Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

31 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 31 Marsa 2012

Ghana: Ampiasaina Ny Fifampitam-baovao Antserasera Mandritra Ny Fifidianana 2012

Efa vonona ny Ghaniana hiatrika fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay hotontosaina amin'ny 7 Desambra 2012, nampahafantatra ny fanapahan-keviny miompana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ny fikambanana BloggingGhana izay mikendry hampiofana ireo mpanohana ny fifidianana amin'ny fampiasana ireo fitaovana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ho fanaraha-maso sy ho fitaterana ny fizotry ny fifidianana. GhanaBlogging dia vondrona mpamahana bolongana ao anatiny/ivelan'i Ghana izay...

Bahrain: Mibitsika Manohitra Ny Formula 1

Raha efa mivonombnona ery i Bahrain hampiantrano ny Grand Prix, manomboka ny 20 hatramin'ny 22 Aprily, ireo mpiondana aterineto kosa dia mifamory mba hanafoanana ilay fifaninanana fiarakodia amin'ny filazana fa mbolamitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mpanao hetsi-panoherana mikatsaka zo demaokratika msimisy kokoa ao amin'ity firenena Arabo ity. Mona...

Iràka: Zaikabe Voalohany Niarahan'ireo Bilaogera Irakiana

Rising Voices

Ny zaikabe voalohan'ireo bilaogera Irakiana dia nanomboka ny 8-9 ny Febroary tao an-tanànan'i Sulaymaniyah. Ny Fampahalalam-baovao Sosialy Irakiana no nikarakara ity hetsika ity ary maherin'ny 70 ny bilaogera Irakiana manerana ny firenena no nanatrika. Nitondra fanantenana betsaka ity zaikabe ity ho an'ny firenena manana taham-pidirana aterineto ambany dia ambany sy...

Fifaninanana Lahatsary: “Everyday Digital Native” – Alefaso Ny Safidinao Dieny Izao

Rising Voices

Ireo mpitsara ny "Everyday Digital Native video contest" izay nokarakarain'ny Centre for Internet & Society (CIS), India, ary ny HIVOS dia nisafidy lahatsary miisa 12 tamin'ny fihodinana faharoa. Azonao atao ny mijery ireo lahatsary tafakatra tamin'ny dingana famaranana ary mifidy ny iray izay tena ankafizinao hatramin'ny 31 Martsa 2012. Ny...

Rosia: Ny Fiainan'ny Silamo Ankehitriny Ao Mosko – Ny Zava-misy

Ny fitomboan'ny mponina silamo ao Moskoa dia maneho ny lalana izoran'ny foko sy finoana Rosiana eo anivon'ny tantara sy zava-nisy izay nanova ny fijerin'ny Rosiana sy ny fandraisany ny vahiny, izay namolavola ny fomba teo amin'ny fiarahamoniny sy ny politikan'ny governemantany ankehitriny momba azy ireny

Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza

Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana ny Sarintanim-panosihosena ahitana amin'ny ankapobe ny fiitatry ny fanosihosena ny zo isan-karazany any Kambôdza. Asehon'ny sary etsy ambany ny fanitsakitsahana ny...

Espaina: Fitokonana Faobe Taorian'ny 100 Andro Niasan'ny Governemanta

Taorian'ny fahatapahan'ny famatsiam-bola ho an'ny tolotra ara-tsosialy, ny fampianarana, ny fikarohana sy ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny angovo azo havaoziana, ary indrindra ihany koa ny fikendrena ny mpiasa amin'ilay Fanavaozana ny Lalàna mifehy ny Asa vaovao, izay manamora ny fandroahana mpiasa sy mampihena ny zony ary manome tombony ho an'ny mpampiasa,...

Iran: Hitondra Fiovàna Ve Ny Fanalefahana Ny Sazy Amin'ny Aterineto?

Ny Departemanta Amerikana miadidy ny Kitapom-bola dia nanalefaka ireo sazy ao anatin'ny lisitr'ireo tolotra aterineto ahitàna ny Yahoo Messanger, Google Talk, sy Skype. Na dia niarahaba ilay vaovao ihany aza, dia tsy dia nafana loatra ny fientanentanana nasehon'ireo Iraniana tamin'izany.

Goatemalà: Diaben'ny Tambanivohitra Sy Ny Vazimba Teratany Hiarovana ny Taniny

An'arivony ireo Vazimba Teratany sy campesinos (tambanivohitra) goatemalteka no nandray anjara tamin'ny diabe naharitra enina andro hiarovana ny taniny, hanoherana ny famindra-toerana, ary miantso ny ijerena ny lohahevitra hafa misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ambanivohitra. Manazava ny  Cultural Survival: Nomanin'ny Comite de Unidad Campesino, (CUC) [Komity Fampiraisana ny Campesino] ny diabe...