Natao fandidiana ny Mpanjaka Juan Carlos tamin'ny 14 Aprily lasa teo satria tapaka andilana noho ny fianjerana nahazo azy nandritra ny fihazany elefanta tany Botswana, ao Afrika. Nanambara izany voina izany ny solontenan'ny fianakavian'ny mpanjaka rehefa vita soa aman-tsara ny fandidiana natao tamin'ny mpanjaka ary mbola tsaboina an-kahamehana ao amin'ny hopitaly USP San José izy.
Niparitaka haingana tao amin'ny aterineto ny vaovao — toy ny tantara taloha no nandrenesana azy, izay nahitana mpanjaka niaina am-pahasambarana ary nandeha nihaza elefanta, ka mandritra izany fotoana izany, niasa an-kafaliana tahaka ny mahazatra tao amin'ny fanjakany ny olony. Nivadika anefa izany, tamin'ny taonjato faha-21, niova tanteraka ny zava-misy. Mbola eo ny mpanjaka ary nandeha nihaza elefanta tany Bostwana, kanefa tao anatin'izany, mijaly noho ny fampihenana ny tetibola natokana ho an'ny sosialy ny olom-pireneny, fijaliana izay mbola tsy nisy teo aloha nandritra ny tantaran'ny demokrasia , maherin'ny 5 tapitrisa ny olona tsy an'asa, ary maherin'ny 50% ny tahan'ny tsy fananan'asa eo amin'ny tanora.
Mitentina 37,000€ ny vola lany nandritra ny dian'ny mpanjaka, ka nampitombo hatrany ny hetsi-panoherana tao amin'ny aterineto, tahaka ny taratasy avy amin'ny WWF Espaina (fikambanana miaro ny tontolo iainana) mangataka fihaonana amin'ny fianakavian'ny mpanjaka:
Este desafortunado acontecimiento es mundialmente conocido en estos momentos y estamos recibiendo incontables muestras de enérgica protesta, lo cual implica un grave perjuicio para la credibilidad de WWF y de la intensa labor que ha desarrollado durante más de cincuenta años para la protección de los elefantes y de otras especies.
Tao amin'ny bilaogin'ny “Principia Marsupia”, mpanao fikarohana Alberto Sicilia nanoratra “Taratasy amin'ny maha mpanao fikarohana -fizika fampiharana- azy misokatra ho an'ny mpanjaka King Juan Carlos“:
Regresé a un país donde el Jefe del Estado se opera de prótesis de cadera en una clínica privada, mientras miles de compatriotas esperan meses para la misma intervención. Regresé a un país donde el Jefe del Estado se va de vacaciones en jet privado mientras se fulminan las ayudas a las personas dependientes.
Nangotraka avy hatrany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny tambajotra-sosialy:
@DRYburgos: Millones de parados, centenares de desahucios cada día… y el Rey cazando elefantes en Botswana?? Esto es intolerable!
@GLlamazares: De tal palo tal astilla. El monarca se fractura la cadera cazando elefantes y su nieto se dispara en el pie.
@democraciareal: Mientras unos sufrimos duros recortes en Sanidad y Educación, otros derrochan miles de euros de dinero público matando elefantes en África
Ity lahatsary avy amin'i n Safaris, orinasa nikarakara sy nanohana ny diany tamin'ny fizahana elefanta tao Afrika. (Fanamarihana: lahatsary mampihorokoditra.)
Efa nivoaka ny hopitaly ny mpanjaka tamin'ny 18 Aprily, ary hoy izy nanao fanambarana tao amin'ny gazety: “Manantena aho fa handray ny andraikitro amin'ny antsakany sy andavany amin'izay ary maneho fialan-tsiny indrindra aho. Nanao fahadisoana aho ary tsy haveriko intsony izany.