- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Alika Fitaiza Notazonin'ny Mpitandro Filaminana Indray

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
[1]

Alika nosamborin'ireo mpitandro filaminana tao  Tehran. Sary avy amin'ny Iranspca.com, nahazoana alàlana…..

Nosamborin'ny mpitandro filaminana indray daholo ireo alika fitaiza tao Tehran, Iran, ary zavatra efa hita ny toy izao tamin'ny hetsika ny taona  2007 sy 2011 [2]. Tsy mampino nefa nisy. Ny Fikambanana Iraniana Manohitra ny Fanaovana Herisetra amin'ny Biby dia mitatitra [3] [fa] fa  alika manodidina ny 20 teo tamin'ny herinandro lasa no nosamborina tao amin'ny kianjan'i Pardisan rehefa nentin'ny tompony mba niasa dia teny. Nentina nankany amina ivontoerana iray izy ireny, nedha hoantsointsika hoe fonja. Hatreto dia tsy vitan'ireo tompony ireo ny nanao izay hamotsorana ny bibiny. Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho ireo biby sahiran-tsaina mihidy anaty karakara vy. Toa tahaka ny hoe fahavalon'ny Repoblika Islamika ireo “namana mahatoky ny olombelona”.

Raisin'ny Repoblika Ismalika ho manohitra ny maha Islamika ny alika fitaiza, saingy noleferiny hatrizay. Mety ho mahatonga izany ny hoe satria ny ankamaroan'ireo olona tia alika dia ry zareo tanora Iraniana an-tanan-dehibe sy nahita fianarana, mety hitondra tsy hafaliana misimisy kokoa indray avy amin'ireo manampahefana ny alika.