Tonga amin'ny famaranana azy [1] tamin'ny 25 Avrily teo ny fitokonana mipetraka naharitra valo herinandro teo ivelan'ny biraon'ny televizionam-panjakana tao Tonizia. Nodradradradrain'ny mpanao fihetsiketsehana fa nanohana ny mpanao jadona voahongana Ben Ali ny televiziona Al Wataniya ka takiany ny “fanadiovana” azy. Nifanaraka ny hiala teo an-toerana ihany ny mpanao fihetsiketsehana rehefa nampanantena ny hisahana ity olan-dry zareo ity ny governemanta.
Lazain'ny mpitsikera, indrindra rehefa amin'ny fotoanan'ny vaovao be mpanaraka, fa manohitra ny Ennahda [2] antoko mitondra amin'izao fotoana izao ny ao amin'ny Al Wataniya. Voampanga ho manaratsy ny asan'ny governemanta ny orinasam-pampielezam-baovao. Nihanitombo sy nihahenjakenjana ny hetsika teo ivelan'ny Wataniya, izay ahitana mpanao fihetsiektsehana nitondra lamba famaohana sy tavoahangin-tsavony (eau de javel), mitaky ny “hanadio” ilay fampielezam-baovao, sy hanafika ny mpanao gazety [3].
Niteraka gidragidra [4] ny filazan'ny solontenan'ny Ennahda ny amin'ny mety hanomezana amin'ny tsy miankina ny televizionam-panjakana [5]. Niangaviana ny mpanao fihetsiketsehana ny hiala, ary nampanantena ny hamaly ny fitakiany ny governemanta, ka anisan'ny hojerena ihany koa ny resa-bola sy ny kolikoly ataon'ny mpitantana sy ny mpiasa tafiditra tamin'ny fanaovana fampielezan-kevitra an'i Ben Ali taloha.

Tranolay anoloan ny foiben ny televizionam-panjakana Toniziana. Saripika tuniculture.net (CC BY-NC-SA 3.0).
Nanontany ny fahombiazan'ny sit-in i Bilmirssad:
Niantso ny hanaovana fitsapana ny hevi-bahoaka manerana ny firenena ny governemanta rehefa nofaranan'ny mpanao fihetsiketsehana ny sit-in nataony. Misioka ny mpisera Twitter @tn_revo:
Misioka ny mpanolo-tsaina momba ny tetikady Selim Tanfous:
@Foustanovitch [9]: Sinon.personne ne trouve que la privatisation de la #TTN est une énième tentative de dérouter l opinon publique vers d autres occupations?
Mitsikera ny tsy fahafaham-pon'ny fitondrana amin'ny media i Mohamed Nidhal Bettaieb:
@NidhalBettaieb [11]: Sinon le #tnGov n'arrête pas d'insulter la #TTN , mais ne cesse d'être présent sur ses plateaux
Misioka i Mehdi Charfi:
@___mehdi [12]: bcp de bruit sur privatisation des medias publics.. je pense que meme pas en rêve, et ils le savent tres bien, c juste pour “faire peur”#TTN