- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: “Tsy Matoky Ny Sekoly Aho Fa Mino ny Soa Azo Avy Amin'ny Fanabeazana”

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora

Namoaka ny voalohany indrindra amin'ny andian-dahatsary manindry letam-pahefana ny rafi-pampianarana mahazatra mitondra ny lohateny hoe Tsy matoky ny sekoly aho fa mino ny soa azo avy amin'ny fanabeazana ny Educación Viva [1](Miaina ny Fanabeazana).  Ao amin'ny lahatsary ahitana dika an-tsoratra no ahitana lahy sy vavy mihoatra ny 20 miantsa an-tononkalo ny mahasamy hafa ny rafi-pampianarana sy izay heverin'izy ireo ho fanabeazana.

¿Qué pasa si te digo que saber no necesariamente es comprender?
Que conocimiento es importante,
pero solo absorber información nos hace más ignorantes.
Comprender es haberlo vivido y experimentado.
Saber es simplemente poder acumularlo.
La Educación sirve para crecer y desarrollarnos,
la Escuela para aprobar el examen y graduarnos como esclavos.

Inona no mitranga raha lazaiko anao fa tsy voatery ho fahazoana an-tsaina ny fahalalàna?
Zavadehibe ny fahalalàna,
saingy mahatonga antsika ho dondrona kokoa ny fitelemam-baovao.
Ny fahazoana antsaina kosa dia ny niainana sy ny nanaovana fanandramana azy.
Ny fahalalàna dia ny fahazoana nanangona azy fotsiny.
Ahafahantsika mitombo sy mivelatra ny fanabeazana,
Sekoly hanaovana fanadinana sy hahazoana diplaoma tahaka ny andevo.


Miezaka ny hahazo olona bebe kokoa ry zareo ao amin'ny fanentanana ataony mba handefa ny lahatsarin'izy ireo koa ho setrin'ny tononkalo [2]. Tokony hazava tsara ihany koa ny tononkalo ary manolo-kevitra ry zareo hampiasa ao amin'ny lahatsariny ny mozika nampiasaina tambany alalana Creative Commons. Hivoaka amin'ny manaraka ny tapany faharoa amin'ny lahatsary.