Ho fanoherana ireo politikam-panavakavahan'ny fanjakana sy ireo fisamborana mitanila, nanapa-kevitra ny handrehitra labozia any an-tranony avy sy hamoaka ny sarin'izany ao amin'ny Twitter ny vondrom-piarahamonina tsy voasoratra ho isan'ny olom-pirenena any Koety (Bedoon). Natolotry ny mpitoraka bilaogy 7anthala Al-Bedoon izany hevitra izany, izay nihevitra fa ho hafatra ho an'ireo manam-pahefana izany : “mitohy ny fiadiana ary tsy hitsahatra ny fanakianan'izy ireo amim-pilaminana mandra-pahazoan'izy ireo ny zony”.
Ny Alarobia 4 Aprily, tototry ny sary ny Twitter satria naneho ny tenany amin'ny fombany avy ny vahoaka miaraka amin'ireo labozia, mampiasa ny tenifototra #شمعة_حرية_وأمل izay midika hoe “labozian'ny fahafahana sy finoana iray”.
Indro misy sary vitsivitsy avy amin'ireo sary nozaraina:

Sary navoakan'i @m_mubher misy tenina poeta Palestiniana Mahmoud Darwish: manao tahaka ny ataon'ireo voafonja sy ireo tsy an'asa isika; mitombo finoana.

Mpianatr'i Bedoon roa any Jordana izay manoratra "Bedoon" (tsy) mampiasa labozia (navoakan'i @alenazi90)

"Group 29", vondrona mafana fo any Koety izay mifototra amin'ny zon'i Bedoon, naka ity sary ity ho fanohanana (,navoakan'i @al29ela)

Zazavavy telo mitazona "Hatramin'ny oviana isika no tsy ho voaisa ho olom-pirenena?" (navoakan'i @7MODQ8)
Ireto sary roa manaraka ireto dia nalefa ho an'ny mpitoraka bilaogy 7anthala:

Sarin'ilay andinin-dalàna mikasika ny tsy fitovian'ny lalàm-panorenan'i Koety, miaraka amina labozia
Mampiseho labozia mirehitra eny amin'ny sisin-dranomasina ity lahatsary ity, nampiakarin'ny mpisera arzag1:
http://www.youtube.com/watch?v=C39NKQpWn9o
Ary lahatsarina labozia sy sora-baventy akaikina finday mandefa lahatsarim-panoherana nataon'ny Bedoon, nampiakarin'ny mpisera fal3nze: