- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara : fandripahana tamin'ny 1947, hatramin'izao dia tsy mbola fantatra ny antsipirihan'izay nitranga

Sokajy: Afrika Mainty, Eoropa Andrefana, Frantsa, Madagasikara, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tantara

Ny vohikala TanaNews no mitatitra fa nangatahin'ny Praiministra Beriziky ny hampodian'ny Frantsay ireo rakitry ny tantaran'i Madagasikara mikasika ny fandripahana olona mahatratra 100 000 isa tamin'ny taona 1947 [1] [fr] tamin'ny ho famaizana ny tolona hoamin'ny fahaleovanten'i Madagasikara. I Olivier Herviaux dia manolotra fanampim-panazavana manodidina izany vanim-potoan'ny fandripahana izany [2] [fr]. Tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera [na twitter] kosa no nanambaran'ny Masoivoho Frantsay Jean-Marc Châtaigner [3] fa ireo rakitra ireo dia efa misokatra malalaka hoan'izay mpikaroka tsy an-kanavaka.