- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chile: Mifanakalo Hevitra Momba Ny Fampiatoana Vohoka Noho Ny Antony Ara-Pahasalamana Ny Twitter Raha Mbola Mihainohaino Kosa Ny Antenimieran-doholona

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

[Rohy amin'ny teny Espaniola raha tsy misy fanamarihana manokana]

Raha mitohy hatrany  manemotra ny fifanakalozan-kevitra [1] mikasika ny fanaovana ny fampiatoana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana ny Antenimieran-doholona, mitohy tsy mitsahatra kosa ny fifanakalozana fomba fijery ao anatin'ny habaka cyber Siliana, indrindra fa taorian'ny fifanakalozan-kevitra tanaty fandaharana roa tao amin'ny fahitalavitra Shiliana mikasika io olana io.  Vokatr'izay, nanjary lohahevitra resahana be tao Shily ny tenifototra #aborterapeutico [2] (“fanalàn-jaza ara-pahasalamana”), #tolerancia0 [3], #t0 [4], sy #VP [5]  (izy telo ireo dia samy anondroana fandaharan'ny fahitalavitra daholo). Ilay tolo-dalàna dia tokony ho efa noresahana tao amin'ny Antenimieran-doholona tamin'ny 2 Aogositra 2011, saingy hatramin'ny anio dia tsy mbola natsofoka foana, noho ny hoe fampidirana ireo tolo-dalàna hafa, maika be na eo ho eo ihany.

Ireto ambany ireto ny fanasongadinana ireo fanamarihana natao tao amin'ny  Twitter nandritra ilay fifanakalozan-kevitra nalefa tamin'ny fahitalavitra.

Senado de Chile

Loholona Shiliana. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr , congresochile (cc by 2.0)

Fifanakalozan-kevitra tao amin'ny fahitalavitra ‘Tolerancia Cero’

Nandritra ny fandaharana ‘Tolerancia Cero’ ny 18 Martsa, Pato Linsky (@Patolinsky [6]) dia nanindry hoe :

En un debate televisado sobre el Aborto a la que menos le dieron la palabra fue, adivine usted, a la única Mujer presente. #EsteEsChile [7] #T0 [4]

Tanatinà fifanakalozan-kevitra atao amin'ny fahitalavitra momba ny resaka fanalàn-jaza, ny olona zàra raha nomena anjara fitenenana, azonareo an-tsaina angamba, dia ilay hany vehivavy nandray anjara tao. #EsteEsChile [7] [“Izay i Shily”] #T0 [4]

Giorgio Jackson (@GiorgioJackson [8]), solotenan'ny mpianatra, dia nanameloka ny iray tamin'ireo mpandray fitenenana, hoy izy :

Es muy violento lo que dice el doctor de la U Andes… Lo peor es q cree q tiene la autoridad moral para decidir por miles de chilenas. #T0 [4]

Mahery setra loatra ny zavatra nolazain'ilay Dokotera avy amin'ny Anjerimanontolon'i Andes… ary ny ratsy indrindra tamin'ireo, mihevitra izy fa izy no manana fahefana ara-moraly hanapa-kevitra eo amin'ny toeran'ireo vehivavy Shiliana an'aliny maro.#T0 [4]

Mandritra izany @JAVIERLABRIN [9], mpianatra, dia niaro ny zon'ilay Dokotera mpandàla ny nentin-drazana Dr. Illanes ho afaka maneho ny heviny :

En 1 debate exento d argumentos moralistas y religiosos, Dr. Illanes, U andes, planteo su postura y, nos guste o no, se debería respetar #T0 [4]

Anatinà fifanakalozan-kevitra anjakan'ny tohan-kevitra ara-moraly sy finoana, Dr. Illanes avy amin'ny Anjerimanontolon'i Andes dia nanazava tsara ny toerana noraisiny sady, na miombon-kevitra aminy isika na tsia, dia tokony ho hajaina izany. #T0 [4]

Trini , mpampiasa Twitter (@Sita_Tri [10]) dia nankalaza ny iray tamin'ireo mpandrindra ny resaka:

Bien Paulsen, al final esta no es una discusión científica, si no que ideológica #T0 [4]#aborterapeutico [2]

Tsara ny nataonao ry Paulsen, sady izy ity koa anie tsy fifanakalozan-kevitra siantifika fa resaka foto-kevitra e. #T0 [4]#aborterapeutico [2]

Jessica Riquelme (@JessRiquelme [11]) nanontany hoe:

si en #t0 [12] dejaron claro q en caso de riesgo de vida de la mujer el médico está obligado a terminar el embarazo… que estamos discutiendo??

Raha tao amin'ny #t0 [12] [fandaharana anaty fahitalavitra ‘Tolerancia Cero’] natao nazava tsara fa rehefa misy tranga izay manohintohina ny ain'ilay vehivavy dia voatery ny mpitsabo hampiato ny fitondrana vohoka… ka raha izany inona no mbola iadiantsika hevitra be??

Fifanakalozan-kevitra tao amin'ny fahitalavitra ‘Vía Pública’

Nanaraka izany, nandritra ny fandaharana ‘Vía Pública’ tao amin'ny TVN ny 19 Martsa, ilay mpampiasa Twitter malaza Elquenoaporta (@elquenoaporta [13]) dia niteny hoe :

Prohibir el aborto de un feto inviable por razones ideológicas es tan ilógico como obligarlo. Las creencias no se imponen. #VP [5]

Ny filazana hoe tsy ara-dalàna ny fampiatoana tsimokaina fantatra fa tsy ho velona, noho ny antony ideolojika dia tsy manaraka ny tokony ho izy, tahaka ny fanaovana azy ho zavatra tsy maintsy ampiharina ihany koa. Ny faharesen-dahatrao tsy tokony habosesikao amin'ny hafa #VP [14]

Amin'izany, ilay mpitsabo nify, Felipe González (@Felipedental [15]) namaly hoe:

@elquenoaporta [16] y quien habla de obligar a abortar? La discusión es que existan todas las opciones

@elquenoaporta [16] ary iza no niteny zavatra mikasika ny hanaovana ny fanalàn-jaza ho tsy maintsy ampiharina? Ny fifanakalozan-dresaka dia mikasika ny hanànana izay safidy rehetra mety ho azo raisina.

Raha i Igraine (@Igra_ine [17]) kosa niteny hoe :

#VP [5] si ud quiere llevar feto inviable 9 meses en su útero, bien por usted, pero si otra persona no quiere hacerlo, debe tener la opción.

#VP [5] raha toa moa ianao te-hitondra vohoka fantatra fa tsy hotafita mandritra ny sivy volana, tsara ho anao izany, saingy raha misy olona tsy te-hanao toy izay, tsy tokony hoteren-dry zareo.

Ary Caroola (@Carooola [18]), mpianatra lalàna, nanampy hoe :

Interesante el debate en #VP [5] .El problema radica en no separar las creencias de las políticas públicas,sin hacer eso no hay avance

Nahaliana ny fifanakalozan-dresaka tao amin'ny #VP [5] [fandaharana fahitalavitra ‘Vía Pública’]. Ny olana dia mipetraka amin'ny tsy fahafahana manavaka ny resa-pinoana hiala ny sehatry ny fifanakalozan-kevitra. Raha tsy izay no mitranga dia tsy hisy firosoana mihitsy.

Belén Araceli Lagos (@Belencillaboop [19]), mandritra izany, dia nanindry hoe :

#vp [20] Podemos estar muy en contra del aborto, pero lo que no se puede hacer es no debatir el tema

#vp [20] afaka manohitra tanteraka ny fanalàn-jaza ny olona iray, saingy ny tsy azon'ny olona lavina dia ny firesahana mikasika io olana io

Alvaro Jorquera, mpahay ny siansa politika (@jorqueramora [21]) namintina hoe :

#VP [5] negarse a la idea de legislar, es no permitir que se den discusiones como la que están realizando ustedes en el programa.

#VP [5] ny handà na hanaiky ny hevitra ho fampanarahan-dalàna azy dia fandavana ny tokony hisian'ny fifanakalozan-dresaka, tahaka ny iray izay efa misy ao amin'ity fandaharana anaty fahitalavitra ity

Samy tsy zava-baovao na ilay olana, na ny fifanakalozan-dresaka manodidina azy, indrindra fa tamin'ny taona lasa, rehefa naroson'ny Kaomisiona momba ny Fahasalamana ao amin'ny Antenimiera mba hodinihana ny fanaovana lalàna mikasika ny fanalàn-jaza noho ny antony ara-pahasalamana [22] [en], nafàna ny adihevitra nisy, na izany teny anivon'ny aterineto [23] [en] na ifanatrehana.

Ny Fitsipiky ny Fahasalamana ao Shily [24] (antokon-draharaha napetraky ny lalàna ho tomponandraikitra amin'ny fandrindràna ny rafitra miadidy ny fahasalamana) hatramin'ny 1931, dia nandray ny fanalàn-jaza ho toy ny safidy ironana raha sanatria tandindonin-doza ny ain'ilay vehivavy. Tamin'ny 1989 na izany aza, volana maro talohan'ny nifaranan'ny fitondràna jadona, nofoanan'i Augusto Pinochet io fanapahan-kevitra io noho ny tsindry mafy avy amin'ny Kardinaly Jorge Medina sy ny Amiraly Toribio Merino. Hatreo, izay resaka rehetra momba ny fanalàn-jaza dia tsy araka ny lalàna avokoa, na inona na inona antony

Firenena dimy hafa monja ao Amerika Latina sy Karaiba no mifampizara izay fomba fijery araka ny lalàna mandràra tanteraka ny fanalàn-jaza izay: ny Repoblika Dominikana, Nikaragoa, El Salvador, Haiti sy Honduras.