- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iràka: Zaikabe Voalohany Niarahan'ireo Bilaogera Irakiana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Ny fampahalalam-baovao sosialy ao Iràka dia mbola zaza miana-mandeha ary raha ny fahitàna fa latsaky ny 3% ny taham-pidiran'ny eterineto dia tsy manampy velively. Na izany aza anefa, ny zaikabe voalohany niarahan'ireo bilaogera Irakiana izay natao tao an-tanànan'i Sulaymaniyah ny 8-9 febroary, dia nitondra fanantenana betsaka. Ny Tambajotra Irakiana ho an'ny Fampahalalam-baovao sosialy [1] no nikarakara ity hetsika ity ary maherin'ny 70 ny bilaogera Irakiana nanatrika. Notohanan'ny International Media Support [2] (I.M.S) ilay hetsika ary nahazo ny fiaraha-miasa tamin'ny Alrubeiy Group for Stationery [3].

Ny Bilaogera Irakiana & ny Mafana Fo ao amin'ny Tambajotra amin'ny Fampahalalam-baovao Sosialy, Hayder Hamzoz, dia nampahafantatra tamin'ny mailaka:

[4]

Ny tanjon'ilay zaikabe dia ny mampandeha ny fifandraisana eo amin'ny samy bialogera Irakiana ary mba hampivoarana ny traikefan'izy ireo eo amin'ny sehatry ny fiarovana ara-dalàna ary mba hialàna amin'ny fanenjehana, ary tafiditra amin'izany ny fampiofanana aminà atrikasa (ny fahaiza-manoratra, ny atrikasa ara-teknika, ny tambajotra ara-tsosialy).

Izy ity ihany koa dia mampiseho fahafahana manangana tambajotram-pifandraisana eo amin'ny samy bilaogera eto anatin'ny firenena ary ny fifampizaràna fahalalàna, vaovao sy traikefa, indrindra indrindra rehefa nanomboka nitàna anjara toerana manan-danja tao anatin'ny fivoaran'ireo hetsika to anatinà tontolo iray ny hafanam-po Dizitaly izay ny fampiasàna bilaogy no isan'ny singa fototra namàhana ny Lohataona Arabo ary ny fanapariahana ny zava-misy any anatin'ireo fiaraha-monina

Nanoratra i Wamith Al-Kassab [5] tao amin'ny Mideast Youth:

Ny zaikabe voalohany niarahan'ireo bilaogera Irakiana dia nanomboka androany faha 8-n’ ny volana Febroary tao an-tanànan'i Sulaymaniyah  niaraka tamin'ny fandraisana anjaran'ireo bilaogera Irakiana maherin'ny 70 isa. Nandray anjara avokoa ireo lehilahy sy vehivavy manerana an'i Iràka. Ity zaikabe ity no ho teboka fanombohan'ny fampahalalàm-baovao sy fanaovan-gazety  Irakiana ary ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra amin'ny endriny vaovao sy manaram-penitra. Ireo mpandray anjara dia nampiasa ny “fanantenana” ho fango ho an'ny vinavinan'asan'izy ireo amin'ny hoavy ka hanoka-baravarana ho an'ny vahoaka Irakiana mba hsnohanana ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra sy ny fandraisana anjara mavitriky ny fiaraha-monina sivily Irakiana.

[6]

Sary natolotr'i Hayder Hamzoz

Iray amin'ny tanjon'ity zaikabe ity dia ny fananganana vondrom-piarahamonina iray mifampizara traikefa, ary mifanakalo vaovao mikasika raharaha maromaro toy ny fandriampahalemana, ny fanoratana bilaogy am-pitoniana sy ny toe-tsaina entina amin'ny fanoratana bilaogy. Mitatitra i Helle Wahlberg [7]avy ao amin'ny IMS fa ilay Kiorda bilaogera , Karwan Gaznay, dia nizara tamin'ny mpanatrika ny amin'ny zavatra mety hahazo amin'ny fananganana bilaogy amin'ny anaran'ny tena manokana ary nanazava momba ny fanoratana bilaogy tsy mitonona anarana.

Ity no fanambarana farany [8] mikasika ilay zaikabe. Tadiavo ao amin'ny bilaogin'ilay zaikabe [9] ny ambangovangony raha te hahafantatra misimisy kokoa ianao.

Bilaogera Arabo sy Irakiana maro no nandefa hafatra amin'ny alalan'ny lahatsary izay nozaraina nandritry ny zaikabe. Ity misy ampahan-dahatsary tamin'ilay zaikabe izay nakarin'i Ali Arafa [10].