Araka ny tarehimarika avy any amin'ny Ministeran'ny Atitany Ejypsianina, mahatratra 4 tapitrisa ireo vehivavy eto amin'ny firenena no tsy manana kara-panondro. Ny vehivavy tsy manana kara-panondro dia tsy manan-jo hanan-tany, tsy afaka mividy na mivarotra tapakilan-drenivola ary tsy afaka mandova raha misy ny fahafatesana eo amin'ny fianakaviana. Mandrara ny vehivavy tsy hiditra amina karazana raharaham-panjakana ihany koa ny tsy fananana karapanondro, anisan'izany ny fampianarana, ny fahasalamana, ny zo hifidy sy ireo zo fototra ara-tsosialy hafa. Ary noho izany indrindra no nanombohana ny fanentanana izay mikendry ny hampanana karampanondrom-pirenena ho an'ny vehivavy rehetra.
Antsoina hoe “Ny karapanondronao, Ny Zonao” “Your ID, Your Rights” ny fanentanana ary ny tanjona dia ny hanatontosana karapanandro 2 tapitrisa maimaimpoana ho an'ny vehivavy Ejyptiana. Hatomboka amin'ny tetikasa fitaratra mandritra ny telo volana izany.
Araka ny fanentanana ao amim'ny pejy Facebook:
المرحلة التجريبية سوف تشمل الـ 3 شهور القادمة (ابتداءا من مارس) و سوف تبدأ في محافظة القليوبية و هي تضم 14 مركز و تهدف أكثر من 40 ألف سيدة لا تملك بطاقة رقم قومي. تم أختيار المراكز التالية فى محافظة القليوبية للمرحلة التجريبية: مركز بنها، مركز قليوب، مركز شبين القناطر ومركز القناطر الخيرية
Tsy ity no fanentanana voalohany hiezahana hanatrarana ny tanjona mitovy amin'izao fotoana, na dia izany aza, ity indray mitoraka ity dia nahazo fanohanana avy amina ONG isan-karazany, anisan'izany ny UN Women (United Nations Entity for Gender Equality sy ny Empowerment of Women) (Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Miralenta sy ny Fahaleovantenan'ny Vavy), UNDP (United Nations Development Program(Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana), MSAD (Ministry of State for Administrative Development(Ministeram-panjakana ho amin'ny Fampandrosoana ny Fitantanana), SFD (Social Fund for Development(Fanampiana ara-tsosialy ho amin'ny Fampandrosoana), MoFA (Ministry of Foreign Affairs(Ministeran'ny Raharaham-bahiny), sy ny sisa hafa. Nampiasa ny fifampitam-baovao sosialy ihany koa ny mpikarakara ny fanentanana mba hampahafantarana bebe kokoa momba ny tetikasa. Nanangana kaonty tao amin'ny Twitter sy Facebook izy ireo ho fanentanana momba ny olana misahana ny miralenta.
Toy izao no nalefan'izy ireo tao amin'ny Twitter:
Farany, mangataka ny fiaraha-miasan'ny mpiserasera izy ireo amin'ny fanentanana amin'ny alalan'ny fampitana siokantsera na “rettweet” ao amin'ny Facebook sy Twitter.
Indreto ny olona nangatahana hentanin'ny mpiserasera: