04 Avrily 2012

Tantara tamin'ny 04 Avrily 2012

Etiopia: Tratran'ny Findain'ny Kamera ny Fanararaotana Natao Tamin'ny Ankizy

  04 Avrily 2012

Naneho hevitra mikasika ilay finday nandrakitra lahatsary tao amin'ny Youtube ny mpiserasera Facebook Etiopiana,  lahatsary izay mampiseho zazavavy kely iray ampijalian'ny reniny tsy an-kiato. Fotoana fohy taorian'ny fandraketana ny sary, nikarakara fanentanana antserasera ho amin'ny rariny ny mpiserasera Facebook tamin'ny alalan'ny fananganana vondrona Facebook antsoina hoe “Etiopiana Manohitra ny Fanararaotana Ankizy”: Mikasika ny zava-nihatra tamin'ity...

Filipina: Tsy Voasakan'ny Governemanta Ny ‘Noynoying’

  04 Avrily 2012

Izay natomboka ho solon'ny fomba fihetsi-panoherana efa voarara planking [mihohoka sahala amin'ny hazofisaka] ankehitriny dia lasa manaitaitra tokoa any Philippines. Amin'ny maha-paozim-panoherana azy, ny ‘Noynoying’ dia mipetraka manodidina fotsiny, mitsilailay amin'ny tany, na mivandravandra amin'ny toerana tsy misy na inona na inona sady tsy manao na inona na inona. Namorona...

Azia Atsimo: Isan'Andro Ny Antsika Misy Ora Irain'Ny Tany

  04 Avrily 2012

Hetsika fanentanana manerantany ny Earth Hour izay karakarain'ny World Wide Fund for Nature (WWF) ary isaky ny Asabotsy faran'ny volana Martsa isan-taona no fankalazana izany. Tamin'ity andro ity, niangaviana ireo tokantrano sy orinasa mba hamono ireo jiro izay tsy ilaina mandritra ny adiny iray mba hanaovana fanairana momba ny fiovaovan'ny...

Global Voices: Mampahafantatra ny Vovonan'ny Fifampitam-baovaon'Olo-tsotra Taona 2012 Hotontosaina ao Nairobi, Kenya

  04 Avrily 2012

Faly izahay mampilaza ny Vovonan'ny Fifampitam-baovaon'olo-tsotra ao amin'ny Global Voices taona 2012! Ao Nairobi, Kenya no toerana hanaovana izany amin'ny 2-3 Jolay 2012, miara miasa aminay amin'izany ny iHub ao Nairobi. Tsidiho ny tranokalan'ny Vovonana ahitana vaovao fanampiny momba ny tanjon'ny fihaonana – Alefanay tsy ho ela ny mikasika ny antsipirihan'ny fisoratana anarana sy ny tsara ho...

Ejypta: Ny Karapanondronao, Ny Zonao Ry Vehivavy

Araka ny tarehimarika avy any amin'ny Ministeran'ny Atitany Ejypsianina, mahatratra 4 tapitrisa ireo vehivavy eto amin'ny firenena no tsy manana  kara-panondro. Ny vehivavy tsy manana kara-panondro dia tsy manan-jo hanan-tany, tsy afaka mividy na mivarotra tapakilan-drenivola ary tsy afaka mandova raha misy ny fahafatesana eo amin'ny fianakaviana. Mandrara ny vehivavy tsy hiditra amina karazana raharaham-panjakana ihany...