Filipina: Tsy Voasakan'ny Governemanta Ny ‘Noynoying’

Izay natomboka ho solon'ny fomba fihetsi-panoherana efa voarara planking [mihohoka sahala amin'ny hazofisaka] ankehitriny dia lasa manaitaitra tokoa any Philippines. Amin'ny maha-paozim-panoherana azy, ny ‘Noynoying’ dia mipetraka manodidina fotsiny, mitsilailay amin'ny tany, na mivandravandra amin'ny toerana tsy misy na inona na inona sady tsy manao na inona na inona.

Namorona ny ‘Noynoying’ ny mpikatroka tamin'ny voalohany hanazavana ny tsy fihetsehan'ny Filoha Noynoy Aquino amin'ny fahalafosan'ny menaka (solika), mbamin'ny sara sy ny fandaniana hafa momba ny fampianarana, ary ny fahalafosan'ny entam-barotra ilaina andavanandro sy ny servisy isan-karazany, fitomboan'ny elanelana sy ny fahantrana ankoatra ny hafa [tsy voatanisa].

Tsy Voasakan'ny Governemanta Ny Noynoying

Nandamòka avokoa ny ezaka rehetra nataon'ny Governemanta hanakanana ny lazan'ny ‘Noynoying’. Vao maika mihamalaza kokoa ny voambolana rehefa namoaka sary ahitana ny Filoha heverina ho “miasa” ny tao an-dapa entina hanoherana ny fiampangana ny ‘Noynoying’. Tonga dia be be ny nanao photoshop azy ireny ary nampakatra azy an-tserasera ho meme an'aterineto.

Ny sarina ‘Noynoying’ farany dia mampiseho ny Filoha miaraka amin'ny tompon'andraikitry ny Departemanta Misahana ny Fanaovana Asa manasoa ny Daholobe Sy Ny Lalambe (DPWH) izay nalaza tamin'ny herintaona rehefa nanamboamboatra ny sarindry zareo ry zareo mba entina hanehoana hoe “miasa” eo amin'ny helodranon'i Manila ry zareo rehefa nopotehin'ny rivodoza.

Indreto ho ohatra sasantsasany amin'ny  meme noynoying mivezivezy amin'ny aterineto:

Ny ‘Noynoying’ moa amin'izao fotoana izao dia manana fidirana manokana ao amin'ny Wikipedia, izay niainga tamin'ny andininy fohy ka nihalava nihalava lasa lohahevitra lehibe mamakafaka ny niavian'ny voambolana.

Mihamalaza ny Noynoying

Noraisina avy amin'ny anaram-bositry ny Filoha Noynoy, noraisin'ny daholobe amin'ny ankapobeny ho tsy fanaovana na inona na inona manoloana ny zavatra mila atao haingana ny voambolana ‘noynoying’. Efa nifampiresaka tamin'ny antony nampalaza ny ‘Noynoying’ amin'izao fotoana ny mpiserasera Filipino.

Ny mpikambana ao amin'ny governemantan'i Aquino miantso ny noynoying ho doka (fanaratsiana) kely “annoying” na mahasorena ataon'ny mpitsikera ny fitondrana.

It is a sub-plot to a more prolonged campaign against the government by its political enemies. Because these people are having a hard time attacking government policies, they resort to ad hominem attacks on PNoy, stooping so low as to question his mental condition.

Karazana fampielezan-kevitra fanohizana ny fanaratsiana ambadika ataon'ny fahavalo ara-politikan'ny fitondrana io. Satria sahirana amin'ny famelezana ny politikan'ny governemanta ry zareo dia enjehina manokana ny Prezidà Noy, milaza ny toe-tsainy ny fidinanana ambany dia ambany toy izany.

Bilaogera Teo Marasigan mamaly fa tsy asana mpikatroka vitsivitsy monja io fiakaran-dazan'ny noynoying io.

Pumatok ang Noynoying dahil sapul nito ang sentimyento sa pangulo ng mga mamamayan. Sa likod ng masasayang ngiti at masasarap na pangako ng pangulo, ramdam ang pagtindi ng hirap at gutom ng mga tao.

Malaza ny Noynoying satria izay no mamehy ny fahatsapan'ny olona momba ny filoha. Ao ambadiky ny tsiky sy ny fampanantenana mamy ataon'ny filoha dia ny faharatsian'ny fahantrana sy ny hanoanana no tsapan'ny olona kokoa.

John Marcel Ragaza mandritra izany fotoana izany mamahana bolongana fa mety mahasorena (annoying) ny filoha sy ny manampahefana miaraka aminy ny ‘Noynoying’ fa tsy vitavitan'ny hoe fanenjehana manokana ny filoha.

Noynoying is a symbolic protest that goes beyond criticism of the president's character. The public and even Malacanang should not misconstrue Noynoying, and any act of creative protest for that matter, as a plain assault to person of Aquino. Rather, it is an insult directed at the kind of governance that is being espoused not only by Aquino but even by his predecessors, to the elite rule that has long dominated the country, to a leadership that sadly contributes to the suffering of marginalized Filipinos through the protection of elite interests. Noynoying is just a catchy verb, but it nevertheless pierces and offends because it is truthful.

Mari-panoherana mihoatra noho ny fitsikerana ny toetran'ny filoha ny noynoying. Tsy tokony ho diso fandray (fandika) ny noynoying, na izay fomba fanoherana miforona mitovitovy amin'izany, ho famelezana manokana ny tenan'i Aquino na ny olona eny fa na Malacanang aza. Ompa amin'ny fomba fitondrana tsy nataon'i Aquino irery fa nataon'ireo teo alohany ihany koa, (ompa) amin'ny fitondran'ny vato nasondrotry ny tany nanjakazaka nandritra ny fotoana maharitra, amin'ny fomba fitarihana ny izay manampy trotraka ny fijalian'ny Filipino natao anjorombala ho fiarovana ny tombontsoan'ny vato nasondrotry ny tany. matoanteny manintona ny noynoying, fa manindrona sy manohina satria manambara zavatra marina.

Any amin'ny andalana ambany indrindra amin'ny fifikiran'ny ‘Noynoying’, araka ny tsikaritr'i Like a Rolling Stone, ny tsy iraharahian'ny fitondrana Aquino ny raharaha manahirana ny vahoaka.

It is Aquino and his officials who appear to be living in a different world, a place where there are only happy mall-goers, rosy stock market indices and busy construction sites that point to economic growth. In this world, oil prices are not a problem no matter how high they get. Poverty is just a state of mind and unemployment is fiction.

Be thankful Mr. President that today’s protests are still tinged with humor. There might come a time when there will only be anger over your government’s inaction.

Hita ho miaina any amin'ny tontolo hafa i Aquino sy ny manampahefana miaraka aminy, any amin'ny toerana izay tsy ahitana afa-tsy olona faly mpandeha eny amin'ny tranombarotra, tsara ny mariky ny tsenam-bola ary betsaka ny toerana an-dalampananganana zavatra goavana izay mampiseho ny fitomboan-karena. Ao amin'io tontolo io, tsy olana ny vidin'ny menaka (solika) na dia lafo sahala amin'inona aza. Foronina izany tsy fisian'asa izany ary toe-tsaina ny fahantrana. 

Farany indrindra, mpitarika mpikatroka tanora Vencer Crisostomo namoaka lisitra ny dingana mivaingana azon'ny fitondrana Aquino atao, ankoatra ny famoahana sary sy fandavana isan-karazany hampiatoana ny fiampangana ho manao noynoying:

Stopping oil price hikes, implementing genuine land reform, significantly raising wages, imposing a moratorium on tuition and other school fee increases, ending impunity and human rights abuses, standing up against US intervention, and ending foreign plunder and mining of the country's natural resources, among many others.

Mampitsahatra ny fiakaran'ny menaka (solika?), mametraka fanaovaozana ny fizakan-tany tena izy, mampakatra mazava ny karama, mampiato ny fiakaran'ny saram-pianarana sy ny fandaniana mifandraika aminy, mampitsahatra ny fandikàna ny zon'olombelona, manohitra ny fitsabahan'i Etazonia, ary mamarana ny fandrobàna sy ny fitrandrahana ataon'ny vahiny amin'ny harena voajanahary, ankoatra izay tsy voatanisa.   

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.