Etiopia: Tratran'ny Findain'ny Kamera ny Fanararaotana Natao Tamin'ny Ankizy

Naneho hevitra mikasika ilay finday nandrakitra lahatsary tao amin'ny Youtube ny mpiserasera Facebook Etiopiana,  lahatsary izay mampiseho zazavavy kely iray ampijalian'ny reniny tsy an-kiato. Fotoana fohy taorian'ny fandraketana ny sary, nikarakara fanentanana antserasera ho amin'ny rariny ny mpiserasera Facebook tamin'ny alalan'ny fananganana vondrona Facebook antsoina hoe “Etiopiana Manohitra ny Fanararaotana Ankizy”:

Mikasika ny

zava-nihatra tamin'ity ankizy vavy ity dia tranga hitan'ny masontsika rehetra. Andeha hitsangana isika manoloana ireo ankizy hafa izay tsy hitantsika ny mahazo azy, ka  hanao fanentanana ho fampitsaharana ny fananararaotana atao amin'ny ankizy eto ETIOPIA. Isika no taranaka ho avy afaka hitondra fanovana eto amin'ny firenentsika, andao atomboka anio izany.

Famaritana

Satria  narahintsika akaiky ny zava-nitranga tamin'ity ankizy vavy ity, te-handinika ny fomba ahafahantsika manohy ny ezaka lehibe amin'ny alalan'ny fihetsika kely tahaka ny nataontsika teo ihany koa isika , tao anatin'izay roa  andro lasa izay. Ity fiarahamonina  (Etiopiana Manohitra ny Fanararaotana Ankizy) ity dia vondrona natokana hanao fanentanana manoloana ny fanararaotana ny ankizy ao Etiopia. Manasa ny rehetra izahay sy ireo olona efa niasa tamin'ny asa fanasoavana, ny olona liana amin'ny asa soa, sy ny olona vonona handroso mba hanatevi-daharana ny hetsika iantsorohanay

Ahitana ireo votoaty manafintohina ity lahatsary manaraka ity:

Ity  vaovao farany manaraka ity dia navoaka tao amin'ny rindrin'ny vondrona:

VAOVAO FARANY: vao avy niresaka tamin'ny finday niaraka tamin'i Saifu Fantahun izahay ka fantatray fa: 1. taorian'ny nialan'ny mpanao gazety ny trano, novonoina indray ilay ankizy, ahitana diana-vono vaovao eo amin'ny vatany mba hanaporofoana izany 🙁 2. Tsy reniny ilay vehivavy, fa renibeny  3. Efa-taona ankehitriny ilay zaza ary nilaza izy ireo fa efa telo taona lasa no nitranga izao toe-javatra izao, izay hita mazava fa lainga fotsiny. Satria tsy herintaona ilay zaza jerena ao amin'ny lahatsary. 4. ilay reniny sy ilay vehivavy izay nandrakitra izany lahatsary izany dia samy notazonina. 4. Mijanona eny amin'ny nenitoany hatramin'izao ilay ankizy. 5. Nilaza ilay renibeny fa misy devoly izy  indraindray ka izany no mahatonga azy manao zava-dratsy tahaka izany.

Vondrona Facebook hafa antsoina hoe “Stop child abuse In Ethiopia” (Atsaharo ny fanararaotana ny ankizy ao Etiopia):

Ity vondrona ity dia natokana ho an'ireo ankizy izay niharan'ny herisetra ara-batana, na ara-tsaina, filàna ara-nofo, fakàna an-keriny sy ny mariazy aloha loatra. Ny antom-pisian'ity vondrona ity dia noho ny fampijaliana feno herisetra ara-batana nataon'ny ray aman-dreniny tamina ankizivavy iray.
Nandray ny andraikiny ny vondrona mba hampiely ny vaovao araka izay tratra mba hanairana ny sain'ireo tomponandraikitra samihafa mikasika izany olana izany.
Araka izany,  andeha isika hiezaka hanova ny zavamisy amin'ny alalan'ny fanasana ny namantsika hiditra ato amin'ny vondrona, manasà olona roa amin'ny namanao farafahakeliny. Misaotra

Tsedi Lemma, iray amin'ireo mpitolona mavitrika Etiopiana amin'ny fampahalalam-baovao antserasera nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook:

Jereo ity lahatsary ity ka mitomania. Tsy manana holazaina aho….nanakana ny fahaizako miteny tahaka ny reny sy ny vehivavy miteny izany [lahatsary]. Tsy fantatro raha izany no fetran'ny vavako tia miteny…tsy nahatafavoaka feo fotsiny aho!!

Mpiserasera Etiopiana hafa, Muson Abdo, namela hafatra tao amin'ny pejy Facebook Stop child abuse In Ethiopia :

Andeha isika hanao ezaka tsotra ho fampitsaharana ny fanitsakitsahana feno herisetra ny zon'ny ankizy eto amin'ny firenentsika amin'ny alalan'ny fampielezana ny hafatra ka mba ho lasa vaindohan-draharahan'ny mpitondra izany olana izany. Misy tranga maro mitovy an'izany ihany koa miseho eto amin'ny firenena izay manimba ny fandrosoan'ny natiora sy ny fahasalamana ho an'ny taranaka ho avy. Ianao no hany tokana afaka hampitsahatra izany loza eto an-tany izany. Koa aza atao tsirambina izany, andraikitsika ihany koa izany. Eo antanantsika ny fahafahana hampiato izany dieny izao. Andeha hiteny fa ampy,  ampy izay. Nijaly isika/nijaly izy ireo/nijaly mafy ny firenentsika noho izany loza izany. Aelezo lavitra araka izay tratranao.

Sary famantarana ny "Etiopiana Manohitra ny Fanararaotana ny Ankizy". Loharanon-tsary: Pejy Facebook nyvondrona

Dawit Nida nilaza tao amin'ny Facebook,

ለዚህ ምን ይባላል!!! እያንዳንዱ ጥፊ በስለት የተወጋሁ ያህል ነው የተስማኝ:: የቀራጯ ሳቅ ደግሞ…..ውይ ያሰቃያል!!! STOP CHILD ABUSE!!

Inona no azo lazaina!! Mahatsiaro fanaintainana amin'ny vatako aho isaky ny kapoka. Ahoana ny hevitrao ny amin'ilay nandrakitra ny sary nihomehy? …? …

Vehivavy miankanjo ambony misy hafatra hoe "በአዲሱ ሚሊኒየም የሕፃናት ደህንነት የሁላችን ኃላፊነት ነው" (Amin'izao taonarivo vaovao izao, andraikitsika iombonana ny fiarovana ny ankizy). Sary avy amin'ny ethiopianreporter.com.

Onjam-peo iray ao an-toerana nanolotra fankasitrahana 10.000 Etiopiana Birr (eo amin'ny US$600) ho an'ny olona nanome vaovao, nanampy tamin'ny fisamboarana ilay “reny” nampijaly ny zanany. Nanome ny fanazavany momba ny tantara ilay tovovavy nihomehy nandrakitra ny lahatsary.

Gazety antserasera ao an-toerana nitatitra fa efa fantatra ny momba ilay renim-pianakaviana.

Nanampy ireo mpiserasera Etiopiana hahita sy hijery ilay lahatsary ny fifampitam-baovao sosialy ka hanaparitaka izany eo amin'izy ireo. 111, 19%  ny tahan'ny fidirana Facebook ao Etiopia (betsaka kokoa ny miditra facebook noho ny miditra aterineto)Laharana faha-93 no misy ny firenena eo amin'ny antontanisan'ny Facebook isaky ny firenena. Araka ny fanadihadiana nataon'ny “Internet World Stats”, nanomboka tamin'ny 31 Desambra 2011, nahitana mpisera Aterineto 622.122 tao Etiopia.

Vao haingana izay,  andiana lahatsary amin'ny finday mampiseho vehivavy mpiasa an-trano Etiopiana novonoina sy natosika an-keriny hiditra anaty fiara teo ivelan'ny Ambasady Etiopiana ao Beyrouth, ao Libanona, no niteraka fihetseham-po feno fahatezerana teo amin'ireo mpiserasera Etiopiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.