- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: Teratany An-drenivohitra Mitady Dika An-tsoratra Amin'ny Lahatsarim-Pampafantarana Momba Azy Ireo

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fiteny, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Teratany, Zavakanto & Kolontsaina

Mitady mpanolotena hanampy azy ireo hametraka dika an-tsoratra amin'ilay lahatsary fampafantarana, dika an-tsoratra ho amin'ny tenin'ny taranaka vazimba teratany hita any Arzantina tahaka ny Quechua, Aymara, Mapuche ary ny Guaraní ary indrindra ihany koa amin'ny teny anglisy Ny lahatsary fampafantarana misongadina ao amin'ny Creative Commons, Runa Kuti [1] miresaka momba ireo taranaka vazimba teratany monina ao an-tanànan'i ny Buenos Aires.

Tao amin'ny bilaoginy, nandefa antso ho an'ny mpilatsaka an-tsitrapo izy ireo [2]:

Quien quiera, tenga ganas, tiempo, ocio, curiosidad, computadora, internet y otros idiomas para apoyarnos se los agradeceremos añadiendolos a los créditos del documental y mandándoles buenas vibras, donde quiera que estemos y donde quiera que estén.

Todos los idiomas son bienvenidos pero guardamos un especial interés por el quechua, aymara y guaraní.

 

Na iza na iza te-hanampy amin’ izany, ka mana-potoana, tahaka ny fialam-boly, tia karokaroka, manana solosaina, aterineto sy fiteny hafa dia ankasitrahanay, hisaoranay izy ireo ka ho setrin'izany dia ampidirinay ao amin'ny lahatsary ny momba azy ary mirary soa azy ireo amin'ny lalan-kalehany, na aiza na aiza misy anay ary na aiza na aiza misy azy ireo.

Ekena avokoa ny fiteny rehetra saingy tianay kokoa raha amin'ny fiteninay manokana Quechua, Aymara ary Guaraní izany

.

http://vimeo.com/32219379 [3]

Natao tamin'ny teny espainola, frantsay, anglisy ary Portiogey ny dika antsoratra kelin'ny fanambarana natao [4], ahitana dika-teny amin'ny teny espaniola manontolo kosa ny manerana ny lahatsary fanadihadiana [5].

http://vimeo.com/37754616 [6]