Tamin'ny Alatsinainy 2 Aprily 2012, miaramila efatra sy polisy enina nalain'ny Tafika Revolisionera ao Kolombia (FARC) an-keriny tamin'ny taona 1998 na 1999, no noafahan‘ireo vondrona mpioko mitam-piadiana ireo ihany tao amin'ny faritra ambanivohitra eo anelanelan'i Meta sy Guaviare (atsimo-atsinanan'i Kolombia). Nambaran'ny FARC ny fanafahana ireo takalonaina enina tamin'ny taon-dasa, ary tamin'ny volana Febroary, nanambara ny vondrona fa hiala amin'ny fakàna an-keriny izy ireo ary hoahafahany ireo takalonaina ambiny.
Mbola ilay senatera teo aloha Piedad Córdoba sy ny vondrona antsoina hoe Colombianos y Colombianas por la Paz (Kolombiana ho amin'ny Fandriampahalemana, CCP) ihany no nifampiraharaha tamin'izao fanafahana izao. Angidimby Breziliana roa no niala tao amin'ny seranam-piaramanidina Villavicencio haka ireo takalonaina, niaraka tamin'ny solontena roa ao amin'nyVokovoko-mena Iraisampirenena (ICRC), Ramatoa Córdoba sy Olga Amparo Díaz avy ao amin'ny CCP.
Tamin'ny 17:40 COT (22:40 UTC) niverina tao Villavicencio ny angidimby nitondra ireo takalonaina teo aloha mba hoafahana. Minitra fohy taty aoriana, nalefa natao fizahana ara-pahasalamana vetivety izy ireo alohan'ny nanaterana azy ao Bogotá, toerana nihaonany tamin'ireo fianakaviany sy nandraisany fikarakarana ara-pahasalamana tsara kokoa;
Fanehoan-kevitra an'arivony no nameno ny Twitter mikasika izany vaovao izany.
Diana Lara (@LaCura_) ni-tweet hoe:
¿cual es la indignación de los uribistas con que se televisen las liberaciones? ¿que han hecho ellos para gestionar al menos UNA? ¡NADA!
Mario Cabrera (@amarilloazulado) kosa nankalaza ny fanafahana ireo takalonaina tao anatin'ny fahamalinana:
Que felicidad por la liberación de los secuestrados. No se puede olvidar a quienes los retuvieron por 14 años. #NoMasfarc
Angela Ospina (@aodenicholls) nampahatsiahy ireo mpanaraka azy ao amin'ny Twitter fa mbola misy olo-tsotra tazonin'ny FARC:
ONG Pais Libre dice q aun existen 407 secuestrados en manos de las FARC. existirá quien medie x su regreso a casa? Nos quedaremos callados?
José Carlos García R (@JoseCarlosTecno) nanoratra hoe:
Luego de 14 años de secuestro vil e infame, esta ‘buena voluntad’ de las Farc debe ser contestada con un buen bombardeo…
Ny sasany nivazivazy, tahaka an'i El Chiflamicas (@elchiflamicas):
The Walking Dead! RT @Hora20: Hoy en H20: 10 secuestrados regresan a la vida…
Tsy ny mpisiokantserasera rehetra no nankalaza ny famoahana ireo takalonaina. Ramiro Castañeda (@ramiroski_) ni-tweet:
Yo, la verdad, siento rabia e indignación, al ver a estos hombres con media vida acabada por culpa de los terroristas de las farc. No olvido
Daniel Arango (@stultaviro) nahatsiaro ilay takalonaina teo aloha Ingrid Betancourt izay nikasa hitory ny fanjakana:
Muy bueno por los liberados. Mañana demandan al estado y pagamos todos.
Julieth Beltrán (@JuliethBlues) nahatsiaro fanafahana olona hafa:
A mí nunca se me va a olvidar cuando liberaron a Moncayo y muchos dijeron que parecía guerrillero. Hasta allá llegaron…
Nandritra izany, Andrea Salazar (@MssSookie) nilaza ny heviny mikasika ity fanafahana ity sy ny fangalana ankeriny amin'ny ankapobeny:
Ver esto me hace doler el país. Me alegra que recuperen su libertad. Pero la alegría no supera el dolor de lo que en ppio no debería ser.
Juliana Fitzgerald (@Julianitra naneho hevitra misy esoeso tamin'ity fanafahana ity:
Vivo en el país más extraño del mundo, un paraiso que hace la guerra proclamando la paz.
Tahaka izany ihany koa, Luis G. Forero (@LuisGForero) nanamarika hoe:
Las liberaciones NO son un acto humanitario que hay que agradecer, pero SÍ son un gesto político que hay que apreciar en toda su dimensión
Diego Pava (@salentoq) nanao fanoharana ny amin'i William Domínguez, takalonain'ny FARC teo aloha noahafana tamin'ny taona 2009 ary nisy namono nandritra ny fifanjevona tanaty trano fisotroan-toaka tamin'ny volana Septambra 2011:
Y el gobierno debe aislar en lo posible a estos secuestrados de la prensa, no queremos mas soldados Dominguez
Liberación humanitaria? Después que lo tuvieron en un campo de concentración y encadenados como animales.
Colombia en ruinas (@PaisEnRuinas) nilaza ny amin'ny andraikitry ny tafika:
Este es un triunfo de nuestro Ejército que nunca cedió a los requerimientos de los terroristas, los asedió y fueron obligados a liberarlos.
Farany, Camilo Martínez N. (@CamiloMartinezN) nanambara hoe:
OJO, comunidad internacional debe recordad que el criminal, asesino, terrorista y secuestrador son las farc! No olvidar!! No caer en juego!
Ireo noafahana (daty nitazonana azy ireo an-keriny): Serzàn'ny Tafika Luis Alfonso Beltrán Franco (1998-03-03), Serzàn'ny Tafika Luis Arturo Arcia (1998-03-04), Serzàn'ny Tafika Robinson Salcedo Guarín (1998-08-03), Serzàn'ny Tafika Luis Alfredo Moreno Chagüeza (1998-08-03), Polisy Carlos José Duarte (1999-07-10), Polisy César Augusto Lasso Monsalve (1998-11-01), Polisy Jorge Trujillo Solarte (1999-07-10), Polisy Jorge Humberto Romero (1999-07-10), serzà sefo Polisy José Libardo Forero (1999-07-10), ary ny Polisy Wilson Rojas Medina (1999-07-10).