- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Lavo, Tafarina Ary Lavo Indray i Omar Suleiman

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Nifamahofaho be ihany ny tontolo politika ejipsianina tao anatin'ny herinandro vitsivitsy [1]. Ny 6 Avrily, nanambara ny firotsahany hofidiana [2] ho filoha i Omar Suleiman, filoha lefitr'i Ejipta teo aloha sady lehiben'ny sampam-pitsikilovana. Heverin'ny Ejipsianina maro ho mpanohitra ny revolisiona i Omar Suleiman, na iray amin'ny “sisa niangana”  mpanohana ny fitondrana teo aloha. Nisy ny fihetsiketsehana nataon'olona an'aliny teo amin'ny kianja Tahrir [3] tamin'ny 13 Avrily  ho fanoherana ny fampielezankevitr'i Suleiman. Nisy fivadihan-draharaha tampoka taorian'izay, izany hoe ny 14 Avrily tamin'ny filazana fa anisan'ny kandidà folo [4] tsy afaka mifaninana amin'i fifidianana i Suleiman noho ny toa hoe tsy fahampian'ny sonia manohana ny firotsahany hofidiana.

[5]

Jery mahatazana ny kianjan'i Tahrir ao Kaire ahitana mpanao fihetsiketsehana folo an'arivony manohitra ny firotsahan'i Omar Suleiman hofidiana filoham-pirenena, 13 Aprily 2012. Sary avy amin'ny mpisera Flickr , Mosa'ab Elshamy (CC BY-NC-SA 2.0).

Namely an'i Suleiman an-tsoratra ny bilaogera Raafat tamin'ny 12 avrily:

@Raafatology [6]: سليمان يداه ملوثة بدماء الثوار.. ويجب منع هذا “النجس” من الترشح للانتخابات
Mihoso-dràni'ireo revolisionera ny tanan'i Suleiman… Ka tokony hosakanana tsy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ity “lehilahy maloto” ity

Tamin'ny 14 Aprily Maikel Nabil Sanad [7], mpamahana bolongana sy mpikatroka fanta-daza, namoaka [8] lahatsoratra bilaogy mitondra ny lohateny hoe “Manohitra an'i Omar Suleiman”:

أعتقد أن موقفى من إسرائيل معروف ، بس فى نفس الوقت ضد عمر سليمان لأقصى مدى ، و فى نفس الوقت بستمتع بالتعليقات اللى بتتريق على عمر سليمان و بتربط بينه و بين إسرائيل … ماهو فيه فرق بين ناشط سلام و بين مسئول بيتاجر ببلده علشان مصالح شخصية ، ولا أية ؟
Inoako fa mazava tsara ny hevitro mikasika an'i Isiraely [9], saingy tao anatin'izany, manohitra tanteraka an'i Omar Suleiman aho. Ary nankafiziko tanteraka ny fanehoan-kevitra mamazivazy an'i Omar Suleiman sy ny fandefasana ny momba izany ao amin'i Isiraely [10]… Misy fahasamihafany eo amin'ny mpikatroka milamina sy ny olo-panjakana mivaro-tanindrazana ho tombotsoany manokana, sa tsy izany?
[11]

"Lohateny kely" manontany ny amin'ny fahamarinanan'i Omar Suleiman tao amin'ny kianjan'i Tahrir." Sary avy amin'ny

Nanao antso avo ho an'ireo miahiahy amin'ny fandaharan'asa Islamika nentin-drazana [12] tian'ny Mpirahalahy Miozolomana hotanterahina ao amin'ny firenena i Suleiman (anisan'izany ny kristianina Ejyptiana), ary nandresy lahatra [13] koa izy fa hampitsahatra an'i Ejypta ho lasa “fanjakana ara-pivavahana”. Misy tokoa ireo mihevitra fa hahavita asa tsara izy. Timmy nisioka hoe:

@tamerhegab [14]: Lazaiko ny marina, tsy mampaninona ahy raha ho filoha i Omar Soliman. Hiarina ny firenena ary handroso ao anatin'ny 4 taona; tsy hisy intsony ny Ikhwan [Mpirahalahy Miozolomana]. Tsara.

Na dia izany aza, Mena Makram nisioka hoe:

@menamakram90 [15]: انا مسيحي وعلى فكرة مش هرشح عمر سليمان وناس كتيرة جدا كدة متفتكروش انا احنا هنرشح اللي قتل الشهداء
Kristianina aho fa tsy hifidy an'i Omar Suleiman, ary toy izany ihany koa ny hafa maro tahaka ahy; aza mihevitra fa hifidy olona efa nandatsaka ny ain'ireo martiora izahay [Kristianina]

Tamin'ny 7 Aprily, taorian'ny fanambaran'i Suleiman ny firotsahany hofidiana, mpanao sariitatra politika Carlos Latuff namoaka ity sarin'i [16] Suleiman ity izay mivoaka avy ao anaty fanariam-pako”:

[16]

"Omar Suleiman, tanan-ankavian'i Mubarak teo aloha, hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ao Ejypta." Sary avy amin'i Carlos Latuff.

Taorian'ny vaovao nanambara ny tsy fahazoan'i Suleiman mirotsaka, artist Hazem Arafa nanova ny sariitatra toy izao [17] izy:

[17]

Sariitatry Omar Suleiman nataon'i Carlos Latuff , somary novain'i Hazem Arafa.

Maha Abouelenein mino fa mbola misy fanantenana ho an'i Suleiman:

@mahagaber [18]: Omar Soliman no kandidà tokana afaka manova ny antontan-taratasiny ahafahany mbola mirotsaka hofidiana – manana 48ora [19] izy hanangonana ny “tawkeel” sonia ilaina.

Nanambara [20] ny mpiasa misahana ny fampielezan-kevitr'i Suleimana fa hampiasaina avokoa ny fepetra rehetra momba ny lalàna mba handàvana ny fanapaha-kevitry ny Vaomiera misahana ny fifidianana.