- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Kolombia, Ady & Fifandirana, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Sarimihetsika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Vonjy Voina

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe  Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatera [1] dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia mitodika amin'ny asa fivarotan-tena ireo vehivavy maro sy ny zanany vavy.

Mitatitra ny toe-draharaha i Amy Brown [2] , mitafatafa amin'ireo vehivavy sy ireo fikambanana any amin'ny faritra. Ireo mitantara dia vehivavy izay nandositra an'i Kôlombia taorian'ny ady anaty akata mananontanona, efa im-betsaka namela ny asa fitadiavany sy ny fianakaviany ary tsy nitondra afa-tsy ny zanany sy fanànana kely. Tsy afaka miasa ara-dalàna ireo mpitsoa-ponenana mandra-pahazoan-dry zareo ‘visa’ fahazoan-dàlana, ary mety hahatratra 18 volana io dingana io sy mamela manokana “ireo vehivavy sy ankizivavy ho tandindonin-doza” araka izay asehon'ilay lahatsary.

Woman working at a bar in Ecuador. Screenshot from documentary. [1]

Vehivavy miasa aminà trano fisotroana iray ao Ekoatera. Sary nosintonina tamin'ilay fanadihadiana.

Anaty tranga maro, ny fangatahana karazan'asa kely ataon-dry zareo mba hahazoana vola hividianan-kanina, tahaka ny sasa lamba na fikarakarana sakafo dia voatsenan'ny tolotra hanao “mpandroso sakafo”, fomba hiantsoan'ny any an-toerana ny mpivaro-tena miasa any amin'ireo trano fisotroana sy tranon-dopy samihafa. Nisy niteny taminà renim-pianakaviana iray fa azony atao ny mandefa an-janany vavy manjakely hiasa any aminà tranon-dopy… mbola vao 13 taona monja ilay zazavavy tamin'izany.

Saingy ho an'ny maro amin'ireo vehivavy, aorian'ny telo hatramin'ny enim-bolana tsy nanànany asa, tsy nanànana tahiry sy tsy misy na inona na inona azo atao, ny fitodihana mankany amin'ny asa fivarotan-tena no hany safidy sisa tavela. Ary dia misy sy ampy tokoa ny mpanjifa : araka ny olona iray nohadihadiana ary nandinika akaiky ity trangan-javatra ity, ny fahatongavan'ireo orinasan-tsolika no nitondra ireo mpanjifa voalohany, ary mbola izy ireo hatrany no mpanjifa fototra amin'ity indostria tsy mitsaha-mitombo ity : any amin'ny faritany dia maro ireo trano fisotroana sy tranon-dopy miohatra amin'ny kianja filalaovana basket sy baolina fandàka.

Ity tsy fahampiana asa sy fahafaha-mihetsika eo amin'ny tanora ity no mahatonga ny tovovavy ho tandindonin-doza: rehefa tsy misy ny hatao, toa mora latsaka amin'ny asa tsy ara-dalàna ireo ankizy 11 sy 12 taona, ary raha ny trangan'ireo ankizivavy, dia ny asa fivarotan-tena sy  ny fivarotan'olona ho amin'ny filàna ara-nofo.

avy amin'ny The Latin Americanist [3]
Ny hajian-tsary dia sary nadika avy amin'ny lahatsarin'ny Hetsika VJ .