Tantara tamin'ny 15 Avrily 2012
Tanzania: Veloma Farany Ho An'ilay Kalazan'ny Sarimihetsika
Nanao veloma farany ho an'ilay mpilalao sarimihetsika malaza indrindra, Steven Kanumba, 28 taona, i Tanzania, nampihetsim-po tanteraka ny fandevenana azy tamin'ny 11 Aprily 2012. Namoy ny ainy izy ny Asabotsy maraimbe,...
Torolalana Fibodoana Ny Wall Street: “Fomba Handraketana An-tSarimihetsika Ny Revôlisiona”

Avy amin'ny Chris Rogy, WITNESS Tools & Tactics Navoaka manokana tao amin'ny bilaogin'ny WITNESS Ity lahatsoratra ity. Vakio ato izany. Namoaka lahatsoratra mivelatra ny The New York Times tamin'ny Alahady faha...
Espaina: Dihy Nandritra Ny Procession Kristy Nitsanga-ko Velona Nanjakan'ilay Hira Breziliana Malaza
Tratran'ny Telomania teo ampandihizana nandritra ny hira malaza iraisampirenen'i Michel Teló mitondra ny lohateny hoe "Ai Se Eu Te Pego" ny frera nitondra ny sarin'i Kristy Nitsanga-ko velona nandritra ny procession mamarana ny herinandron'ny Paska Kristianina tao Alhama de Murcia, Espaina.
Matin'ny Bala Iray i Ahmed Ismael, Tsy Toy Izany Kosa Ireo Lahatsariny

Rehefa miresaka mikasika ireo olo-malazan'ny tolona ho amin'ny fahalalahana, dia mahatsiao foana an'ireo olon-tsotra mpitati-baovao aho. Ireny tanora lahy sy vavy izay mampakatra lahatsary sy fanavaozam-baovao anaty aterineto ireny mba ho hitan'izao tontolo izao no tena mahery fo marina tokoa. Tsy zavatra mora akory izany hoe eny anivon'ny famoretana ataon'ny polisy izany sady mandrakitra anaty lahatsary sy saripika. Ireny mpiady tsy mitonona anarana ireny no mahery fo manan-daza ho ahy.