Fanavaozana (12 Avrily 2012):
Nandà ny lalàna 308 miaro ny biby an-trano ny Filoha Ricardo Martinelli. Araka ny nolazain'ny Filoha, entina hanitsiana fomba fandraisana ny lalàna fotsiny izany. Nisioka izy (@rmartinelli) [es] fa, “ny andininy iray amin'ny lalàna ihany no nosakanana mba ahafahan'ny mpianatra manao fanandramana any an-tsekoly. Ao tsara ny zava-drehetra” Na izany aza, naverina any amin'ny Antenimieram-Pirenena ny lalàna ary mbola tsy manana lalàna miaro azy ireo hatrany ny biby fiompy an-trano.
Neken'ny Antenimieram-pirenen'i Panamà ny lalàna vaovao miaro ny biby fiompy. Nankalaza io lalàna vaovao io tamina lahatsoratra feno fihetseham-po ny Animal & Nature Friend Association of Panama [es] ao amin'ny vohikalany:
Después de muchos meses, mucha persistencia, mucha constancia el Proyecto de Ley 308 es un hecho. Nos unimos, discutimos, se negoció, lloramos, reímos y en el día jueves 15 de marzo de 2012 se hizo historia, el Proyecto de Ley 308 que ampara a los animales domésticos, es un hecho.
Mizara ny andinin-dalàna iray manontolo ho an'ny mpiserasera ao amin'ny vohikalan'izy ireo [es] ny Angels of Animals, vondrona iray natoka-tena hanangona ireo biby mirenireny eny an-dalambe sy hitady toerana vaovao hiainany:
Que contiene las modificaciones y adiciones introducidas al Proyecto de Ley No. 308, “Por medio de la cual se dictan medidas de protección a los animales, reforma normas penales y dicta otras disposiciones para mantener un trato digno a los animales domésticos”.
Mizara ity lahatsary ity ihany koa ireo mpampiasa aterineto mba hampahafantarana ny mahakasika io lalàna io:
Na eo aza izany, sivy ambin'ny folo andro taorian'ny naneken'ny Antenimieram-pirenena an'io lalàna io, mbola tsy nosoniavin'ny filoha izany. Any Panamà, ilaina ny sonian'ny Filoha ny amin'ny hanekena na handavana lalàna iray.
Ny 31 Martsa, nanoratra bitsika feno misitery ny Filoha Ricardo Martinelli (@rmartinelli) [es] milaza fa mety handà ny ampahan'io lalàna 308 io ny tenany:
Aun en legal de la presidencia la ley 308 Tan pronto finalize analisis se firma entera o se veta parcialmente. Igual con seguros, minera.
Tsy nandalo fotsiny io raharaha io tany amin'ireo tambanjotra sosialy, nitarika fihetseham-po maro manohitra ny filoha ary mangataka ny famoahana ny lalàna araka izay haingana indrindra. Noforonina ilay tenifototra #ley308 [es] ary nifamporisika ireo mpampiasa Twitter mba hanoratra any amin'ny Filoha ho fepetra fanerena.
Nampiasa ny teny filamatry ny filoha tamin'ny fampielezan-kevitra i Edward Allen (@DjEdwardAllen) [es], “los locos somos más” (“isika vahoaka adaladala no maro an'isa”), ho fitakiana ny fanekena an'ilay lalàna:
Los que estamos Locos por los Animales somos Mas! Porfavor firme ya la #ley308!! @rmartinelli @angelesanimales
Nanome toky i Elisa Sánchez (@Elisa_TaoTao) [es] fa tsy hitsahatra hanoratra any amin'ny filoha mandra-panaony sonia ilay lalàna:
NO ME VOY A CANSAR DE ESCRIBIR AL PRESIDENTE HASTA QUE NO FIRME LA#LEY308 COMPLETA NO QUEREMOS MAS CRUELDAD DE NINGUN TIPO
Manontany tena i Amie Lurie (@AmieLurie) [es] ny amin'ireo antony manakana ny filoha tsy hanasonia manontolo ilay lalàna ary mampahatsiahy azy izy fa tsy mitsahatra mivoatra ny fitondrany:
Pq tanta vuelta le da para firmar?Q se lo impide??@rmartinelli no todo es jumboferias y el metro tambien hay cosas mas importantes #ley308
Nefa tsy ny olon-dehetra no mizara izany fahamehana izany raha ny mikasika ny fanekena ity lalàna ity. Ao amin'ny bilaogy Chrisfaw [es], milaza ny mpitoraka bilaogy Chris Faw fa mbola misy olana goavana sy maika kokoa noho izany any Panamà, tahaka ny fampihenana ny herisetra mitombo ao amin'ny firenena, na dia nanazava aza izy fa ezaka tsotra sy mendrika ary goavana ny fanandratana io lalàlana io.
Me parece crítico que pongamos tanto empeño en aprobar esto, tomándolo como un problema fundamental y viendo cómo tanta gente se involucra con esto, mientras que muchos panameños pierden la vida a causa de la violencia a manos de otro ser humano. Dice mucho de nosotros como sociedad que haya más interés no provocado* para con la prevención de la violencia contra los animales que para la prevención de la violencia entre las personas.
Mbola miandry ny fanekena na fandavana azy izany lalàna izany raha manohy miady hevitra mafy mikasika io fotokevitra io ny olona ao anatin'ireo tambanjotra sosialy. Na ireo fikambanana iraisam-pirenena aza dia voakasik'izany; nangataka ny filohan'i Panamà hanaiky io lalàna io ny Humane Society International, araka ny filazan'ny La Estrella de Panamá (Ilay kintan'i Panamà) [es] :
“Instamos al presidente Martinelli a promulgar esta ley para proteger a muchos animales de la crueldad”, dijo Alexandra Rothlisberger, directora de programas en América Latina para HSI, en un boletín de prensa.