Araka ny tarehimarika avy any amin'ny Ministeran'ny Atitany Ejypsianina, mahatratra 4 tapitrisa ireo vehivavy [2] eto amin'ny firenena no tsy manana kara-panondro. Ny vehivavy tsy manana kara-panondro dia tsy manan-jo hanan-tany [3], tsy afaka mividy na mivarotra tapakilan-drenivola ary tsy afaka mandova [4] raha misy ny fahafatesana eo amin'ny fianakaviana. Mandrara ny vehivavy tsy hiditra amina karazana raharaham-panjakana ihany koa ny tsy fananana karapanondro, anisan'izany ny fampianarana, ny fahasalamana, ny zo hifidy sy ireo zo fototra ara-tsosialy hafa. Ary noho izany indrindra no nanombohana ny fanentanana izay mikendry ny hampanana karampanondrom-pirenena ho an'ny vehivavy rehetra.
Antsoina hoe “Ny karapanondronao, Ny Zonao” “Your ID, Your Rights” ny fanentanana ary ny tanjona dia ny hanatontosana karapanandro 2 tapitrisa maimaimpoana ho an'ny vehivavy Ejyptiana. Hatomboka amin'ny tetikasa fitaratra mandritra ny telo volana [5] izany.
Araka ny fanentanana ao amim'ny pejy Facebook:
المرحلة التجريبية سوف تشمل الـ 3 شهور القادمة (ابتداءا من مارس) و سوف تبدأ في محافظة القليوبية و هي تضم 14 مركز و تهدف أكثر من 40 ألف سيدة لا تملك بطاقة رقم قومي. تم أختيار المراكز التالية فى محافظة القليوبية للمرحلة التجريبية: مركز بنها، مركز قليوب، مركز شبين القناطر ومركز القناطر الخيرية
Tsy ity no fanentanana voalohany [8] hiezahana hanatrarana ny tanjona mitovy amin'izao fotoana, na dia izany aza, ity indray mitoraka ity dia nahazo fanohanana avy amina ONG isan-karazany, anisan'izany ny UN Women (United Nations Entity for Gender Equality sy ny Empowerment of Women [9]) (Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Miralenta sy ny Fahaleovantenan'ny Vavy), UNDP (United Nations Development Program [10](Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana), MSAD (Ministry of State for Administrative Development [11](Ministeram-panjakana ho amin'ny Fampandrosoana ny Fitantanana), SFD (Social Fund for Development [12](Fanampiana ara-tsosialy ho amin'ny Fampandrosoana), MoFA (Ministry of Foreign Affairs [13](Ministeran'ny Raharaham-bahiny), sy ny sisa hafa. Nampiasa ny fifampitam-baovao sosialy ihany koa ny mpikarakara ny fanentanana mba hampahafantarana bebe kokoa momba ny tetikasa. Nanangana kaonty tao amin'ny Twitter [14] sy Facebook [15] izy ireo ho fanentanana momba ny olana misahana ny miralenta.
Toy izao no nalefan'izy ireo tao amin'ny Twitter:
Farany, mangataka ny fiaraha-miasan'ny mpiserasera izy ireo amin'ny fanentanana amin'ny alalan'ny fampitana siokantsera na “rettweet” ao amin'ny Facebook sy Twitter.
Indreto ny olona nangatahana hentanin'ny mpiserasera: