Tantara tamin'ny 17 Avrily 2012
Syria: Voasambotra tany Damasy i Safana Baqleh, ilay “Harpan'ny Fahafahana”
Rehefa voasambotra i Rima Dali ny 9 Aprily noho ny fihazonany sora-baventy mirakitra ny teny "Aoka izay ny famonoana. Te-hanangana firenena iray ho an'ny Siriana rehetra izahay", dia ny mpitendry zava-maneno Safana Baqleh no olona voalohany indrindra nihazakazaka hiaro azy sy niezaka hanakana ny mpitandro filaminana haka azy iaraka amin'izy ireo. Voasambotra ihany koa izy noho izany fikasana izany.
Ejypta: Lavo, Tafarina Ary Lavo Indray i Omar Suleiman
Ny 6 Avrily, nanambara ny firotsahany hofidiana ho filoha i Omar Suleiman, filoha lefitr'i Ejipta teo aloha sady lehiben'ny sampam-pitsikilovana. Nisy ny fihetsiketsehana nataon'olona an'aliny teo amin'ny kianja Tahrir tamin'ny 13 Avrily ho fanoherana ny fampielezankevitr'i Suleiman. Nisy fivadihan-draharaha tampoka taorian'izay, izany hoe ny 14 Avrily tamin'ny filazana fa anisan'ny kandidà folo tsy afaka mifaninana amin'i fifidianana i Suleiman noho ny toa hoe tsy fahampian'ny sonia manohana ny firotsahany hofidiana.
Sarimiainan'ny Departemantam-Panjakana US Miresaka Ny “Lambam-baravarana Nomerika” Ao Iran
Namoaka sarimiaina milazalaza momba ny lambam-baravarana elektronika tao amin'ny Youtube ny Departemantam-Panjakana US misahana ny fandaharan'asa momba ny Fampahalalam-baovao Iraisampirenena
Armenia: Tanora Mpanoratra Miatrika Sivana Miaramila
Tojo fahasahiranana noho ny fitantarany an-tsoratra amin'ny antsipirihany ny fiaina-miaramila nandritra ny niantsoana azy ny zatovolahy mpandamina rindrambaiko an-tsolosaina Hovhannes Ishkhanyan, 24 taona.
India: Milefitra Amin’ny Fitakiana Fanivanana Ny Orinasa Mpanolotra Aterineto
Nanao dingana niverin-dàlana lehibe i India raha nitaky tamin’ ireo orinasan'aterineto lehibe 20 , ka ao anatin’ izany Google, Facebook , sy Twitter, ny ampisehoan’izy ireo drafitra hanivanana ny fitaovana...