Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe  Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatera dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia mitodika amin'ny asa fivarotan-tena ireo vehivavy maro sy ny zanany vavy.

Mitatitra ny toe-draharaha i Amy Brown , mitafatafa amin'ireo vehivavy sy ireo fikambanana any amin'ny faritra. Ireo mitantara dia vehivavy izay nandositra an'i Kôlombia taorian'ny ady anaty akata mananontanona, efa im-betsaka namela ny asa fitadiavany sy ny fianakaviany ary tsy nitondra afa-tsy ny zanany sy fanànana kely. Tsy afaka miasa ara-dalàna ireo mpitsoa-ponenana mandra-pahazoan-dry zareo ‘visa’ fahazoan-dàlana, ary mety hahatratra 18 volana io dingana io sy mamela manokana “ireo vehivavy sy ankizivavy ho tandindonin-doza” araka izay asehon'ilay lahatsary.

Woman working at a bar in Ecuador. Screenshot from documentary.

Vehivavy miasa aminà trano fisotroana iray ao Ekoatera. Sary nosintonina tamin'ilay fanadihadiana.

Anaty tranga maro, ny fangatahana karazan'asa kely ataon-dry zareo mba hahazoana vola hividianan-kanina, tahaka ny sasa lamba na fikarakarana sakafo dia voatsenan'ny tolotra hanao “mpandroso sakafo”, fomba hiantsoan'ny any an-toerana ny mpivaro-tena miasa any amin'ireo trano fisotroana sy tranon-dopy samihafa. Nisy niteny taminà renim-pianakaviana iray fa azony atao ny mandefa an-janany vavy manjakely hiasa any aminà tranon-dopy… mbola vao 13 taona monja ilay zazavavy tamin'izany.

Saingy ho an'ny maro amin'ireo vehivavy, aorian'ny telo hatramin'ny enim-bolana tsy nanànany asa, tsy nanànana tahiry sy tsy misy na inona na inona azo atao, ny fitodihana mankany amin'ny asa fivarotan-tena no hany safidy sisa tavela. Ary dia misy sy ampy tokoa ny mpanjifa : araka ny olona iray nohadihadiana ary nandinika akaiky ity trangan-javatra ity, ny fahatongavan'ireo orinasan-tsolika no nitondra ireo mpanjifa voalohany, ary mbola izy ireo hatrany no mpanjifa fototra amin'ity indostria tsy mitsaha-mitombo ity : any amin'ny faritany dia maro ireo trano fisotroana sy tranon-dopy miohatra amin'ny kianja filalaovana basket sy baolina fandàka.

Ity tsy fahampiana asa sy fahafaha-mihetsika eo amin'ny tanora ity no mahatonga ny tovovavy ho tandindonin-doza: rehefa tsy misy ny hatao, toa mora latsaka amin'ny asa tsy ara-dalàna ireo ankizy 11 sy 12 taona, ary raha ny trangan'ireo ankizivavy, dia ny asa fivarotan-tena sy  ny fivarotan'olona ho amin'ny filàna ara-nofo.

Ny hajian-tsary dia sary nadika avy amin'ny lahatsarin'ny Hetsika VJ .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.