- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria : Nosamborina tao Damas Ilay Mpikatroka Rima Dali Noho Ny Fanentanany Hampitsahatra Ny Famonoana Olona

Sokajy: Syria, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

“Atsaharo ny famonoana olona. Te hanorina Syria vaovao ho an'ny Syriana rehetra izahay.” Izany no soratra hita tamin'ny sora-baventy nolanjain'i Rima Dali teo anoloan'ny antenimieran'ny Syriana ao Damas, tamin'ny Alahady 8 Aprily lasa teo. Nilaza ireo mpikatroka fa nosamborina izy avy eo. Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho an'i Rima milanja an-kerimpo ilay sora-baventy eo anoloan'ny fiara mandeha, misy vondrom-behivavy kosa etsy ampita mitehaka azy.

Niampanga ny fisamborana azy sy Saffana Baqleh ireo mpikatroka hafa, Saffana no niaraka tamin'i Rima nandritra ny fotoana nisamborana azy. Nosamborina  i Saffana noho ny fanakanany ireo manampahefana tsy hisambotra an'i Rima.

Rima Dali nandritra ny fiaretan-tory ho an'ny maritiora Syriana ao Damas, tamin'ny 2011. Sary tao amin'ny Facebook

Rima Dali, 33 taona, avy any Latakié, tanàna misy serana-tsambo. Manana mari-pahaizana momba ny lalàna tao amin'ny oniversité Alep izy. Mpiara-miombon'antoka amin'ny fampandrosoana ny fahaiza-manao sy ny fiofanana miaraka amin'ny ” United Nations Development Program” (Fandaharan'asam-pampandrosoana an'ny Firenena Mikambana) ary mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Vokovoko Mena no asany ankehitriny. Tamin'ny fanentanana ny “Homs is in our hearts” (ao am-pontsika i Homs) no tena nahafantarana azy, fanentanana natao ahazoana fanampiana maha-olombelona ao Homs.

Nanatsonga ny tenin'i Martin Luther King manaraka ity no famoahana farany nataon'i Rima tao amin'ny pejy Facebook [1]-ny:

“Tokony hadio mangatsakatsaka tahaka ny tanjotsika ny fomba ampiasaintsika hanatratrarana ny tanjotsika”