- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Ny Fiaran'i Ahmadinejad Nitsambikinana Vehivavy Sy Ilay Zokiolona Noana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Vehivavy sy Miralenta

Niteraka sahotaka tokoa ny lahatsary iray nampiseho tovovavy nitsambikina teo ambonin'ny fiaran'ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny fotoana nitsidihany ny tanànan'i Bandar-Abbass (faritra atsimon'i Iran) tamin'ny 10 Avrily 2012.

Feno mpitazana manodidina ny fiara izay nifampiresahan'ilay tovovavy vetivety tamin'ny filoha. Mandritra izany fotoana izany, misy lahiantitra iray miezaka ny manatona an'Ahmadinejad. Mitabataba izy hoe, “Ahmadinejad, Noana aho! Ahmadinejad, noana aho!” Miezaka ny mitsiky sy manofahofa tanana i Ahmadinejad izay mitsangana anaty fiara tazamaso hatreo amin'ny tratrany amin'ny tafon'ny fiara.

Mahavariana, fa raha miresaka momba ilay tovovavy [1] ny ankamaroan'ny haino aman-jery tandrefana, nifantoka tany amin'ilay lahiantitra kosa ny mason'ny mpamahana bolongana Iraniana.

Karansadr niteny [2] [fa]:

Io lahiantitra mihiaka hoe “Noana aho, efa retirety aho” no mampiseho fa lainga ny fampanantenan'i Ahmadinejad rehetra. Tsaroanay hatrany ny fotoana nilazany fa Iran irery no firenena tsy misy hanoanana.

Babak Dad manoratra [3] [fa]:

Indray andro any, hanontany antsika ireny olona ireny, “Ahoana no nataonareo rehefa niady tamin'ny hanoanana isika?” Manana ny valiny ve isika? Misalasala aho an.