Natao fandidiana ny Mpanjaka Juan Carlos tamin'ny 14 Aprily lasa teo satria tapaka andilana noho ny fianjerana nahazo azy nandritra ny fihazany elefanta tany Botswana, ao Afrika [1]. Nanambara izany voina izany ny solontenan'ny fianakavian'ny mpanjaka rehefa vita soa aman-tsara ny fandidiana natao tamin'ny mpanjaka ary mbola tsaboina an-kahamehana ao amin'ny hopitaly USP San José izy.
Niparitaka haingana tao amin'ny aterineto ny vaovao — toy ny tantara taloha no nandrenesana azy, izay nahitana mpanjaka niaina am-pahasambarana ary nandeha nihaza elefanta, ka mandritra izany fotoana izany, niasa an-kafaliana tahaka ny mahazatra tao amin'ny fanjakany ny olony. Nivadika anefa izany, tamin'ny taonjato faha-21, niova tanteraka ny zava-misy. Mbola eo ny mpanjaka ary nandeha nihaza elefanta tany Bostwana, kanefa tao anatin'izany, mijaly noho ny fampihenana ny tetibola natokana ho an'ny sosialy ny olom-pireneny, fijaliana izay mbola tsy nisy teo aloha nandritra ny tantaran'ny demokrasia , maherin'ny 5 tapitrisa ny olona tsy an'asa, ary maherin'ny 50% ny tahan'ny tsy fananan'asa eo amin'ny tanora.
Mitentina 37,000€ ny vola lany nandritra ny dian'ny mpanjaka, ka nampitombo hatrany ny hetsi-panoherana tao amin'ny aterineto, tahaka ny taratasy avy amin'ny WWF Espaina (fikambanana miaro ny tontolo iainana) mangataka fihaonana amin'ny fianakavian'ny mpanjaka [2]:
Este desafortunado acontecimiento es mundialmente conocido en estos momentos y estamos recibiendo incontables muestras de enérgica protesta, lo cual implica un grave perjuicio para la credibilidad de WWF y de la intensa labor que ha desarrollado durante más de cincuenta años para la protección de los elefantes y de otras especies.
Tao amin'ny bilaogin'ny “Principia Marsupia”, mpanao fikarohana Alberto Sicilia nanoratra “Taratasy amin'ny maha mpanao fikarohana -fizika fampiharana- azy misokatra ho an'ny mpanjaka King Juan Carlos [3]“:
Regresé a un país donde el Jefe del Estado se opera de prótesis de cadera en una clínica privada, mientras miles de compatriotas esperan meses para la misma intervención. Regresé a un país donde el Jefe del Estado se va de vacaciones en jet privado mientras se fulminan las ayudas a las personas dependientes.
Nangotraka avy hatrany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny tambajotra-sosialy:
@DRYburgos [4]: Millones de parados, centenares de desahucios cada día… y el Rey cazando elefantes en Botswana?? Esto es intolerable!
@GLlamazares [5]: De tal palo tal astilla. El monarca se fractura la cadera cazando elefantes y su nieto se dispara en el pie.
@democraciareal [6]: Mientras unos sufrimos duros recortes en Sanidad y Educación, otros derrochan miles de euros de dinero público matando elefantes en África
Ity lahatsary avy amin'i n Safaris [7], orinasa nikarakara sy nanohana ny diany tamin'ny fizahana elefanta tao Afrika. (Fanamarihana: lahatsary mampihorokoditra.)
Efa nivoaka ny hopitaly ny mpanjaka tamin'ny 18 Aprily, ary hoy izy nanao fanambarana tao amin'ny gazety: “Manantena aho fa handray ny andraikitro amin'ny antsakany sy andavany amin'izay ary maneho fialan-tsiny indrindra aho. Nanao fahadisoana aho ary tsy haveriko intsony izany [8].