- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fomba Ahoana No Tokony Hitantanantsika Ny Aterineto? Vovonana Manerantanin'ny INET 2012

Sokajy: Eoropa Andrefana, Soisa, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava

[Rohy amin'ny teny Anglisy] Ny vovonana  Global INET 2012 [1] dia vovonana iraisam-pirenena tatain'ny telo andro, ka mandritra izany no hankalazana ny faha-roapolo taonan'ny Internet Society [2]. Ilay sehatra fifanakalozan-dresaka dia hatao ny 22 hatramin'ny 24 Aprily 2012 ao Genève, any  Suisse. Ny fandaharam-potoanan'ilay vovonana [3] dia ahitàna resaka an-databatra boribory sy fidirana an-tsehatr'ireo manampahaizana amin'ny Aterineto (teknika, politika) ary mpikaroka hafa momba ny resaka fototra mahakasika ny fahasalamana sy ny fahaveloman'ny Aterineto.

Ankoatra izany, atrikasa telo no hatolotra hifanindran-dàlana amin'ireo, mitodika manokana amin'ny lohahevitra fototra toy ny fiainana manokana, ny tsy fiandanian'ny Net, ny IPv6, ny fiarovana, ny amin'ireo votoaty niomerika sy ny zava-baovao, ny zon'olombelona sy ny fahalalahana maneho hevitra, ankoatra ireo olana maro hafa hanana ny fiantraikany eo amin'ny fahamarinan-toerana sy ny firoboroboana ary ny fivelaran'ny Aterineto manerana izao tontolo izao.

Indreto ny fahana telo avy amin'ireo fihaonana. Ity ambany ity, ny fahan'ny fantsona  Chaine 1 [4], sy ny rohy avy amin'ny  Chaine 2 [5] ary ny an'ny  Chaine 3 [6]. Ny fandraketana an-dahatsary dia ho azo aorian'ny fikatonan'ny fifanakalozan-dresaka ao amin'ireo fantsona telo ireo.

Jereo ny fampitana mivantana an-tsary [7] avy amin'ny  inet1 [8] ao amin'ny livestream.com

Ireo olona manaraka ny tranonkalanay Advocacy ary liana amin'ireo resaka ireo dia afaka manaraka ireo tenifototra manaraka ireto. #INETgov [9]#INETeco [10] sy #INETlaw [9].

Global INET Title 851 X 315 [11]