Faly izahay mampilaza ny Vovonan'ny Fifampitam-baovaon'olo-tsotra ao amin'ny Global Voices taona 2012! Ao Nairobi, Kenya no toerana hanaovana izany amin'ny 2-3 Jolay 2012, miara miasa aminay amin'izany ny iHub ao Nairobi.
Tsidiho ny tranokalan'ny Vovonana ahitana vaovao fanampiny momba ny tanjon'ny fihaonana – Alefanay tsy ho ela ny mikasika ny antsipirihan'ny fisoratana anarana sy ny tsara ho fantatra.
Omenay ao anatin'ny andro na herinandro vitsy ny fandaharam-potoana, ny mombamomba ireo handray fitenenana, ary ny lisitr'ireo hanatrika ary ny zavatra maro hafa — ary aza adinoina ny mijery ny tranonkala mba ahitana lahatsoratra bilaogy na fanehoan-kevitra avy amin'ny mpandray anjara amin'ny vovonana sy ny hafa, mbamin'ny fandraisa anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra.
Azo notanterahana ny Vovonan'ny Olo-tsotra Mpampita-vaovao ao amin'ny Global Voices taona 2012 noho ny fanohanan'ireo malala tanana: Google, Hivos, MacArthur Foundation, Open Society Institute, Adessium Foundation, Knight Foundation ary Yahoo!.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...