- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices: Mampahafantatra ny Vovonan'ny Fifampitam-baovaon'Olo-tsotra Taona 2012 Hotontosaina ao Nairobi, Kenya

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Summit 2012

Faly izahay mampilaza ny Vovonan'ny Fifampitam-baovaon'olo-tsotra ao amin'ny Global Voices taona 2012 [1]! Ao Nairobi, Kenya no toerana hanaovana izany amin'ny 2-3 Jolay 2012, miara miasa aminay amin'izany ny iHub [2] ao Nairobi.

Tsidiho ny tranokalan'ny Vovonana [1] ahitana vaovao fanampiny momba ny tanjon'ny fihaonana [3] – Alefanay tsy ho ela ny mikasika ny antsipirihan'ny fisoratana anarana sy ny tsara ho fantatra.

Omenay ao anatin'ny andro na herinandro vitsy ny fandaharam-potoana, ny  mombamomba ireo handray fitenenana, ary ny lisitr'ireo hanatrika ary ny zavatra maro hafa — ary aza adinoina ny mijery ny tranonkala mba ahitana lahatsoratra bilaogy na fanehoan-kevitra avy amin'ny mpandray anjara amin'ny vovonana sy ny hafa, mbamin'ny fandraisa anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra.

Azo notanterahana ny Vovonan'ny Olo-tsotra Mpampita-vaovao ao amin'ny Global Voices taona 2012 noho ny fanohanan'ireo malala tanana: Google [4], Hivos [5]MacArthur Foundation [6]Open Society Institute [7], Adessium Foundation [8]Knight Foundation [9] ary Yahoo! [10].

Current major sponsors include MacArthur Foundation, Google, Open Society Institute, Knight Foundation and Yahoo!