Tantara tamin'ny 25 Marsa 2012
Porto Riko: Vondro-Nosin'ny Mozika Mahaleotena
Ao anatin'ny ” fikarohana feo mahaleotena ao Porto Riko,” namoaka andian-dahatsary voalohany mitondra ny lohateny hoe Archipiélago [Vondro-Nosy] ny bilaogy mozika Porto Riko Indie. Kendrena ny handrakitra ho antontan-kevitra any amin'ny studio ny mozika mahaleotena...
Miomana Hanome Voninahitra An'Ireo Maty Noho Ny Ady Tao Malouines I Arzantina
Any Arzantina, isaky ny 2 Aprily no ankalazaina ny ny Andro ho an'ireo bekotro maroholatra sy ny maty noho ny Ady tao Malouines. Saingy tsy ho daty mandalo tsy tazàna akory ny an'ity taona ity noho ny zava-misy ankehitriny amin'ny fifanolanana ara-diplaomatika amin'i Angeletra. Ireto ny fanehoan-kevitra farany sy fomba fihevitra mifandraika amin'io fifanolanana io.
Meksika: Horohorontany Maridrefy 7.8 No Namely ny Tanàna
Tamin'ny 20 Martsa 2012 manodidina ny mitaotaovovonana, namely ny faritra atsimo sy afovoan'i Meksika ny horohorontany. Tsapa fa mahery kokoa ilay horohorontany tao amin'ny firenena Oaxaca, Guerrero, Morelos ary tao afovoan-tanànan'i...
Bengladesh: Ny Dia Lavitra Natao Tamin'ny Fakanà Sary Niaraka Tamin'ny Bilaogera Fanta-daza GMB Akash
Ato amin'ity antontan-kevitra manaraka ity dia hampahafantarinay anao ny mpaka sary iray, GMB Akash, izay manana photoblog feno tantara mampalahelo, fijaliana, hafaliana sy fanantenan'ny olon-tsotra ao Bengladesh. Nanaitra ny sehatra iraisam-pirenena ny fanehoany an'i Bengladesh tamin'ny endriny maro
Honduras : Ao Sabanagrande, Vazivazy Tsy Fanao Intsony Ny Fanabarabaràna Polisy
Teo anivon'ny fiampangana maro nahazo ny polisy mikasika ny kolikoly ataon'izy ireo ao Honduras, hetsika ara-kolotoraly nentim-paharazana fanao isan-taona ao an-tananàn'i Sabanagrande,no nampiakatra ny fahatezerana teo amin'ireo olon-tsotra sy ny polisy. Antokonà mponina maro no namaly ny famoretana tsy misy antony nataon'ireo polisy tamin'ny alalan'ny fananganana Komity Miaro ny Zon'olombelona voalohany tao an-tananàn'i Sabanagrande. Ilay bilaogera sady poeta Fabricio Estrada dia nizara ilay tantara tao amin'ny bilaoginy.