Manana kilalao voaangona, saiky vita avy tao Meksika, mihoatra ny iray tapitrisa ny lehilahy iray 65 taona. Nanapa-kevitra ny hanokatra ny tranony ho mozean'ny kilalao ny mpanao maritrano Meksikana Robert Shimizu sy ny zananilahy. Ao amin'ny lahatsary fampafantarana, ahitana dika an-tsoratra teny anglisy ny zava-boalaza, mitondra ny lohateny hoe Tantara Meksikana Iray Momba Ny Kilalao [1] no itantarana ny nahavitany sy ny iheveran'izy ireo fa mety hahita ny lalany indray i Meksika amin'ny alalan'ireo kilalao ireo.
Efa nanomana hetsika maro ny Mexico Antique Toy Museum [2] [es] ahafahana mamory ny mpanangona hanana tanjona iraisana sy hikendry ny hamelona indray ny fitiavan'ny olona ny vokatra vita ao an-toerana tahaka ny kilalao ohatra. Hampiatrano ny Toy Design and Construction workshop [3] [es] (Atrikasam-pananganana sy haibikan'ny kilalao) ry zareo amin'ny volana mey; ary haranty maharitra ao amin'ny Mozea ny kilalao tsara indrindra mivoaka avy ao.
Mamehy ny asany [iraka ataony] ny famahavahana ataony ao amin'ireo lahatsary maro hita ao amin'ny Fantsona YouTube-n'ny Mozea [4]:
El Museo del Juguete Antiguo México pretende ser un museo honesto para todas las edades sin importar el nivel socioeconómico, sin pretensiones, brindando al visitante no sólo un sitio de aprendizaje y relaciones sino también de confort, en donde se beneficiará a la sociedad mexicna [sic], a través del fomento de la cultura popular, para lograr así un refuerzo en la identidad nacional y en los lazos entre mexicanos, una mayor comunicación de nuestro pasado, presente para así cambiar el futuro de nuestro país.
Ny lahatsary manaraka fampirantiana Lucha Libre [5] izay notontosaina ao amin'ny Mozea ho fankalazana ny tsingerintaona fahatelo nijoroany ity no ohatra iray amin'ny fampiroboroboany ny haizatran'ny kolontsaim-bahoaka.