- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sahiran-tsaina Izao Tontolo Izao Noho Ny Zava-mihatra Amin'ilay Mpikatroka Bahrainita

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Naneho ny ahiahiny ny mpiserasera manerana izao tontolo izao manoloana ny tsy fanajana ny [1]zon'olombelona izay mihatra amin'ilay mpitolona Bahrainita Abdulhadi Alkhawaja [2]. Sazy an-tranomaizina mandrapahafaty no didy navoakan'ny [3] manampahefana ao Barhein ho azy tamin'ny taon-dasa, ka  nitokona tsy hihinankanina [4] izy noho izany nanomboka ny 8 Febroary  2012 mba hanaovana fanairana noho ny fanagadrana azy. Nolavin’ [5] i Barhain ny famindràna azy any Danemarka na dia olom-pirenena Danoà aza izy.

Nisioka momba ny fanafahana azy ny mpiserasera tamin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra isan-karazany, toy ny #StopKillingKhawaja [6].

[7]

Sora-baventy miantso ny fanafahana an'i Abdulhadi Alkhawaja, 14 Septembra 2011. Sary avy amin'i William Murphy, tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Zanaka vavin'i Abdulhadi Alkhawaja, Maryam Alkhawaja [8], nibitsika hoe:

@MARYAMALKHAWAJA [9]: herintaona androany 8 aprily no nisamboran an'i Abdulhadi Alkhawaja,  nampijaliana mafy izy ka niafara tamin'ny tsy fahatsiarovan-tenany izany teo anoloan'ny fianakaviany, #bahrain

Ny zananivavy hafa, Zainab Alkhawaja [10], nisioka hoe:

@angryarabiya [11]: Tamin'ny taon-dasa nandritra izany fotoana izany, nalefa teny amin'ny hopitaly miaramila izay misy azy ankehitriny ny raiko #bahrain

@angryarabiya [12]: tsy maintsy niaritra fandidiana eo amin'ny tarehiny mandritra ny adiny efatra izy, nisy nesorina taminy ny taolana tao amin'ny atidohany mba hamerenana ny valanoranony amin'ny laoniny #bahrain

@angryarabiya [13]: Ary androany indray… ao amin'ny fandriana iray ao amin'izany hopitaly izany izy. Noana mafy mila ho faty ho fitakiana ny fanafahana azy izy #bahrain

Ali Abunimah [14], mpanao gazety sy mpitolona Palestiniana-Amerikana, nisioka hoe:

@AliAbunimah [15]:  # StopKillingKhawaja (ajanony ny famonoana an'i Khawaja) a lehilahy manan-tsaina no be herim-po i Abdulhadi al-Khawaja. Mendrika hiaina an-kahalalahana izy.

Mpampianatra sady mpikatroka politika John C. Berg, niantso ny Amerikana mba hanery an'i Bahrain:

@jcberg [16]: Fotoana ho an'i Etazonia tia fandrosoana izao hijerena akaiky ny toe-javatra miseho ao #Bahrain [17]; nogadraina ny mpitarika ny mpandala ny zon'olombelona, mitokona tsy hisakafo, fahafatesana no miandry azy

Rasha Abdulla, mpampianatra asa fanaovan-gazety sy serasera ao amin'ny oniversite Amerikana ao Kairo, nisioka momba ny fihetsiketsehana ao amin'ny ambasady Bahrainita ao Kairo:

@RashaAbdulla [18]: الحرية للبحرين.. الحرية للخواجة .. انضموا لنا الآن امام سفارة البحرين بالزمالك #Bahrain# #Alkhawaja#
Fahafahana ho an'i Bahrain… Fahafahana ho an'i Alkhawaja… Tongava miaraka aminay androany eo anoloan'ny ambasady Barhainita ao Zamalek

Ruwayda Mustafa, mpanoratra Britanika-Kiorda no sady feminista, nanambara ny hanaovana fihetsiketsehana ao Londres:

@RuwaydaMustafa [19]: Hanao fihetsiketsehana ho firaisankina miaraka amin'i/Abdulhadi al Khawaja ao Londres isika amin'ny Talata. Tongava mamonjy anay! #StopKillingKhawaja

Tamin'ny 8 Aprily, nisy mpikatroka nisovoka [20] ny pejy Facebookn'ny zotra an-habakabaka nasionaly ao Bahrain, Gulf Air, ka nosoloiny sarin'i Abdulhadi Alkhawaja ny sary famantarana (logo) ny orinasa (Gulf Air).