- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sénégal : #Sunu2012, Fomba Iray Hitan'ny Afrikana Hanaraha-maso Ny Fifidianana

Sokajy: Afrika Mainty, Senegal, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

Ny harivan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenana senegaly, tamin'ny 9 ora alina i Pape Alé Niang mpanao gazetin'ny 2stv [1] dia efa afaka nanome sahady ny « fironana mavesatra avy amin'ireo vokatra, milaza fa sarotra da sarotra ho an'ny filoha teo aloha Wade ny ho afaka hiteny zavatra mifanohitra amin'izay misy [2] ».

Ireo vokatra sy vinavinan'ny #Sunu2012 no navoakan'ny fahitalavitra senegaly ary avy amin'izy ireny no azo antoka fa nahafahana voalohany indrindra namoaka vokatra dieny vao tamin'ny 9 ora alina fotsiny teto Afrika.

Andro vitsy taty aoriana, Pape Alé Niang, tao anatin'ny fandaharany CA ME DIT MAG, dia niteny fa izao zavatra sambany dia sambany izao no tanteraka dia noho ny asan'ny Sunu2012 ary nampakatra an-tsehatra mpikambana roa avy amin'ilay tarika [3]: Pape Ousmane Ngom (@Paouz [4] ao amin'ny Twitter) sy AmyJane Diop [5] (@aamyjane [6] ao amin'ny Twitter) mba ho fanomezam-boninahitra azy ireo eo imason'ny rehetra satria, hoy izy, nanindry mafy : ” tahaka izay isehoany any amin'ny demaokrasian'ireo tany mandroso dia vitany ny nanambara ny fandresen'i Macky Sall vao vantany tamin'ny 9H00 alina.”

Manana mponina 12,6 tapitrisa i Sénégal ary miisa eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny mpampiasa aterineto : 620.000 ny kaonty Facebook, araka ny tranonkala fakàn-kevitra Internetworldstats [7].

Sunu2012 [8] dia tetikasa iray nosainina sy novokarn'i Cheikh Fall [9] (30 taona, lehibenà tetikasa web, bilaogera sy @cypher007 [10] ao amin'ny Twitter) tamin'ny 2008 ary nasehony ho fanta-bahoaka voalohany indrindra tamin'ny Barcamp Gorée (Sénégal) ny taona 2010 [11].

Ny tariky ny SUNU2012. Sary nampitain'ilay fikambanana miaraka amin'ny fanomezan-dàlany

Cheik Fall dia nanolotra ilay tetikasa tao anaty tafatafa iray nataony ho an'ny CESTI [12] (Sekoly fanofanana ho mpanao gazety, miankina amin'ny Anjerimanontolo ao Dakar).

Andriamatoa Fall, inona moa ny sunu2012 ?

Araka ny ambaran'ny anarany, ny sunu dia midika hoe « antsika» [amin'ny teny Wolof [13]]. Izany hoe « ny 2012-ntsika », mba hanehoana ny maha-manana ny lanjany an'ity taona ity ho an'ny Senegaly rehetra. … Tamin'ity taona ity dia sambany izahay nanana andiam-pilatsaka hofidiana niisa teloambinifolo (13) [14] ary samy nilaza daholo hoe : tsy ekena ny firotsahan'ny filoha avy nahavita ny asany, izay tsy iza fa  Abdoulaye Wade [15]. … Sunu2012 dia hahafahan'ny Senegaly rehetra mampita sy mandray vaovao.

Manoratra i Yves Monteil ao anatin'ny « Ny leson'ny Demaokrasia avy amin'ny tontolon'ny bilaogy senegaly [16]» :

Fomba iray vaovao ahazoana manao politika manoloana ireo antoko politika… Porofo iray vaovao koa handàvana hatrany ifotony ny tetikady politika. Ny fahaterahan'ireny hetsika ataon'olon-tsotra ireny ao amin'ny Facebook dia mety hitondra tsara mihitsy rivo-baovaon'ny fahamatorana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra eo anivon'ny tanora senegaly. … #Sunu2012 [17] no mampiseho ho hita vatana ireo sampana samihafa tsimandrimandry tsy niato ; tao amin'ny Twitter [17], Facebook [18], nefa koa tany anaty bilaogy [8] izay avy amin'olon-tsotra sy mirotsaka 100 % miantoka fandrakofana ara-baovao tsy mbola nisy toa azy. #sunu2012 dia fantson-dahatsary ao amin'ny YouTube [19] ihany koa, fifandrohizana any amin'ny sehatra fampitam-baovao samihafa sy bilaoginà mpanao gazety any.

Ny vaovao rehetra mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenana dia hita ao amin'io fahana vaovao io avokoa, na izany fandefasana bitsika mivantana ireny fihetsiketsehana ireny, ny fanehoan-kevitra momba ny fandaharanasan'ireo mpirotsaka…

… Afaka nahatsikaritra izahay tamin'ny fankatoavana ny firotsahan'i Wade fa ny media sosialy sasany dia diso tamin'ny fampitàna ny vaovao teo amin'ny fanazavany fa hoe ireo fihetsiketsehana dia teraka avy amin'ny fandàvana ny firotsahan-kofidian'i Youssou N'Dour [20]. Tamin'ny alàlan'ny rohy sunu2012 no nahitsy io vaovao diso io. Ohatra iray hafa ny niarahana tamin'i Cheick Fall izay nahatsikaritra tsy fetezana tao amin'ny tranonkala election2012.sn [21] sy nahafahany nanitsy io hadisoana io taty aoriana tamin'ny famoahana lahatsoratra tamin'ny fahan'ny sunu2012.

Tantarain'i Cheikh Fall ny fomba nizoran'ny androm-pifdianana  [22]:

Tonga vao maraina teny amin'ireo biraom-pifidianana mba ho loha-laharana amin'ny fananganana vaovao maro araka izay tratra mialohan'ny maha-betsaka ny olona. Finday iray no entina na fitaovana fakàna sary mba hahafahana mandefa ny vaovao amin'ny fotoana itrangany, hanamarinana raha samy nanana ny vatom-pifidianana amin'ny anarany avy ny mpirotsaka tsirairay isaky ny birao, manamarina raha ao tsara daholo ny fitaovana rehetra natao hifidianana (ny efitrano kely itokanana, ny vata, ny ranomainty tsy mora fafàna), mibitsika sy mampahafantatra amin'ny alàlan'ny tenifototra #sunu2012, mifantoka koa amin'ireo biraom-pifidianana manodidina eo ary farany, ny tena lehibe indrindra, ny mamantatra ny toerana misy ny tena (se géolocaliser) mba hahafahana mikisaka raha sendra misy mampiahiahy.

Ny tariky ny  #sunu2012 dia nahay niankina tamin'ny fanetsehana ireo “E-observateurs”, na mpanara-maso ara-eletronika an-jatony izay nanolo-tena mba ho mpampita avy any amin'ireo birao fandatsaham-bato sy indrindra indrindra fa avy amin'ireo birao fandatsaham-bato samihafa natao ho fitaratra. Ireto farany no nahafahan'ny tariky ny sunu2012 hoe vao tamin'ny 8h30 monja dia namoaka ny fironana mavesatra izay nanosika ny filoha teo aloha hiantso an-telefaonina ny mpifanandrina taminy izay nipetraka ho amin'ny toeran'ny mpandresy.

LAHATSARY tao amin'ny QG an'ny Sunu 2012 ny alin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianna izay ho filoha. [23]

Nisy ihany tetikasa hafa momba ny hafanam-po an-tserasera izay nofaritan'i Cheikh Fall ao anatin'ny La « Soft révolution » sénégalaise définitivement réussie [24], toy ny  senrevolution [25] na Samabaat [26] (midika hoe ny feoko amin'ny fiteny Wolof).

Ilay bilaogera Dom B. manoratra hoe [27] :

Manomboka etoana, dia tsy maintsy hiantehitra amin'ny Twitter, sy Facebook rehefa fifidianana, eto Sénégal sy any rehetra any manerana an'i Afrika, ary any an-kafa koa. Ireo filoha efa diso antitra loatra tsy manaiky handao ny fitondrana dia ho be olana ho atrehana manomboka izao.

Toy ny ako iray ho an'i Cheikh Fall izay niteny tsy ela akory hoe ( nampitaina tamin'ny alàlan'ny mailaka):

Izany no tena manosika ahy indrindra mba hiroso amin'ny fanoratana boky hifehezana tsara ilay hevitra sy ilay tetikasa mba ho an'ny firenena hafa.