- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Herinandron'ny Graffiti-n'Adala Ho An'ny Gadra Politika

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Niantso ny rehetra hampiasa stansily ho fanomezam-boninahitra ny gadra politika Iraniana ny vondrona Facebook antsoina hoe  Mad Graffiti Week Iran [1] [Herinandron'ny Graffiti-n'Adala ao Iran] ny voalohany ka hatramin'ny fahafito Avrily.

Mametraka ny diampeniny  [2]eny amin'ny akanjony, fefy, tranony ary izay itafiany ny olona.

Nakana hevitra sy tohanan'ny “Mad Graffiti Week” Ejipsiana [3] ity hetsika ity ka nahazo mpanaraka an'arivony ho fanoherana ny fitondra-miaramila amin'izao fotoana.

Mampifandray ny tontolo virtoaly sy ny andavanandrom-piainana

Toy izao hita amin'ny YouTube izao ny dingana arahina amin'ny fanaovana stansily sy ny fampiasana azy an-davanandro.

Indreto ny sary maromaro maneratany nifampizarana ao amin'ny Rakitsarin'ny Mad Graffiti Week Facebook [4] ahitana ny fomba anohanan'ny olona ilay fandraisana an-tanana.

Amsterdam

Mad Graffiti Week for Iran in Amsterdam [4]

Oakland, California

 

A Free Bahareh stencil during Mad Graffiti Week Iran

Washington DC
Mad Graffiti Week for Iran in Washington DC [4]

Hita tany amin'ny tanàna maro any Holandy, nouvelle Zellande,Soeda, Ejipta ary Etazonia sy ny maro hafa ny Graffiti hanafahana ny gadra Iraniana, ahitana ny sarin-tavan'ny gadra politika fahitantsika mahazatra an-tserasera hivoaka eny amin'ny andavanandrom-piainana.