- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

The Engine Room: Fanasokajiana Ny Teknolojian'ny Fisoloana Vava Sosialy

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

The engine room [1] dia fikambanana iray manokana amin'ny fampahombiazana ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin'ny asa fisoloana vava. Manatsara sy mameno ny fitaovam-pifandraisana mba hampilamina sy hamahoahana ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin'ny asam-pisoloana vava.

Teraka [2] avy tamin'ny ezaka fikarohana mivoatra roa herinandro taorian'ny fanonganana ny filoha Ejiptiana, Hosni Mubarak izany tetikasa izany. Hita mivandravandra avy amin'io fikarohana [3] io fa ilain'ny mpikatroka sy ny tinendry hisahana raharaha eny amin'ny fitsarana ny fahazoam-baovao, ny fahaizana manokana ary ny loharanom-pahalalana tsara kokoa. Ao anatin'ny teny filamatrany amin'izany ny fanohanana ny rafitra sy ireo tambajotra efa misy amin'ny alalan'ny fandaminana ary ny fiaraha-miasa no mahomby kokoa fa tsy ny mifaninana hahita ny loharanom-pahalalana.

[4]Miara-miasa amin'ny Oxfam Novib ny The engine room hanasokajy ny fikambanana, ny fihaonana, ny hetsika ary ny vondrom-piarahamonina manohana ny fiaraha-mientana fisoloana vava amin'ny alalan'ny teknolojia. Mandefa ity antso ity ho an'ireo mpamaky [4] ny tetikasa:

Nalefa tamin'ity herinandro ity ny Fanisana ny teknisiana ara-tsosialin'ny “The engine room” hamantarana sy hametrahana ao amin'ny sarintany ny fikambanana, ny tetikasa, ny hetsika ary ny vondro-piarahamonina manohana amin'ny alalan'ny teknolojia ny vondrona mpisolovava ara-tsosialy manerantany. Ampio izahay hampahazo antoka fa tsara araka izay tratra ny Fanisana (ary azo itarafana ny traikefanao manokana sy ny asanao) amin'ny alalan'ny famaliana ny taratasim-panadihadiana  pejy iray. Manaiky ny fidiran'ny vaovao izahay hatramin'ny voalohany volana Mey.

Fomba tsotra mahomby amin'ny fanohanana ity ezaka ity ny fizaranao ny rohin'ilay fanadihadiana — bit.ly/socialtechcensus [5]— any amin'ireo tambajotranao manokana

Sharing the link to the survey — bit.ly/socialtechcensus [6] — to your personal networks is a simple, high impact way to support this effort

.

Raha mahafantatra ny mikasikana fitaovana, fikambanana, fianakaviambe sns tahaka izany ianao dia mangataka anao haka ny fanadihadiana voalohany [7] ary avy eo hanaparitaka ny mikasika izany amin'ireo akaiky anao.