Espaina: Lahatsary Manaporofo Ny Herisetran'ny Polisy Nandritra Ny Fitokonana Faobe Tamin'ny 29 Marsa

|Amin'ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny filazana manokana] Tamin'ny #29M (29 martsa), niantso ho amin'ny fitokonana faobe ho fanoherana ny fanovana ny lalàna mifehy ny asa [amin'ny teny frantsay] nataon'ny governemantan'i Mariano Rajoy (Parti Populaire) ny sendikà espainola. Fitokonana voalohany hatrehin'ny governemanta izany, tao anatin'ny 100 andro monja nandraisany ny asany. Niteraka fihetsiketsehana goavambe teny an-dalambe manerana ny firenena ny fepetra noraisina vao haingana. Ho fampitsaharana haingana ny krizy, nasian'ny fitondrana fanamboarana ny tsenan'ny asa, nahena arak'izany ny sandan'ny fandroahana mpiasa, nomena tombony ny orinasa hanitatra ny ora fiasana sy hampidina ny karama, entanina ny faharisihan'ny mpiasa sy ny fanamorana ny fandraisana ny tanora hiasa hianatra mandritra ny fe-potoana nohalaivana.

Vondron'olom-pirenena, tsy mpikambana ao amin'ny sendikà maro an'isa, tahaka ny ¡Democracia Real Ya!  no tonga nanatevin-daharana ny hetsika ihany koa. Nafampana tanteraka ny hetsika, indrindra tao Barcelone, izay nahitana fifandonana teo amin'ny polisy misahana ny rotaka sy ny mpanao fihetsiketsehana. Mbola tsy nitondra marika famantarana azy ihany ny polisy tamin'ity indray mitoraka ity.

Mpanao fihetsiketsehana maratra voan'ny bala fingotra nandritra ny fitokonanan faobe tao Barcelone. Sary avy amin'i Jesús G. Pastor, copyright Demotix 3/12.

Tsy nahitana loza firy niseho tao amin'ny ankamaroan'ny tanàna. Na izany aza, nisy ny fifandonana teo amin'ny vondrona isan-karazany. Ity lahatsary manaraka ity ohatra dia mampiseho ny hetsika nataon'ny mpamonjy voina. Raha nanao fihetsiketsehana izy ireo noho ny fampihenana ny tetibola izay tsy maintsy hatrehiny, tonga nandrava ny hetsika ny polisy misahana ny rotaka ary nidaroka ireo mpanao fihetsiketsehana.

Amin'ireo lahatsary anankiroa nalain'ny mpikatroka, afaka manamarika isika fa mihazona kobay mandeha amin'ny herinaratra ny polisy.  Ahitana polisy roa mandositra (ireo any aoriana indrindra), amin'ny lahatsary nalaina voalohany, ary odidinin'ny mpanao fihetsiketsehana izy ireo. Mampiseho herisetra nataonà polisy efatra (vehivavy ary lehilahy telo) aminà mpanao fihetsiketsehana nianjera tamin'ny tany, sy ny fandosiran'ireo roa hafa ny lahatsary faharoa izay nalaina tamin'ny zoro ampita kosa . Nanamarika ireo mpanao fihetsiketsehana fa mody mitsofoka any anatin'ny hetsika ny vondrona polisy, ary manao herisetra amin'ny mpanao fihetsiketsehana ka mody manaratsy ny hetsika mba hilazana fa tsy diso izy ireo amin'ny famoretana ataony.(loharano: http://www.tercerainformacion.es/spip.php?article35508)

Voaray tany amin'ny hopitaly ihany koa ny fijoroana vavolombelona avy aminà mpanao fihetsiketsehana voatifitry ny bala fingotra nandritra ny hetsika tao Barcelone. Tapaka ny taolantehezany roa ary loaka ny havokavony.

@ARMAKdeODELOT: TENA RATSY- AELEZO @DemocraciaReal: Tanora 19 taona tsaboina maika, mampanahy ny toe-pahasalamany, fahatapahan'ny lalan-drà amin'ny atidoha noho ny vono nataon'ny polisy taoVitoria #29M

Amin'ity rakin-dahatsary hafa ity, ahitana polisy roa misahana ny rotaka mitifitra olona roa mandeha bisikileta amin'ny bala fingotra tsy amin'ny antony:

@Fotomovimiento: Ao amin'ny Plaça Catalunya ny polisy namantsika.. Ary arovan'ny Trias  amin'izany izy ireo..Tsy mendrika! #29Mhttp://www.youtube.com/watch?v=V_bLULITkh4

Voampanga sady very zo ny 3 amin'ireo tanora 41 notanana vonjimaika tamin'ny 29 martsa nandritra ny fihetsiketsehana tao  Barcelone. Tsy mifototra amin'ny zavatra nataony ny marainan'ny 29 ny fiampangana azy ireo (nosamborina ny marainan'ny 29 martsa izy ireo) fa tamin'ny zava-nitranga ny harivan'ny 29 martsa tao amin'ny araben'i Barcelone, fotoana efa nitazonana azy ireo.

Nilaza ny mpitsara niantsoroka ny raharaha fa mety hamerina ny nataony izy ireo, satria mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka mandritra ny tranga hafa ao Barcelona amin'ny herinandro ambony ireo voampanga .  Namoaka fanambarana ho fiarovana ireo gadra ny fikambanana isan-karazany eo amin'ny sehatry ny fitsarana. Ao an-tanàna maro ao Espaina, misy ny hetsi-panoherana ny fanagadrana ireo mpanao fihetsiketsehana.

Fihetsiketsehana tao Madrid ho fanoherana ny fisamborana ireo olona 176 personnes tao Espaina (57 tao Madrid) nandritra ny hetsika tamin'ny 29 martsa. Sary avy amin'i Photo d'Alberto Sibaja Ramírez, copyright Demotic 3/30/2012

Nisy ny vohikala natsangana handraisana ireo fijoroana vavolombelona  mikasika ny herisetra tsy ara-drariny niseho nandritra ny andron'ny fitokonana tamin'ny 29 martsa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.