboarana ny Supervía, María Teresa Adalid (CC BY-NC-ND 2.0)

Nahatezitra ny sasany tamin'ireo mpampiasa twitter io tranga io, dia ireo nanontany tena ny amin'ny làlan-kevitra mirindran'ny governemanta izay “mandrisika” ny fampiasàna bisikilety, toa izay avoitran'i  Juan Pueblo [22] [es] (@ElcondeGiovanni) :

Congruencia y sentido común,se estimula uso de bicicleta en DF,pero no es correcto pedalear en vías rápidas y 2dos pisos #FleshandConcrete [19]

Làlan-kevitra mirindra sy fahatsapan'ny daholobe, amporisihana ny fampiasàna bisikilety ao an-tanànan'i Mexico, saingy kosa voarara ny fivoizana eny amin'ireo làla-malaky sy ny rihana faharoa #FleshandConcrete [19]

Ho an'i Kar [23](@Karkarkarrr) tsy izy mihitsy ny fihetsika nataon'ny polisy :

Tanta represión por parte del gobierno de@m_ebrard [24] es asquerosa e injusta. ¿Qué daño causamos? ¿Por qué detenernos?#fleshandconcrete [12]

Maharokoriko sy tsy rariny ny famoretana toy izany avy amin'ny governemantan'i @m_ebrard [24]. Fa inona no tsy mety nataonay? Nahoana izahay no tazonina?#fleshandconcrete [12]

Tsy mbola nanao fanambaràna mikasika io olana io  ny governemantan'ny tanàna, ary toa tsy miraharaha akory an'izany ny mpitarika ny governemantany Marcelo Ebrard [25] [es] (@m_ebrard) rehefa mandefa bitsika:

Las quinceañeras 2012 en el Auditorio Nacional , son 347

Ny fankalazàna ny faha-dimiambinifolo taona amin'ity 2012 ity ao amin'ny National Auditorium, mpandray anjara 347

Mbola hitohy hiteraka fifanakalozan-dresaka ireo zava-nitranga ireo, indrindra raha raisina ny hoe ora vitsy monja taorian'ilay fifandonana no tokony nanomboka ny fampielezan-kevitra ho an'ny fitantànana ny tanàna.