- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Singapore: Raha Isika No Nandefa Ny Balafomanga…

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika

Rehefa nandamoka ny nandefasan'i Korea Avaratra ny balafomanga [1], nalaza ny fampiasana tao amin'ny Twitter ny tenifototra hoe: #ifSingaporelaunchedarocket [2] [raha i Singapore no nandefa ny balafomanga].

Tsy ampy toy inona akory, indreo ny miezaka mitondra ny fahitany momba ny kolontsaina sy ny fahalemeny ny mpisiokantsera  Singaporeana.

Andrimatoa Brown ohatra nilaza momba ny fahalafosan'ny fanomezana anarana ny fifaninana tamin'ny nandanian'i Singapore ilay Fitodiana (Terminal)  Budget sy ny Helodrano antsoina hoe Marina na Budget Terminal and Marina Bay, izay niafara tamin'ny fanomezana ireo toerana roa ireo anarana hoe Budget Terminal and Marina Bay:

@mrbrown [3]: #ifSingaporelaunchedarocket, tokony omena anarana ny balafomanga, rehefa avy nomena anarana ireo fanandramana nandaniana an-tapitrasany-dolara. Ny Balafomangan'i Singapore.

@jeffcheong [4]: #ifSingaporelaunchedarocket & tsy nahomby, ho fantatra hoe fanarahamaso an'habakabaka. Nahomby foana ny fandefasana balafomba nataon'i Singapore. Toy ny hoe nahoana ny ‘rano mihandrona’ [5] no nampiasaina hanakonana  ‘tondra-drano”.

@contrabandkarma [6]: #ifSingaporelaunchedarocket nandamòka, Lui Tuck Yew nilaza fa tsy voasakana ny tsy fetezana (panina).

@dingneng [7]: #ifSingaporelaunchedarocket, teo akaikin'ny GE angamba izany, ka mety hireharehan'ny mpanao politika.

@kixes [8]: #ifSingaporelaunchedarocket nandamòka, mety ho izao ny lohateny tao amin'ny @STcom [9], “Nilaza ny Minisitry ny Fiarovana fa ezaka tsara voalohany ny fandefasana balafomanga tao Singapore”.

JohnnyBoy nilaza momba an'i Yam Ah Mee, izay nahita fahombiazana taorian'ny fanambarana ny valim-pifidianana amin'ny ankapobeny tamin'ny taona 2011:

@MrJohnHoHoHo [10]: #ifSingaporelaunchedarocket Yam Ah Mee no ho tokana manisa mianòtra.

@visakanv [11]: #ifSingaporelaunchedarocket mety hanana hira masisosiso [fromazy] miaraka amin'ny fihetsiky ny tanana isika, toy ny YOG's Oh Yeah x3

@weizhu [12]: #ifSingaporelaunchedarocket tokony nametrahana vehivavy hanafosafo ny kalim-pandefasana aloha

Adine se réfère à la propension de Singapour pour prendre note des numéros de bon augure pour qu'ils puissent parier sur eux à la loterie:

Nilaza momba ny fahazaran'ny Singaporeana amin'ny fandraisana tarehimarika fambara mba hahazoan'izy ireo amin'ny loka ataony i Adine:

@axixe [13]: #ifSingaporelaunchedarocket mety manontany ny olona raha misy tarehimarika famantarana ny balafomanga..Noho ny fambara tsara lazainy.

Ohatra hafa amantarana ny toetran'ny Singaporeana manaratsiratsy befahatany, manodina ny zava-mitranga sy teny misongadina ho  feno esoeso sy vazivazy ireo sioka ireo.