Tamin'ny 20 Martsa 2012 manodidina ny mitaotaovovonana, namely [1] ny faritra atsimo sy afovoan'i Meksika ny horohorontany. Tsapa fa mahery kokoa ilay horohorontany tao amin'ny firenena Oaxaca, Guerrero, Morelos ary tao afovoan-tanànan'i Meksiko. Araka ny vaovao avy amin'ny Sampan-draharaha Misahana ny Fihovitry ny Tany Ao Meksika (Mexican National Seismological Service) [2] (@SimsologicoMx), toy izao ny mikasika izany horohorontany izany:
SISMO 7.8 Richter 29 km al SUR de OMETEPEC, GRO 20/03/12 12:02:50 Lat 16.42 Lon -98.36 Pf 15 km
HOVITRA 7.8 amin'ny maridrefy Richter 29 km ATSIMON NY OMETEPEC, GRO 03/20/12 12:02:50 Lat 16.42 Lon -98.36 Pf 15 km
Niteraka fitaintainana teo amin'ny fiarahamonina efa zatra ny horohorontany izany, saingy tsy dia mahery vaika noho ny efa niainana. Tao amin'ny faritra hafa ao an-tanànan'i Meksika, nikoropaka ny olona, tahaka ireo olom-pirenena nijanona teny an-dalana handeha hamonjy fiasana. Raha tapaka kosa ny herinaratra tao amin'ny tanàna hafa manodidina, niditra aterineto ny olona mba hifandray amin'ny fianakaviany ka nampahafantatra ny zava-mitranga ao an-toerana.
Jazmin Fajardo [3] (@ jazminfajardo), ohatra, nilaza hoe:
En la condesa [barrio al centro de la ciudad de méxico] todos afuera de los edificios polvo y olor a gas
Tao La Condesa (faritra akaikin'ny afovoan-tanànan'i Meksiko) mivoaka ao ivelan'ny trano-fonenana avokoa ny olona rehetra, manempotra ny vovoka sy ny etona
Nayeli Roldán [4] (@nayaroldan) nitatitra fa nisy ireo afaka nialoka tao Zocalo (kianja ao afovoan-tanànan'i Meksiko) tanàna ao an-drenivohitry Meksika:
La gente desalojando los edificios cercanos al Zócalo
Nandao ny trano fonenana ao akaikin'i Zocalo ny olona
Mpisera RankiaoRecordsHD nizara ity lahatsary manaraka momba ny horohorontany ity tao amin'ny YouTube:
http://www.youtube.com/watch?v=XXBJl5HbY38&feature=related [5]
Juliana Rincón nanangona lahatsarin'olo-tsotra momba ny horohorontany tao amin'ny lahatsoratra [6] [mg] an'ny Global Voices.
Tao anatin'ny tahotra, kaonty Twitter an'i Walmart Mexico (@WalmartComMx) namoaka hoe:
Ahora sí, pusimos a temblar a las otras tiendas con nuestros precios
Izay izany, nataonay nihovitrovitra tamin'ny vidin-javatray ny magazay hafa
Nofafan'ilay orinasa ilay tweet; na dia izany aza Gavo Ayala [7](@gavowonka) nizara pikan-tsary izay azonao vakiana ny tweet amin'izany:
@WalmartComMx [8] Borra su tweet pero aqui el print de pantalla#tembor [9]#temblorDF [10]#temblorMexico [11] http://twitpic.com/8z1f55 [12]
@WalmartComMx namafa ny tweet-ny saingy ity misy ny pikantsary amin'izany#tembor [9] #temblorDF [10] #temblorMexico [11] http://twitpic.com/8z1f55 [12]
Niteraka fahatezerana teo amin'ny fiarahamonina Twitter izany tranga-javatra (tweet) izany ka niampanga mafy izany tamin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra #OfertasWalmart [13] (Walmart Sales) izy ireo
Tao amin'ny firenena Oaxaca, ao atsimon'i Meksika, monisipaly 25 nilaza fa nisy ny fahasimbana [14], ary tao amin'ny firenena Guerrero tokantrano 800 [15]no fantatra fa rava. Nandritra izany, tao amin'ny firenen'y Morelos fiangonana iray tratran'ny [16] fahasimbana goavana.
Na dia teo aza izany fahasimban-javatra sy fahatapahan-jiro tao an-tanànan'i Meksika izany, maivana kokoa ny takaitra navelan'ilay horohorontany teo noho ny horohorontany tamin'ny 19 Septembra 1985 [17], izay nilàna asa marobe sy lehibe ho fanatsarana ny fananerana ny firenena manoloana izany zava-nitranga izany. Hita fa toa nisy vokany tsara ny ezaka natao tamin'izany satria tsy nisy ny aina nafoy tamin'ilay horohorontany farany teo hatramin'izao nanoratana ny lahatsoratra izao.