- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

<< Nahazo >> Ny Tambajotra Sosialy Ny Zava-dozan'i Almansa

Sokajy: Espaina, Fiteny, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Ny 25 Aprily 2012, ny olona rehetra, tao amin'ny tambajotra sosialy sy teny an-dalambe, dia niresaka baolina kitra daholo : voahilika tamin'ny Ligue des Champions ny Barça. Ny olona rehetra hoe ? Ekena, ‘Valenciens’ vitsivitsy mpiondana aterineto no niresaka ihany koa ny tantara. Toy ny isan-taona, dia nahatsiaro ny namoizany an'ireo andrim-panjakana mahaleotena tao Valence tamin'ny 25 Avril 1707 ry zareo, mba hahafahany miaro ny fizakàn-tenany amin'izao fotoana. Tamin'ity taona ity, io fankalazana io dia tena natokana ho an'ny vahoaka, tsy nisy fankatoavana ofisialy [1] na kely aza [amin'ny teny catalan] : ireo Corts Valencianes [2], fehezin'ny Antokom-Bahoaka [3], dia nisafidy ny hanome voninahitra ireo Valenciens nandray anjara tamin'ny Cortes de Cadix [4] sy tamin'ny fanoratana ny Lalampanorenaa espaniola tamin'ny 1812 [5]. Ry zareo avy ao Valence, na lahy na vavy, izay maniry hankalaza ny 25 Aprily dia nanao izany imasom-bahoaka ny  Sabotsy 28, nandritra ny fihetsiketsehana efa lasa fomban-drazana ankehitriny sy ireo kaonseritra karakarain'ny fikambanan'olon-tsotra Action Culturelle du Pays Valencien [6] (ACPV) [amin'ny teny catalan]. Teo ampiandrasana dia nankalaza ilay hetsika ireo tambajotra sosialy.

Isaky ny 25 aprily, ny firenena Valencien dia mahatsiaro ny andro iray nanamarika ny zotram-piainany : ny faharesen'ireo andiany nentin'ny archiduc Charles d’Autriche [7] niatrika ny tafik'i Philippe d’Anjou [8] tamin'ny Fifandonana tao Almansa [9] ny 25 aprily 1707, tafiditra tao anatin'ny Ady ho Fakàna indray an'i Espana [10]. Ity Ady ho amin'ny Fakàna indray ity dia fifanolanana iraisam-pirenena naharitra ela, ka nandritra izany ireo tarika niraisan'ny frantsay sy ny espaniola dia niatrika ny tafika nitambatr'i Angletera, Portugal, ireo Faritany  Mitambatra sy Aotrisy (mba tsy hitanisàna afa-tsy ireo mpifanandrina goavana) mba hakàna ny satroboninahitra espaniola. Ary angamba noho izany no antony rehefa manazava ity ampahany amin'ny tantara ity amin'ny fomba fijery ankapobeny, dia matetika no tsy dia raharahaina loatra ny fiantraikany mavesa-danja hoan'ny Firenena Valencien, ireo Nosy Baléares ary ny Principauté de Catalogne. Mba hahatsapàna izany dia tsotra fotsiny, ampitahaina ireo fitantarana samihafan'ny tantaran'ny Fifandonana tao Almansa ao amin'ny Wikipédia [11], ohatra hoe ny fitantaran'ny Anglisy ampitahaina amin'ny an'ny catalane.

Ny bilaogy sasany, toy ny Hic Sunt Leones [rohy efa maty], dia manazava ireny tranga ara-tantara ireny :

La victòria de les tropes del Duc de Berwik, favorables a Felip d'Anjou, sobre l'exercit dels partidaris de l'Arxiduc Carles d'Àustria va marcar l'inici de l'ocupació borbònica del Regne de València i de la de la resta dels Països Catalans. Anys després, amb l'aplicació dels Decrets de Nova Planta i “por justo derecho de conquista”, els regnes de la Corona d'Aragó van veure suprimit el seu autogovern i les seues lleis i institucions van ser substituïdes per les de la Corona de Castella.

Ny fandresena azon'ny tariky ny Duc de Berwick [12], nanome tombony an'i Philippe d'Anjou, nanoloana ny tafika mpomba ny  Archiduc Charles d'Autriche, no nanamarika ny fanombohan'ny fanjanahana nataon'ny Bourbons [13] ny Fanjakan'i Valence sy ny ambiny teo amin'ny firenena Catalans . Fotoana fohy taty aoriana, tamin'ny fampiharana ny  Decrets de Nova Planta [14] sy ny “por justo derecho de conquista” [« zo fotsiny izao noho ny fananiham-bohitra », amin'ny teny espaniola], ny fanjakan'ny “Couronne d'Aragon” [15] dia niaina ny fanjavonan'ny fizakàn-tenany sy ny lalànan-dry zareo ary ireo andrim-panjakany izay nosoloina an'ireo avy any amin'ny “Couronne de Castille”.

Nanaraka ny faharesen'i Almansa ny maro hafa : ny 11 septambra 1714 (andro ankalazaina amin'ny fomba ofisialy ho Androm-Pirenena Ho An'i Catalogne) no lavo i Barcelone, ary ny  11 jolay 1715 i Majorque, Ibiza sy  Formentera. Ny fandresen'i Philippe V  dia nahafahany nipetraka ho ny mpanjaka voalohan'ny “dynastie des Bourbons” tany Espagne. Araka ny fomba fanao absolutisme [16] (tsy refesi-mandidy) napetraka tany Frantsa, dia nanomboka fanavaozana goavana sy ifotony tamin'ny fitantànana i Philippe V mba hampivangongoany ny fahefana.

Vao azony antoka tsara ny fandreseny, dia nambaran'i Philippe V ny Decrets de Nova Planta, izay nanafoana ny zo sy ireo andrim-panjakana nahalalàna ireo fanjakan'ny “Couronne d’Aragon”. Ireo Fors de Valence [17], ny rafitra mpanao lalàna sy politika tao Valence efa nisy nandritra ny taonjato efatra dia narodana avokoa, tahaka ny nanafoanana ireo rantsana ara-politika sy ara-tsosilay, tahaka ny “Corts” na ny Généralité [18] ( na ny Fitambaran'ireo andrim-panjakana rehetra tao Espagne, toy ny Filoha, ny Fitsarana, ny Governemanta…). Fomba fiteny malaza iray avy ao Valence no mampahatsiahy izany rehetra izany : « Raha avy ao Almansa ny loza no miainga, tratra daholo ny sisa rehetra ».

Ireo fisaintsainana, fitakiana sy fihetseham-pon'ny mpampiasa Twitter avy amin'ny firehana samihafa dia mitambatra eo ambanin'ny tenifototra  #25dAbril [19] sy #25Abril [20] [25 aprily] [amin'ny teny catalan, raha tsy misy fanamarihana mifanohitra] :

@ferran_campos [21] La història ens fa entendre el present i per això cal rememorar-la. Contra l'oblit, memòria i record. #25dabril [19] #1707 #PaísValencià

@ferran_campos [21] Mampianatra antsika hahatakatra ny anio ny tantara ary ho amin'izany no tokony hahatsiarovana azy. Hanoherana ny fanadinoana, ny tadidy sy ny tsiahy. #25dabril [19] #1707 #PaísValencià [Firenena “Valencien”]

@fraferfa [22] Bon dia! Fa 305 anys valencians i valencianes perdérem els nostres furs i amb ells la nostra sobirania. Recuperem-los! #25Abril

@fraferfa [22] Arahaba!  305 taona lasa izay, ry mponina eto Valence, lahy sy vavy, no namoizantsika ny “fors” antsika, ary niaraka taminy koa ny fiandrianam-pirenentsika. Ndeha halaina indray ireny! #25Abril

@ForcaJoves [23]#25dabril [19] Sentim-nos orgullosos de les nostres arrels, la nostra cultura i la nostra història com a poble. País Valencià. #ForçadelsJoves

@ForcaJoves [23]#25dabril [19] Aoka hirehareha amin'izay fototra niaviantsika isika, ny kolontsaintsika ary ny tantarantsika amin'ny maha-vahoaka antsika. ry Firenena Valencien. #ForçadelsJoves [Herin'ny Tanora]

@mirodavid [24] Avui #25abril [20] cal recordar que els valencians estem a punt de perdre la Generalitat per segona vegada.

@mirodavid [24] Androany #25abril [20] tsy maintsy tadidiantsika, terak'i Valence, fa an-dalam-pamoizana ny “Généralité” fanindroany indray isika izao.

@melderomerAV [25] “He juzgado conveniente abolir y derogar todos los fueros, privilegios, práctica y costumbre en los reinos de Aragón y Valencia” #25abril [20]

@melderomerAV [25] « Heveriko fa tsara ny hamotehana sy hanafoanana ny “fors” rehetra, ny tombontsoa manokana, ny fomba amam-panao ao anatin'ny fanjakan'ny Aragon sy  Valence » [amin'ny teny espaniola] #25abril [20]

@VicentFlor [26] Sabeu què us dic? Que no podran amb nosaltres! Ni Felip Vé, ni Joan Carles I ni els qui vindran! #25Abril [20]

@VicentFlor [26] Mba fantatrao va re izay zavatra ambarako anao e? Hoe tsy hahavita na inona na inona hanoherana antsika ry zareo ! Na i Philippe V na i Juan Carlos Ier na ireo izay mbola ho avy ! #25Abril [20]

@Feliuventura [27]#25Abril [20] 305 anys aguantant caçadors d'elefants.

@Feliuventura [27] #25Abril [20] 305 taona niaretana an'ireo mpihaza elefanta [28].

@trencalos [29] Tota política que no fem nosaltres serà feta contra nosaltres. #insubmissió #jonovullpagar #Fuster #25dabril [19]

@trencalos [29] Izay mety ho politika novolavolaintsika dia hiasa hanohitra antska ihany. #insubmissió [insoumission] #jonovullpagar [tsy te-handoa ny sandany aho] #Fuster [30] #25dabril [19]

Betsaka no hita tao amin'ny Facebook sy  Twitter raha ny sary malazan'i  Philippe V natsongoloka (mbola amin'izay endrika izay hatrany no anehoana an'ilay sary hosodoko ao amin'ny tranombakoka “Almodí de Xàtiva” [31], ho fahatsiarovana ny fahirano sy ny fahamaizan'ny tanàna tamin'ny 1707), tahaka ny naha-marobe ihany koa ny fanondroana ireo hira mampahatsiahy ilay vanin-tantara, fahiny na ankehitriny, toy ny  Cant dels Maulets [32] d’Al Tall [33] na Viure [34] d’Obrint Pas [35].

@vicarlos #25Abril Felip V tal i com està penjat en un museu de Xàtiva http://instagr.am/p/J0eirFJDpR [36]

@vicarlos #25Abril, i Philippe V tahaka izay anarantiana azy ao amin'ny tranombakoka  Xàtiva http://instagr.am/p/J0eirFJDpR [36]

@jvdasi 25 d'abril “… , els peixos en l'aigua i els amos al clot. I si no l'empara el Nostre Senyor, tallarem la cua a Felip de Borbó” #25abril

@jvdasi 25 d'abril « … , ny trondro anaty rano ary ireo tremalahy anaty lavaka. Ary raha tsy hiaro azy Ny Tompontsika, dia hotapahantsika ny rambon'ingahy Philippe de Bourbon » #25abril [teny notsongaina tao amin'ny  Cant dels Maulets [37]]

@Ingridlafita “Les velles cançons, les noves emocions, el #25abril construïm les il·lusions!” http://www.youtube.com/watch?v=VF_GzJIhSrY [34]

@Ingridlafita « Ireo kalon'ny fahiny, ireo fientanam-po vaovao, ny  #25abril ndeha isika hanangana fanantenana ! » http://www.youtube.com/watch?v=VF_GzJIhSrY [34]

Amin'ity taona ity, ny fotoana ifanomezana [38] [amin'ny teny catalan] mba hankalazana ny 25 Aprily eny an-dalamben'i Valence dia napetraka ho ny   28 Aprily amin'ny 6 ora hariva, Place Sant Agustí. Resahana ao amin'ny  Twitter eo ambany tenifototra #25dAbrilDiallibertats [39] [25 Aprily andron'ny fahafahana].