Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

16 Avrily 2012

Tantara tamin'ny 16 Avrily 2012

Singapore: Raha Isika No Nandefa Ny Balafomanga…

Rehefa nandamoka ny nandefasan'i Korea Avaratra ny balafomanga, nalaza ny fampiasana tao amin'ny Twitter ny tenifototra hoe: #ifSingaporelaunchedarocket [raha i Singapore no nandefa ny balafomanga]. Tsy ampy toy inona akory, indreo ny miezaka mitondra ny fahitany momba ny kolontsaina sy ny fahalemeny ny mpisiokantsera  Singaporeana. Andrimatoa Brown ohatra nilaza momba ny fahalafosan'ny...

Tonizia: Eny An-dalambe Ny Mpamaky Boky!

Taorian'ny herinandro vitsivitsy nisian'ny fihetsiketsehana tao Tunis, nambara indray ny fisiana hetsika vaovao, antsoina hoe "L'avenue ta9ra", na "Mamaky [boky] ny Lalambe". Antsoina amin'izany ny Toniziana hitondra ny bokiny ho eny amin'ny Lalambe Habib Bourguiba, toerana ahafantarana indrindra ny renivohitra, sy handraisana anjara amin'ny fiarahana mamaky boky.

Tonizia: Nofoanana Ny Fandraràna Tsy Hanao Fihetsiketsehana

Nisento ny mpiserasera rehefa nofoanana ny fandraràna tsy hahazo hanao fihetsiketsehana eo amin'ny Lalambe Habib Bourguiba. Fa mbola tsy vita ny raharaha

Frantsa: Mipongatra Ny Tenim-paritra

Ny 31 Martsa 2012, nisy hetsika nifanesy maro natao tany amin'ireo tanàndehibe tany Frantsa, voatariky ny tanjona hampiseho fanohanana tsy misy lesoka an'ireo tenim-paritra sy ireo tenin-janatany. Mitatitra i Rayna St..

Soeda: Mitsidika An'i Rinkeby, Ambany Tanàna Be Mpiavy Ao Stockholm

Malaza noho ny fahamaroan'ny mpifindra monina ao aminy ny fokontanin'i Rinkeby ao Stockholm, Soeda. Mitantara ny fitsidihany io faritra io izay mba te-hijerijery izany faritra izany. Monina any Stockholm ny mpanao gazety sy bilaogera Yemenita Afrah Nasser. Nanoratra momba ny nitsidihany voalohany an'i Rinkeby izy tao amin'ny hafatra bilaogy tamin'ny 6 Avrily 2012....