- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sina: Fanandramana Ny “Fanapahana Vonjimaika” ny World Wide Web?

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

Nanjary “intranet” ny aterineton'i Sina nandritra ny adiny roa teo ho eo ny 12 Aprily. Tsy afaka niditra tamin'ny World Wide Web (WWW) ny mpampiasa aterineto rehetra tany Sina ka tsy afaka nifandray tamin'ireo vohikalan-tambajotra sosialy sy mailaka rehetra tany ivelany. Mino ireo mpampiasa aterineto fa fanandramana ny sivana aterineto ho an'ny “Fanapahana vonjimaika”.

Araka ny tatitra tany toerana [1] [zh], izany olana tsy nahafahana nifandray tamin'ny ivelany izany dia nanomboka tamin'ny 10:40 maraina hatramin'ny 12:20 antoandro ka tsy afaka niditra tamin'ireo vohikala malaza tahaka ny MSN, Gmail ary App Store  ireo mpampiasa aterineto nandritra izany fotoana izany. Tetsy ankilany, ny mpampiasa aterineto avy any ivelany koa tsy afaka niditra tamin'ireo vohikala Sinoa. Tamin'ny voalohany aloha dia nihevitra ny mpampiasa aterineto fa avy amin'ny foto-drafitrasam-pifandraisana sinoa ny olana, noho ireo horohorontany farany teo tany Azia Atsimo. Nefa ireo orinasam-pifandraisana China Telecom [2] sy China Unicom [3] dia samy nandà fa tsy olana eo amin'ny fotodrafitrasa no mahatonga ny tambajotra tsy handeha. Noho izany dia nilaza ireo manampahaizana teny an-toerana fa olana eo amin'ny rindrambaiko izany.

Mbola tsy nisy fanazavàna ofisialy avy amin'ny governemanta momba ny olana tamin'ny fifandraisana. C. Custer avy amin'ny Techasia dia mino fa ny nitranga dia:

fanandramana ny “fanapahana vonjimaika” vaovao ataon'ny governemanta izay ahafahany manakana eo noho eo ny fidirana amin'ny vohikala vahiny sy hanakorontana ny fampiasana VPN izay nahafahana niala ny rafi-panivanana Sinoa teo aloha. Ny tsy nanakanana ireo mpamatsy VPN madinika sy ny nahafahany nanohy niasa dia midika fa ireo VPN lehibe no tena nokendrena, satria ny fanapahana fifandraisana eo amin'ny fotodrafitrasa Sinoa sy izao tontolo izao dia hanakana ny fampiasàna VPN rehetra, fa tsy ireo tolotra VPN malaza ihany akory.

Noho ireo krizy faramparany tamin'ny fitondràna Sinoa sy ny kongresin'ny Antoko ho avy tsy ho ela, izay hanapahana hoe iza no hitondra ny firenena mandritra ireo taona manaraka, tsy mahagaga ihany raha toa ny governemanta ka liana amin'ny bokotra fanapahana vonjimaika raha sendra ka tsy voafehy intsony ny toe-draharaha.

Ao amin'ny Sina Weibo, misy adihevitra maromaro momba izany vaovao izany ary maro no manaiky ilay resaka fanandramana “fanapahana vonjimaika” [4] [zh]:

@破破的桥:怀疑是在测试和升级盾。其实已经测试一个多月了,其它地方我不知道,但海外有些ip段(包括我所在的comcast network)访问中国频繁断网,这肯定不是硬件问题了。

@破破的桥: Angamba dia fanandramana sy fanatsaràna ny Arovolamena io. Naharitra maherin'ny volana iray izany fanandramana izany. Raha ny fahafantarako azy dia nosakanana ireo IP log avy any ivelany (tahaka ny tambajotra comcast). Tsy avy amin'ny fitaovana ny olana.

BlueskyTang: 全国营运商网络都处于可监控、可管理中,通断随领导层意愿可任意实现

BlueskyTang: Voaara-maso sy voafehy avokoa ireo Mpamatsy Aterineto  rehetra. Afaka manapaka ny aterineto izao ireo mpitondra.

Feelyoo: 向伊朗学习。。。

Feelyoo: Nianatra an'i Iran….

文森王:未出现故障,只是在进行中国局域网测试

文森王:tsy misy olana ny fotodrafitrasa, mandalo fanandramana “intranet” fotsiny.

(Sary famantarana avy amin'ny Setyoufreenews [5].)