Tantara tamin'ny 09 Avrily 2012
Syria : Nosamborina tao Damas Ilay Mpikatroka Rima Dali Noho Ny Fanentanany Hampitsahatra Ny Famonoana Olona
"Atsaharo ny famonoana olona. Te hanorina Syria vaovao ho an'ny Syriana rehetra izahay.” Izany no teny hita tamin'ny sorambaventy nolanjain'i Rima Dali teo anoloan'ny antenimieran'ny Syriana ao Damas, tamin'ny Alahady 8 Aprily lasa teo, taorina kely ny nisamborana azy.
Tonizia: Fahatezerana Noho Ny Fandraràna Tsy Hanao Fihetsiketsehana
Naneho ny fahatezerany ny mpiserasera Toniziana noho ny fandraràna ny olona tsy hanao fihetsiketsehana ao amin'ny arabe midadasika Habib Bourguiba ao Tunis, arabe midadasika ao an-drenivohitra izay mitovy lanja amin'ny...
Fifaninanana Lahatsary Firefox Flicks
Ny fifaninana manerantany Firefox Flicks dia hanome loka ho an'izay lahatsary fampianarana fohy ho an'ny mpiserasera mikasika ny olana momba ny fiainan'olona manokana, ny safidy, ny kirakira afa-mifampiditra sy ny fanararaotra amin'ny...
Koety: Mandrehitra Ny Labozian'ny Fahafahana Ny Bedoon
Ho fanoherana ireo politika fanavakavahan'ny fanjakana sy ireo fisamborana mitanila, nanapa-kevitra ny handrehitra labozia any an-tranony avy sy hamoaka ny sarin'izany ao amin'ny Twitter ny vondrom-piarahamonina tsy voasoratra ho isan'ny olom-pirenena any Koety (Bedoon).
Libanona: Fankalazàna Ny Alahadin'ny Sampandrofia Sy Ny Paska
Fankalazana fety kristianina roa no notontosaina ny 8 avrily 2012 tany Libanona fa nankalaza ny Alahadin'ny Paska ny fiangonana manaraka ny fanisanandro Gregorianina raha mbola mankalaza ny Alahadin'ny Sampandrofia (Sampakazo) kosa ny fiangonana manaraka ny fanisanandro julien.
Panamà: Mandrisika Ny Filoha Hanasonia Ny Lalàna Miaro Ny Biby Ireo Mpampiasa Aterineto
Nanaiky lalàna vaovao miaro ny biby fiompy ny Antenimieram-pirenenan'i Panamà. Andro maro aty aoriana nefa, mbola miandry ny faneken'ny filoham-pirenena izany lalàna izany. Mandritra izy fotoana izay, miady hevitra mikasika io lalàna io ireo mpampiasa aterineto ao anatin'ireo tambanjotra sosialy, manosika ny fanekena izany amin'ny alalan'ny fandefasan-kafatra mba hangatahana ny Filoha hanasonia izany.
Lahatsary: Fikambanana Tsy Maka Tombombarotra Mampiseho ny Asany an-Dahatsary Nahazoany Loka
Nambara tamin'ny 5 Aprily 2012 lasa teo ny mpandresy tamin'ny Loka doGooder andiany faha-enina ho an'ny lahatsary mendrika indrindra avy amin'ny Fikambanana Tsy Maka Tombombarotra . Ireto avy ny lahatsary nandresy izay...