Tantara tamin'ny Avrily, 2012
Syria: Nanao “Fiaikena” Tamin'ny Fahitalavitra Ilay Mpikatroka Ali Mahmoud Othman
Nosamborina ilay mpaka sary sady mpikatroka Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny birao fampahalalam-baovao an'i Baba Amr ao Homs, tamin'ny 28 Martsa. Mihevitra ireo mpikatroka namany fa niaritra fampijaliana mafy izy hatramin'izay nisamborana azy izay. Nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handefa fandaharana momba ny resadresaka manokana hiarahana amin'i Othman izy amin'ny 25 Aprily. Tamin'ny fandaharana fampahafantarana...
Mpitsoa-ponenana: Media Sy Teknolojia An-tSerasera Hikarakaràna ny Mpitsoa-ponenana
Fikambanana roa samihafa no mifantoka amin'ny tombontsoa sy ny vokatsoa azo avy amin'ny fampiasana ny Media sy ny teknolojia an-tserasera ho entina manampy ny mpitsoa-ponenana hanatsara ny fiainany.
Tonizia: Gidraka Momba Ny Hoavin'ny Televizionam-Panjakana
Tonga amin'ny famaranana azy tamin'ny 25 Avrily teo ny fitokonana mipetraka naharitra valo herinandro teo ivelan'ny biraon'ny televizionam-panjakana tao Tonizia. Nodradradradrain'ny mpanao fihetsiketsehana ny “fanadiovana” azy
Teny: Ireo Feo Dizitalin'ny Bésiro (Chiquitano)
Vao haingana izay dia nanomboka tetikasa antsoina hoe Monkox Bésiro ny vondronà mpandalina ny teny any Santa Cruz, Bolivia ho fomba iray hamelomana indray ny teny Bésiro (Chiquitano) avy amin'ny alalan'ny fampiasàna ireo fitaovana mediam-bahoaka dizitaly. Ho fanampin'ny fanokafana kaonty Twitter sy Facebook hamporisihana ny fandraisana anjara manerana ireo vondrom-piarahamoniny, nampiasa podcasts am-peo izy ireo hizarany ny feon'ny tenin-drazany.
Tonizia: Niteraka Fitroarana Ny Fanorohana ny Tanan'ny Filoha
Fanafintohinana, fahatezerana, ary fahasosorana; izany no tsapan’ny mpiserasera Toniziana raha nahita ilay lahatsary tao amin’ny Youtube mampiseho lehilahy manoroka ny tananan’ny filoha Moncef Marzouki tamin’ny 26 Aprily. Ahitana an’i Marzouki mitsidika tampoka tsenam-bahoaka ny lahatsary. Raha vao niditra tao an-tsena izy, nihiaka ny sasany tamin’ireo olona tao hoe “Ho ela...
Manomana Ny Fihetsiketsehana Bersih 3.0 i Malezia
Nikarakara Bersih 3.0 Duduk Bantah (hetsika sit-in) ny hetsika ho amin’ny fanitsiana hisian'ny fifidianana (Madio) ny 28 aprily any Dataran Merdeka ao Malezia. Nahitana fitakiana telo ny hetsika. 1. The Election Commission must resign, as it has failed in its responsibility and has lost the confidence of the public. 2. The electoral process...
Meksika: Fanitsakitsahana Ny Zon'olombelona Sy Ny Fifidianana Filoham-pirenena
Mitantara ny toe-draharaha ao San Salvador Atenco sy Oaxaca, toerana roa ao Meksika izay nijaly noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny antoko politikan'ny fitondrana ny lahatsary fanadihadiana A Schizophrenic State notontosain'i Charlotte King, tafiditra amin'zany ny Governora izay manam-pikasana hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mampiseho ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Meksikana...
Nandao An'i Brezila Ilay Diplomaty Iraniana Voampanga Ho Nikitikitika Ankizy Vavy
Voampanga ho nikitikitika ireo ankizy vavy tsy ampy taona nilomano tao anaty dobo filomanosana ilay diplomaty Iraniana monina ao andrenivohitry Brezila, Brasilia, tamin'ny 14 Aprily 2012. Nataon'ny polisy famotorana ity tompon'andraikitra Iraniana ity noho ny fitarainana napetraky ny ray aman-drenin'ireo ankizy, nalefa nody avy hatrany anefa izy rehefa nanambara fa manan-jo tsy...
Shina: Fihetseham-po Manoloana Ny Fandraràna an'i Sola Aoi, Japoney Malaza Mpilalao Horonantsary Mamoafady
Sahiran-tsaina ireo mpiondana aterineto tamin'ny fandraràn'ny governemanta hanatsahatra ny fisehoan'ny kintan'ny horonantsary mamoafady Japoney, Sola Aoi amin'ireo fandaharana amin'ny fahitalavitra. Ho fanehoan"izy ireo ny fanohanany, nampiseho teny filamatra nandritra ny lalao baolina kitra iray tany Guangzhou izy ireo, izay nahasarika ny saina tokoa.
Brezila: Mpanao Gazety Sady Bilaogera Novonoina Tao São Luís, Maranhão
[Teny Portiogey avokoa ny rohy ankoatra izay lazaina manokana] Tifitra roa teo amin'ny lohany raha kely indrindra no namonoana ilay Brezilianina mpanao gazety sady bilaogera Décio Sá tamin'ny alin'ny alatsinainy 23 Avrily tao amin'ny trano fisotroana iray be olona indrindra ao an-tanànan'i São Luis, any avaratra atsinanan'ny fanjakana Maranhão. Manazava ny bilaogera...