- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Mametraka Ny Tenany Eo Ambany Fanaraha-maso I Ai Weiwei, Mpanakanto Mpanohitra

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Nametraka kamera kely mandeha mivantana [1] efatra tao an-tranony any Beijing ilay mpanakanto Sinoa misongadina Ai Weiwei [2] ho mariky ny fanoherany ny fanaraha-mason'ny mpitandro filaminana mandritra ny 24 ora. [Fanavaozana: Nanome baiko [3] an'i Ai hamono ireo kamera keliny ny manampahefana Sinoa omaly 4 Aprily.]

Tamin'ny taona lasa; ny 3 Aprily [4] [zh], voasambotra tany amin'ny fiantsonan'ny fiaramanidin'i Beijing i Ai Weiwei noho ny filazana azy ho “mandrahona ny fiarovana ny firenena”. Toa ampahany amin'ny fanakatsakanana ny antso ho an'ny Fanovàna Sinoa Jasmine [5] nalaina tahaka tamin'ilay Lohataona Arabo. Notanana tanatina toerana miafina nandritra ny 81 andro i Ai ary nohadihadiana maherin'ny in-50 noho ny fampisaraham-bazana ny firenena, heloka ara-toekarena, tsy fandoavan-ketra, fizarana sary mamoafady sy vetaveta, fanambadiana olona roa, fanakalozam-bola tsy ara-dalàna sns.. Efa nofotorana izy hatramin'ny 22 Jona  2011 izy. Avy eo dia narahan'ny mpitandro filaminana maso tsy tapaka. Farafahakeliny 15 ny isan'ireo kamera ivelan'ny tranony.

Napetraka [6] mirazotra amin'ny fafan'ny solosainy sy akaiky ny valindrihana ireo makera kely efatra mba hanara-maso ny birao fiasàny, ny tokontany sy ny efitrano fatoriany. Ity eto ambany ity dia sary azo tamin'ny fotoana natoriany ny 3 Aprily:

[7]

Kamera ao amin'ny Efitrano fatorian'i Ai

Raha nankalaza ny tsingerintaona nanjavonany i Ai Weiwei, nanadihafy an'i Ai tao amin'ny Twitter ilay mpiaro ny zon'olombelona sady naman'i Ai, Liu Xiaoyuan:

@刘晓原律师: 今天是@aiww失踪一周年“纪念”日,请问@aiww是否想过将来哪一天还会有类似经历?

@Liu_xiaoyuan [8] [zh}: Androany no tsingerintaona nanjavonan'i @Aiww. @Aiww, mihevitra ve ianao fa mbola hiatrika tranga tahaka izany indray amin'ny hoavy?

@Aiww: 随时都有可能

@Aiww [9] [zh]: Amin'ny fotoana rehetra

@刘晓原律师: 采访一下@aiww:在去年四月三日以前,是否想过会有被失踪的一天?曾有网友说过,凭你在杨佳案时写的文章,就足以判你个煽覆罪,坐个十年八年的牢。之所以当年不抓你,是因为你父亲曾是高官?我不明白的是,为何在杨案件过去近三年后,又把你给抓了?难道你真是“反话”势力总指挥?

@Liu Xiaoyuan [10] [zh]: @Aiww: Talohan'ny 3 Aprily tamin'ny herintaona, efa nieritreritra ve ianao fa mety hanjavona tahaka izany? Nisy mpisera aterineto vitsy nilaza fa mety ho porofo iray “mandrisika ny fisaraham-bazana ” ny hevitrao momba an'iYang Jia [11] [mpamono  mpitandro filaminana tao Shanghai] ary niampanga anao ho tanana an-tranomaizina mandritra ny 10 taona. Ny antony nahatonga azy ireo tsy hihetsika dia noho ny toerana misy ny rainao. Ny zavatra tsy azoko dia ny hoe maninona no telo taona taorian'ny raharaha Yang Jia ianao no nosamborin'izy ireo? Tena lehiben'ny hery manohitra an'i Shina marina ve ianao?

@Aiww: 我从来没有幻想,我父亲曾承受更大折磨,我公开承认是反华势力。

@Aiww [12] [zh]: Tsy naka sary an-tsaina an'izany velively aho. Narary mihoatra noho izany ny raiko raha nilaza malalaka aho fa mpikambana ao amin'ny hery mpanohitra an'i Shina ny tenako.

@刘晓原律师: 采访@aiww:你是一个艺术淫,为何不搞一些歌颂伟大祖国的作品,专喜搞什么草泥马之类的东西?你是天性喜欢与国家势力作对吗?

@Liu_xiaoyuan [13] [zh]: Fanontaniana fanadihadiana ho an'i @aiww: mpanakanto ianao, maninona ianao no tsy manao zava-kanto vitsivitsy hanandratana ny firenenao? Ho setrin'izay, milalao ny “soavalin'ny bozaka sy ny fotaka” (endri-panoherana ny sivana aterineto) ianao… moa ve ianao tsy nivoady ho fahavalon'ny firenena?

@Aiww: 言论自由是生命的权利,是生命的属性,祖国在我的生存经验中伤害了如此原则。

@Aiww [14] [zh]: Zon'olombelona fototra ny fahalalahana miteny, mamaritra ny fiainana izany. Tao anatin'ny zavatra nihatra tamiko, nanimba izany fepetra izany indrindra ny tanindrazako.

@刘晓原律师: 你会象王立军躲进米帝使馆吗?

@Liu_Xiaoyuan [15] [zh]: Hitsoaka any amin'ny Konsiolàn'i Etazonia tahaka an'i Wang Lijun [16] koa ve ianao?

@Aiww: 王吃了一次亏,奥胆怯呢。

@Aiww [17] [zh]: Lavo i Wang. Tsy mba mahery fo be tahaka azy aho.

Misy fanazavana ny fihetsiny amin'ny fomba tsy dia maneso kokoa hita ao amin'ny New York Times. Nilaza [18] i Ai Weiwei tao amin'ilay tambanjotram-baovao:

Feno fanaraha-maso sy famoretana teo amin'ny fiainako – ny findaiko, ny solosainako. Nanaovana fisavana ny biraonay. Nokarohana ny tenako, isanandro aho dia misy mitsongo dia, misy kamera fanaraha-maso eo anoloan'ny tranoko. Noho izany dia nihevitra aho hoe maninona moa raha asiako [kamera] vitsivitsy eny amin'izay afaka mahita ny fihetsiko daholo ny olon-drehetra. Vitako izany ary ny ankilany  [ireo manam-pahefana] ihany koa dia afaka maneho fangaraharana kely.

(Lahatsoratra niara-nosoratana tamin'i Oiwan Lam [19])