- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpitsoa-ponenana: Media Sy Teknolojia An-tSerasera Hikarakaràna ny Mpitsoa-ponenana

Sokajy: Afrika Mainty, Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Oganda, R.D. Kongo, Ady & Fifandirana, Fifindràmonina, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Teknolojia, Zon'olombelona

Fikambanana roa samihafa no mifantoka amin'ny tombontsoa sy ny vokatsoa azo avy amin'ny fampiasana ny Media sy ny teknolojia an-tserasera ho entina manampy ny mpitsoa-ponenana hanatsara ny fiainany. Ny voalohany, Refugees United [1], mampiasa ny antontan-kevitra azo idirana amin'ny alalan'ny finday entina mampivondrona ny mpitsoa-ponenana mitady ny fianakaviany ary ny faharoa, HKRefugeeInfoChannel [2], indray mampiasa ny fampahalalana ny lalàna sy ny fahasalamana amin'ny mpitsoa-ponenana ao Hong Kong through amin'ny alalan'ny lahatsary YouTube.

Nanomboka azy ho tetikasa fitaratra tany avaratr'i Ogandà ny Refugees United [1] ary efa miely any amin'ny firenena Afrikana hafa sy faritra hafa manerana izao tontolo izao ahitana voina voajanahary, gidragidra politika ary herisetra mety hiteraka fifindra-monina faobe ka mahatonga azy ireo ho tafasaraka amin'ny tapaka sy ny namana. Amin'ny alalan'ny antontan-kevitra tsy mitonona anarana no hananganan'ny mpitsoa-ponenana ny mombamomba ny fiainany amin'ny antsipirihany ahafantaran'ireo olom-pantatra akaiky miditra aterineto amin'ny alalan'ny solosaina na mampiasa finday [3] azy.

Mitantara ny tantaram-pandosirany sy ny fahaverezany ny mpitsoa-ponenana efatra, araka ny hita ao amin'ny Lost and Found [4], sy izany hoe ahoana moa ny fizotran'ny fiainany tsy mahalala ny momba ny tiany, eny fa na dia hoe maty sa velona fotsiny aza. Miezaka tokoa ny ONG isan-karazany teo aloha mba hampivondrona ny fianakaviana mpitsoa-ponenana, tsy mora ny mizara taratasy sora-tanana sy sary mitety sisintany iraisam-pirenena. Mitombo ny herijika ahafahana mampivondrona ny fianakaviana amin'ny fahafahana mametraka fitadiavana an-tserasera izay azon'ny fikambanana isan-karazany sy ny isam-batan'olona hanaovana fikarohana.

Any Korea, efa voaomana ao amin'ny lahatsary YouTube ny fantsona ahitana fiteny maro ho an'ny mpitsoa-ponenana hamaliana fanontaniana mahazatra momba ny lalàna, fahasalamana ary ny fanabeazana. Ohatra, ao amin'ny lahatsary iray, Mpampianatra lalàna avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong Kelly Loper no manazava ny mahasamihafa ny mpitsoa-ponenana sy ny mpitady fialokalofana.

Nefa ao amin'ity lahatsary ity no ahitana ny fomba tokony ataon'ny mpitsoa-ponenana mba hahazoany fikarakarana ara-pahasalamana:

Misy tantara fampivondronam-pianakaviana nahomby hita ao amin'ny bolongan-tantara, Refugees United mamaham-bolongana [5] ankohonana iray tafasaraha tany Kivu Atsimo noho ny herisetra nefa tsy mba manana ny findainy manokana misy aterineto izy ireo na tahirim-bola entina ampiasaina cybercafé, nefa afa-nampiasa rindrambaiko avy amin'ny fifandraisan'ny fokonolona izay nahafahana nahita ny mombamomba ny fianakaviana sy nahitany ny havany. Azonao arahina ihany koa ny firoboroboan'ny Refugees United amin'ny alalan'ny  takelaka Facebook an-dry zareo. [6]