- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ny Totoafon'i Abou Ismail Aminà Saribe

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fifidianana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011 [1].

Mafotaka tokoa ny fiomanana amin'ny fifidianana izay ho filoha [2] ao Ejipta, voaomana hatao ny 23 sy 24 May 2012, miaraka amin'ny sariben'ireo mpirotsaka izay efa mameno ny làlana sahady. Saingy rehefa i Hazem Salah Abou-Ismail [3] no resahana, dia tena vereziny lavitra any aoriana ireo mpifaninana rehetra amin'ny fanaovana totoafo ny fametahana saribe. Ny saribeny dia saika hita eny rehetra eny – miainga amin'ny rindrina [4], ny fiara, [5] ny vata fampangatsiahana, [6] ny zazakely [7] ary hatramin'ny fanindriana ny sariben'ireo mpirotsaka hafa aza [8].

Infinite Number of Abou Ismail Posters [9]

Saribe tsy manam-pahataperana nataon'i Abou Ismail

Tsy vitan'ireo Ejiptiana mpiondana aterineto ny hamela ity fotoana ity handalo fotsiny ka tsy hihomehy noho ireto saribe tafahoatra.

Mohamed Hamza mivazivazy hoe [ar]:

@mohamad__hamza [10]: اتوقع ان من اولويات الرئيس القادم الفقر و البطاله و ازاله بوسترات ابو اسماعيل

@mohamad__hamza [10]: Heveriko hoe ny voalohany amin'ny laharam-pahamehan'izay ho filohan'i Ejipta manaraka eo dia ny hiady amin'ny fahantrana, mamorona asa vaovao ary manaisotra ireo sariben'i Abou-Ismail mameno rindrina

Randa Tawil manampy hoe :

@randatawil [11]: دلوقتي لما تحب توصف لحد عنوان قوله إمشي طوالي مع بوسترات أبو إسماعيل بعدين هتلاقي تقاطع سيب أول بوستر و تاني بوستر و لف مع تالت بوستر يمين

@randatawil [11]: Ankehitriny rehefa mamariparitra adiresy amin'olona iray ianao, dia metimety kokoa ny miteny hoe, mandehana amin'ilay làlana feno ny sariben'i Abou-Ismail, avy eo ianao hahita sampanana, mialà eo amin'ilay saribe voalohany ary ilay saribe faharoa dia eo amin'ilay fahatelo no mihodina miankavia.

Monda Salem manohy hoe :

@Mondasalem [12]: عاجل وحصرى: وكالة ناسا لعلوم الفضاء تعلن عن اكتشاف 5000 بوستر للشيخ ابوسماعيل فوق سطح كوكب المرّيخ.

@Mondasalem [12]: Vaovao farany: ny NASA dia nanambara fa nahita saribe 5.000 an'i Abou-Ismail ry zareo avy eny amin'ny planeta Mars

And Attiya Attiya manamarika hoe :

@attiya_attiya [13]:للمرة الثالثة خلال يومين .. أحد المواطنين يقسم لي أنه رأى بأم عينيه شارع خالي تماما من بوسترات ابو اسماعيل

@attiya_attiya [13]: Fanintelony izao tao anatin'ny roa andro no nisy olona nilokaloka ho nahita arabe tsy nisy sariben'i Abou-Ismail nipetaka eny aminy !!

Tsy nijanona teo ny raharaha, satria nisy ‘meme’, kisarisary namboarina iray no nipoitra teny anivon'ireo Ejiptiana mpiondana aterineto, miaraka aminà kaonty tumblr antsoina hoe “Abo-Ismail Doing Stuff [14].” Saripika an-jatony maro ihany koa no nakarina tao amin'ny Twitter sy Facebook, izay anehoana ny fandraisan'i Abo Ismail ho azy manokana ny atao hoe tambajotra sosialy be mpampiasa

Abou Ismail Facebook [15]

Ny fandraisan'i Abou Ismail ny atao hoe Facebook

Abo Ismail Last Supper [16]

Ny sakafo hariva farany noraisin'i Abo Ismail

Ary na dia ilay olo-manan-kaja Guy Behind Omar Suleiman [17] aza dia niseho indray, nitondra ny sariben'i Abou Ismail tamin'ity indray mitoraka ity:

About Ismail meets The Guy Behind Omar Soliman [18]

About Ismail mihaona amin'ilay Zalahy Aorian'i Omar Soliman

Farany, tsy adinon'ny olona ihany koa ny nanàla azy tamin'ilay lahatsary tsy alehany [19] an'i Abou Ismail, ka ao anatin'izany no itenenany fa ny PEPSI dia midika hoe  Pay Every Penny to Save Israel, na hoe Isaky ny Penny iray aloa dia famonjena an'i Israely :

Post Every Poster to Save Ismail [20]

Post Every Poster to Save Ismail

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011 [1].