Meksika: Angona Kilalao Mety Hanova Ny Hoavin'i Meksika

Manana kilalao voaangona, saiky vita avy tao Meksika, mihoatra ny iray tapitrisa ny lehilahy iray 65 taona. Nanapa-kevitra ny hanokatra ny tranony ho mozean'ny kilalao ny mpanao maritrano Meksikana Robert Shimizu sy ny zananilahy. Ao amin'ny lahatsary fampafantarana, ahitana dika an-tsoratra teny anglisy ny zava-boalaza, mitondra ny lohateny hoe Tantara Meksikana Iray Momba Ny Kilalao no itantarana ny nahavitany sy ny iheveran'izy ireo fa mety hahita ny lalany indray i Meksika amin'ny alalan'ireo kilalao ireo.

Efa nanomana hetsika maro ny Mexico Antique Toy Museum [es] ahafahana mamory ny mpanangona hanana tanjona iraisana sy hikendry ny hamelona indray ny fitiavan'ny olona ny vokatra vita ao an-toerana tahaka ny kilalao ohatra. Hampiatrano ny Toy Design and Construction workshop [es] (Atrikasam-pananganana sy haibikan'ny kilalao) ry zareo amin'ny volana mey; ary haranty maharitra ao amin'ny Mozea ny kilalao tsara indrindra mivoaka avy ao.

Mamehy ny asany [iraka ataony] ny famahavahana ataony ao amin'ireo lahatsary maro hita ao amin'ny Fantsona YouTube-n'ny Mozea:

El Museo del Juguete Antiguo México pretende ser un museo honesto para todas las edades sin importar el nivel socioeconómico, sin pretensiones, brindando al visitante no sólo un sitio de aprendizaje y relaciones sino también de confort, en donde se beneficiará a la sociedad mexicna [sic], a través del fomento de la cultura popular, para lograr así un refuerzo en la identidad nacional y en los lazos entre mexicanos, una mayor comunicación de nuestro pasado, presente para así cambiar el futuro de nuestro país.

Te-ho Mozea mahatoky ho an'ny ambaratongan-taona rehetra ary tsy mampaninona izay saranga ara-toekarena sy ara-piarahamonina misy azy ny Mozean'ny Kilalaon'i Meksika Fahiny, tahala manetry tena, tsy hoe manolotra toerana ho fianarana sy fifankalalàna ho an'ny mpitsidika ihany fa ho sehatra hahazoan'ny fiarahamonina meksikana tombontsoa ihany koa amin'ny alalan'ny fampiroboroboana ny kolontsaim-bahoaka, ary avy amin'izany ny fanamafisana ny fiavaham-pirenena sy ny fifandraisana eo amin'ny samy meksikana, fifampiresahana tsara kokoa eo amin'ny taloha sy ny ankehitriny mba entina hanovana ny ho avin'ny firenentsika.

Ny lahatsary manaraka fampirantiana Lucha Libre izay notontosaina ao amin'ny Mozea ho fankalazana ny tsingerintaona fahatelo nijoroany ity no ohatra iray amin'ny fampiroboroboany ny haizatran'ny kolontsaim-bahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.