Porto Riko: Vondro-Nosin'ny Mozika Mahaleotena

Ao anatin'ny ” fikarohana feo mahaleotena ao Porto Riko,” namoaka andian-dahatsary voalohany mitondra ny lohateny hoe Archipiélago [Vondro-Nosy] ny bilaogy mozika Porto Riko Indie. Kendrena ny handrakitra ho antontan-kevitra any amin'ny studio ny mozika mahaleotena miseho an-tsehatra ao an-toerana ho an'ireo mpanakanto mahabe fanantenana be indrindra ao amin'ny nosy.

Efa namoaka andian-drindran-kira telo ny Archipiélago hatramin'izao, ary mikasa hamoaka hatramin'ny 12 ho an'ny andiany voalohany izay hovitaina amin'ity taona 2012 ity. Ahitana fandraketam-peo mivantana ao amin'ny studio sy sombina tafatafa isaky ny fizarana tsirairay.

Ny fizarana voalohany dia manasongadina mpihira punk anankitelo Campo-Formio. Nizara hira roa ankafizina indrindra tao amin'ny amboaran-kapilany ny tarika – kanefa ny nahavariana dia ny fandraketana tampoka ny hira mbola tsy nivoaka “La Mocosa” no tena nahavita izay nahatonga ny mpankafy hihaino. Nandrakitra ny feon'ilay mpihira rock olon'efatra fanta-daza Tach.dé ary ilay mpihira sady mpamoron-kira Mima, izay nivazo ny “Oigo Voices” tamin'ny zavamaneno tsy mampiasa herinaratra, nosoratan'i mpihira sady mpamoron-kira Dominikana Rita Indiana.

Tsy niandry ela ny nampahafantaran'ny Global Voices ny Archipiélago andiany telo voalohany efa voarakitra (milahatra toy izao: Campo-Formio, Mima, ary Tach.dé). Ahitana lohahevitra midadasika ny resadresaka amin'izany, toy ny fomba famoronana ataon'ny mpiangaly mozika sy ny sehatra ara-mozika mahaleo tena ao an-toerana, ho lalana iray hampisehoana ny sombiny amin'ny toetran'ireo mpanakanto tsirairay sy ahafanana mihaona amin'ny olona ao ambadiky ny mozika.

Amin'ny teny Espainola ny resadresaka, ary ny mozika kosa  mahafinaritra no mahahenika izao tontolo izao. Ankafizo!

Hampisongadina an'i Dávila 666  , tarika nihoatra ny fiakarana an-tsehatra ao Porto Riko, sy mahazo laza avy amin'ny gazety iraisam-pirenena nandritra ny taona 2011 ary nivezivezy manerana izao tontolo izao indray ny Archipiélago fizarana manaraka.

Tsidiho ny puertoricoindie.com/sesiones sy ny youtube.com/pueroricoindie misy ny Vondro-nosy fizarana ankehitriny  ary araho hatrany ny fizarana farany amin'ny alalan'ny tranokala tambazotra-tsosialy twitter.com/puertoricoindie sy facebook.com/puertoricoindie.

Nampitoviana tamin'ny fanambarana an-gazety natao momba ny Porto Riko Indie ny voasoratra ao anatin'ity lahatsoratra ity. Sary avy amin'i Porto Riko Indie. Ankafizo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.