Bahrain: Fankalazàna sy Fitsikerana Mitsena ny “Manama, Renivohitry ny Kolontsaina Arabo 2012″

Tamin'ny 2 Febroary,  natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny “Manama, Renivohitry ny Kolotsaina Arabo 2012” (@ManamaCulture12). Nefa nandritra izany fankalazàna izany, tany an-kafa tany an-drenivohitra kosa dia rava ny tolona nataon'ireo mpanohitra.

Ny Renivohitry ny Kolotsaina Arabo dia hetsika ataon'ny Ligy Arabo amin'ny Lamin'asa momba ny Renivohitry ny Kolotsaina nataon'ny UNESCO. Maro ireo nitsikera ny nanomezana an'i Manama izany anarana izany tamin'ity taona ity, ary niantso “boycott” (fahirano), noho ny “fanaovana tsindrihazolena” ataon'ny fanjakàna amin'ireo mpanao fihetsiketsehana miaro no demokrasia, ary ahitàna mpanoratra sy mpanakanto amin'izy ireo (ny sasany tamin'izy ireo dia voatery nanao sesitany ny tenany). Ireo Bahraini sasany dia nanao tsara fandraisana ny fiatombohan'ity taonan'ny hetsika ara-kolotsaina ity, ary mandray izany ho fomba fampisehoana endrika tsara an'i Bahrain amin'izao tontolo izao.

Raha nijery ny fampitàna mivantana ny fanokafana ny Manama Renivohitry ny Kolotsaina Arabo 2012 tamin'ny fahitalavitra izy, nanambara ilay mpampiasa twitter Rasha Yousif (@RshRsho) :

@RshRsho: Faly fa Bahraini ! #ManamaRenivohitrynyKolotsainaArabo2012

Gaga tamin'ny asan'ny Ministeran'ny Kolotsaina i Fawaz Al Muhandis (@Fawazu), mpampiasa Twitter:

@Fawazu: Mieritreritra aho fa miasa amin'ny lalana tsara ny @MOC_BH amin'ny fampisehoana endrika tsara an'i Bahrain #ManamaRenivohitrynyKolotsainaArabo2012 misaotra!

Momba ny tsingerintaona voalohany fanombohan'ny Fanoherana tamin'ny 14 Febroary, sy ny fifandirana nanaraka izany, nilaza i @JulesALK, mpampiasa Twitter:

@JulesALK: #ManamaRenivohitrynyKolotsainaArabo2012 Faly mahita ny fankalazàna mahafinaritra androany. Tsy maintsy hanka fy ny Febroary isika. Tsara fanombohana #Bahrain

Tany amin'ny fankalazàna i Khalid Al-Rowaie (@kalrowaie), mpanoratra sady mpandamina tantara tsangana ho an'ny Ministeran'ny Kolotsaina Bahraini, izay nahitàna fampisehoan-kira nitondra ny lohateny hoe “Ny lalan'ny vakana” momba ny orinasa mpikarakara vakana any Bahrain. Namoaka ity sary ity izy:

Fampisehoan-kira nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny Manama, Renivohitry ny Kolotsaina Arabo 2012, nitondra ny lohateny hoe "Ny lalan'ny vakana". Sary avy amin'i @kalrowaie, mpampiasa Twitter.

Ny tsikera atao matetika momba ny hetsika ara-kolotsaina any Bahrain dia ny hoe maro amin'ireo mpanakanto mandray anjara no tsy teratany Bahraini. Tsy ireo rehetra nijery ny fankalazàna ny Renivohitry ny Kolotsaina Arabo no talanjona, satria nahatsiaro izy ireo fa tsy mampiseho ny kolotsaina Bahraini izany. Nanoratra ilay mpampiasa Twitter  @_MKAlKhalifa :

@_MKAlKhalifa: Dihy Bahraini Ejiptiana? :/ #Oainina #ManamaRenivohitrynyKolotsainaArabo2012 #Bahrain

@_MKAlKhalifa: #Tsara sady tsy manam-paharoa ny kolotsain'i Bahrain, nefa tsy mampiseho izany ny fanokafana ny #ManamaRenivohitrynyKolotsainaArabo2012!

Nanatrika ny fanokafana ny fankalazàna ihany koa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Bahraini, Shaikh Khalid Alkhalifa (@khalidalkhalifa), ka namoaka sarin'izany fampisehoana izany, ary nanoratra [ar]:

@khalidalkhalifa: طريق اللؤلؤ ، ينطلق بالدانة .. معشوقة الغواص
Manomboka amin'ny Dana, Vakana ankamamian'ny mpilomano, ny Lalan'ny Vakana

Fampisheoan-kira nandritra ny fanokafana ny fankalazàna ny Manama, Renivohitry ny Kolotsaina Arabo 2012, called "The Path of Pearls". Image posted by Twitter user @khalidalkhalifa.

Namaly ny tweet nalefan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ilay mpanao gazety Hussain Mansoor (@Hu4mansoor) momba ilay Sampanam-bakana potika, toeram-pivorian'ireo mpanao fihetsiketsehana miaro ny demokrasia, ka nilaza fa [ar]:

@Hu4mansoor: ليس طريقا للؤلؤ ذاك الذي لا يمر على دوار اللؤلؤة. #bahrain #14feb
Tsy Lalan'ny Vakana io raha tsy mitondra mankany amin'ny sampanam-bakana.

Nilaza ny mpanao gazety Reem Khalifa (@Reem_Khalifa) [ar]:

@Reem_Khalifa:في عاصمة الثقافة العربية لا مكان لحرية الرأي والاستقلالية في القضاء وشفافية المعلومة بل قمع ثقافة الآخر واحتقار الإنسان الحر
Any amin'ny Renivohitry ny Kolotsaina Arabo tsy misy toerana ho an'ny fahalalahana maneho hevitra, fahaleovantenan'ny fitsaràna, ary fangaraharan'ny vaovao, fa ho an'ny famonoana ny kolotsain'ny hafa sy ny fankahalàna ny olon'afaka.

Koa satria tao amin'ny Mozeam-Pirenena no natao ny fanokafana ny fankalazàna, tao afovoan'i Manama ireo mpanao fihetsiketsehana no nivory, ho an'ny fivoriana isan-kerinandro antsoina hoe Diaben'i manama, izay noravan'ny manampahefana tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso (izay melohin'ireo fikambanana mpiahy ny zon'olombelona ny fampîasàna azy diso tafahoatra any Bahrain).

Setroka baomba mandatsa-dranomaso tany afovoan'i Manama ho fandravàna ny diaben'ny mpanohitra. Sary avy amin'i @sorr0w mpampiasa Twitter.

Nanoratra ny mpampiasa Twitter @Intelligensia1 [ar]:

@Intelligensia1:المنامة الآن تجمع النقيضين تماماً.. مثقفي السلطة في المتحف الوطني.. وشعب مثقف في أزقتها مخنوق بثقافة السلطة #Bahrain #14feb #Alwefaq
Any Manama amin'izao fotoana izao dia misy zavatra roa mifanohitra tanteraka… Ireo manampahaizam-panjakàna ao amin'ny Mozeam-Pirenena ary ireo olona tsara taiza kosa sempotry ny kolotsaim-panjakàna eny an-dalambe

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.