[Teny Portiogey avokoa ny rohy ankoatra izay lazaina manokana]
Tifitra roa teo amin'ny lohany raha kely indrindra no namonoana ilay Brezilianina mpanao gazety sady bilaogera Décio Sá tamin'ny alin'ny alatsinainy 23 Avrily tao amin'ny trano fisotroana iray be olona indrindra ao an-tanànan'i São Luis, any avaratra atsinanan'ny fanjakana Maranhão. Manazava ny bilaogera Candido Cunha:
Segundo testemunhas, ele estava sentado quando um homem caminhando apontou uma arma e atirou duas vezes contra a cabeça do jornalista, que morreu na hora. Depois, o matador saiu caminhando e fugiu.
Ary nampiany hoe:
Décio Sá era repórter do jornal O Estado do Maranhão. No seu blog pessoal, colecionava milhares de acessos e algumas polêmicas pelo estilo crítico dos seus textos e dos assuntos que explorava. Ele dedicava o trabalho a cobrir a política do Maranhão e seu blog era o mais acessado no estado.
Samihafa ny lazain'ny loharanom-baovao, misy miteny fa voatifitra in-droa izy, ny hafa miteny fa voatifitra in-telo izy ary misy hatramin'ny tifitra enina, efatra teo amin'ny lohany ary roa eo amin'ny lamosiny.
Tao amin'ny Avenida Litorânea (Lalambe Amorontsiraka), iray amin'ny lalana manana ny lanjany sy be mpivezivezy indrindra ao an-tanànan'i São Luis, izy araka izay velabelarin'ny mpamahana bolongana sady mpanao gazety Rogério Tomaz Jr, azy ao amin'ny Twitter:
@rogeriotomazjr: Litorânea é um dos principais espaços de lazer de São Luís. (em tese) Há viaturas da polícia circulando o tempo todo! Execução lá é surreal!
Efa manahirana ihany ilay famonoana, misy ambadika politika miharihary, natao tany amin'ny toerana be olona hoy ny manamboninahitra polisy Caetano Pacheco. Na izany aza, hita mirona amin'ny fifandraisan'i Décio Sá amin'ny fianakaviana Sarney, izay nitondra ampolony taona, ny adihevitra an-tserasera. José Sarney [en], loham-pianakaviana no filohan'ny Antenimieran-doholona, ao Brasília, ary ny zanany vavy, Roseana Sarney [en], no governoran'i Maranhão.
Mampahatsiahy ny mpisera Twitter Arthur Santos avy ao São Luis:
@arthurxside: nesse ponto é importante lembrar que Décio Sá era profundamente ligado à família Sarney.
Na dia sarotra aza ny mino fa mety ho nisy fifandraisana tamin'ny fahafatesan'i Décio Sá ny fianakaviana , namelatra petrakevitra mahasolo nalefany Twitter.
Niasa tao amin'ny gazety Décio worked for O Estado avy ao amin'ny Vondrona Mirante – orinasam-pampitambaovao ahitana radio sy fahitalavitra anatin'ny vondrona Globo [en] izay ny fianakaviana Sarney no tompony i Décio. Mamahana ao amin'ny Blog do Décio izy ary mamely hatrany ny mpanao politika manana ny tanjany ao amin'ny fanjakana misy azy.
Nanampy i Rogério Tomaz Jr:
@rogeriotomazjr: Crime organizado do Maranhão, que deve a Sarney sua perpetuação há décadas, faz mais uma vítima. Desta vez, um jornalista.
Niteny ny mpahay tantara avy ao Maranhão, Wagner Cabral (@wagner_cabral), fa “efa mahazatra ao Maranhão ny herisetra sy ny famonoana ny mpiasa tambanivohitra… sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona” ary nampiany:
@wagner_cabral: Agora a violência alcança novo patamar quando blogueiro ligado à oligarquia é assassinado na capital… a sensibilidade da sociedade explode
@wagner_cabral: Ankehitriny, tafakatra dingana vaovao ny herisetra rehefa bilaogera manana fifandraisana amin'ny olombitsy mitantana no misy mamono eto an-drenivohitra … mipoaka ny faharangitan'ny fiaraha-monina
Namoaka nysarin'ny vata-mangatsiakan'i Decio tao amin'ny Twitter sy tao amin'ny bolongana vantany vao nisy ny famonoana ny mpanao gazety Ricardo Noblat, ary nanao izany ihany koa tamin'io sary io ihany ny vondrona Mirante, izay namoaka ny sary ahitana ny vata mangatsiakany eo amin'ny takelaka fandraisana [renim-pejy]. Niteraka tsikera azo lazaina ho mavesatra ao amin'ny aterineto ny nametrahana ny sarina vata-mangatsiakan'ny mpanao gazety eo amin'ny renim-pejin'ny vohikala na bolongana.
Nihantsy an'i Noblat ny mpanao gazety Rogério Tomaz Jr “hanome antony TOKANA maharesy lahatra ny fametrahana sarin'ny maty novonoina amin'ny bolongana” ary niangavy ny fianakavian'i Décio hitory azy.
Araka ny ny kaonty Twitter an'i Noblat, 40 ny calibre ny basy nampiasaina tamin'ny famonoana izay ny polisy irery ihany no manana azy.
Apetraky ny ONG Iraisampirenena Reporters Sans Frontieres eo amin'ny laharana faha-99 i Brezila eo amin'ny fahalalahana manao gazety